hisaraka sa tsia

1. endrika ( 12/03/2006 13:44)
tsy hitako izay atao, very fanahy mbola velona aho
nampiditra demande de divorce ny vadiko satria tsy mahazaka ny toetrako hono
roa ny zanakay
izaho tsy tiany efa fantatro hatrizay saingy ny amin'ireo zaza no tsy hitako izay hatao
te hamono tena aho indraindray: tsy hisy hahaory ny zaza na tsy eo aza aho
ampio aho
novalian'i Fiffi ny 20/03/2006 06:14
2. diamondra27 ( 12/03/2006 14:00)
endrika:aza mamono tena 'zany ry mendrika a!
fa ahoana no ilazànao fa tsy ho ory ny zanakao rehefa tsy eo ianao? Eritreritrao izany fa tsy an'ny zanakao; sa izay mihitsy no nolazainjareo? Eny fa na de nolazainy aza ireo d 'zao no tadidido fa ny zanaka de tsy ary raha tsy nisy ny RAD = lahy sy vavy; ny fisarahana matetika de misy fiatraikany @ zanaka foana

AZA KIVY rahavako ; fa avalony ny lasa , de mitràkà ary enga anie ny fiainanao mba ho mendrika tahaka io PS-nao io; tsy misy olombelona tonga lafatra eto antany fa raha solafaka enao de soa lavo hahay hamindra;

manasa anao hivavaka sy hino an'i Jesosy fa ao ihany ny vahaolana


3. Fiffi ( 12/03/2006 14:06)
endrika: aza manao an'izany ary halao ao an-tsaina aloha izany hoe te-hamono tena izany an! raha tena tiandry ireo zaza dia izy jerena , sady hota be eo imason'Andriamanitra izany mamono tena zany an!
tsy mahazaka ny toetrako hono
juste io ve dia hisarahana ? tokony hiresaka tsara angamba aloha ianareo an ! dia anontanio tsara izy hoe inona ny toetrandry tsy zakany zany ary fantaro fa ny endrika ratsy hono tsy azo solohina fa ny toetra ratsy kosa azo , ny endrika aza efa azo solohina @ zao fotoana izao.
izaho tsy tiany efa fantatro hatrizay
marina aloha fa hoe noho ireo ankizy no nijanonandry eh! fa raha efa mba fantatrindry zany hoe tsy tiany ndry hatrizay , tokony asa hoe mba nasiana resaka hatrizay koa hoe fa misy inona ? dia mba mifanazava dia mba mitady vaha-olana.
4. batso ( 12/03/2006 14:37)

Amiko aloha rehefa te ande izy aleo ande fa tanàla very sampy ka ny manova ny mety é.
Efa hoe ande izy fa tsy zakany ny toetranao koa inona indray. Tsy vao izao no nisy ny divorce ka hoe: zava-baovao fa samy nosorandreniny menaka io koa izay iray manenina é.
Tsy hitako atao hoe: ialahy tsy fantatro atao hoe : Ndry (ianao)
Le temps passe la vie continue ihany no ady eo.Sa ahoana ry zalaha?
5. diamondra27 ( 12/03/2006 15:00)
batso: ie , merci hiran'i JOhnny io ET LE TEMPS PASSE NE REGRETTE RIEN:-*:-*
6. lapino ( 12/03/2006 15:25)
endrika:
hisaraka sa tsia

TSIA :wink::D
7. xxx ( 12/03/2006 15:47)
Marina fa isany zavatra sarotra indrindra ny fitiavana fa tsy vahaolana ny famonontena ,fa mba jereo ihany ny zaza fa az ty tena tahakizany:cry:
8. diamondra27 ( 12/03/2006 16:09)
endrika: manantona olona hanananao confiance de ambarao azy ny fahorianao. De aza mijanona irery ao antrano fa mi-tourne à GRANDE VITESSE LE PENSEE , de zay no mahatonga anao te-hamono tena, fa raha mi-recule enao de ho hitanao fa 'ty fiainana ity de fahasambarana
9. dadabe ( 12/03/2006 17:02)
mahay mananatra anie ity diamondra ity e,sahala @ olona manana traikefa be izany ny fahitako azy :-w:-w diams a!! avia aty amiko de aleo zah mba hampianarinao koa:wink:
10. diamondra27 ( 12/03/2006 17:14)
dadabe: inona ny dikan'izany traikefa?
MADOA VOOLA vao mahazo cours raha hianatra elah leisy bedada a!
11. fasaly ( 12/03/2006 17:23)
endrika mahereza, mieritrereta injato amin'arivony alohan'ny hanao zavatra na hieritreritra zavatra fa aza miteninteny foana na manaonao foana,
misy ny pire noho ny blem nao ka aza mora kivy e!
korazy de mijoroa am coté positive foana de mandeha io e! ok! biz
12. zandrikely ( 12/03/2006 17:43)
fasaly : marina zany e
13. cazal ( 12/03/2006 18:02)
Torohevitra : Tsy vahaolana aloha ny fisarahana voalohany, Ilaina aloha ny mandinika ny tena manokana, ary manarak'izay dia tokony ho fatatra fa ny vy hono tsy mikotrana irery. Misy boky izay mitondra ny titre Le Foyer Chrétien " Ny mpanoratra azy dia (Ellen White) Ary momba ny fitaizana ny ankizy indray dia misy boky hoe EDUCATION io ihany ny mpanoratr aazy tena tsara ireo fa efa namaky ireo aho. Ary Omeo ny vadinao ity teny ity Malakia 2:14-16. Mino aho fa hiova hevitra izy aorian'ny famakiany an'io, ka amin'izay fotoana izay dia aoka, ho tokatranao vaovao @ zay ny anareo.
Mahereza e!
14. Fiffi ( 12/03/2006 18:48)
enganie ka ho zany tokoa ary mahereza hatrany:-*
15. vegas ( 12/03/2006 23:19)
"Nefa hoy hianareo: Nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin'ny fahatonaranao izay nofitahanao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy. Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola manam-panahy ihany? Fa inona andrefa no notadiavin'ilay anankiray? Taranaka araka an'Andriamanitra.
Koa dia tandremo ny fanahinareo,ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin'ny fahatanorany. Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka hianareo."
Malakia 2: 14-16

Ra za aloha zany ilay vadin'ny endrika ry cazal dia tsy itako ze antony hiovako hevitra noho io.
Afaka azavainao ve ilay izy azafady?
Miala tsiny aho cazal fa zay no ilana ny pasitera sy ny mopera mba hanao toriteny fa ireto baiboly ireto anie ka manana filozofia tsy hay vinaniana. Raha ho ahy olona tsotra zao dia tsy mahazo ny tiny tenenina.
Merci cazal.
16. vegas ( 12/03/2006 23:26)
Azafady endrika fa adinoko ny nanome ny hevitro nefa enao no tena tompon'ny olana.
Tsy vao enao akory no nisantatra ny divorce, tsy vitanao ve ny hiaina tsy eo akain'ny vadinao sa hoe aona? Ataovy ny divorce fa efa fanao io.
Efa hainao fa tsy tiany hatrizay enao de maninona izy no novadinao kay? Nahagaga ahy.
Za tsy d'accord amin'ny mamono tena. Diniho ihany ny ray amandreninao nanabe anao, ny fianakavianao rehetra nanome fitiavana anao. Ny zanakao koa hitady ny rainy (na reniny tsy haiko) indray andro any, enao nefa 'zany.
Aza mbola mamono tena fa ilaina enao endrika, aleo maty ho azy.
17. Veloo ( 13/03/2006 01:05)
tsy ny famonona tena no mahava ny olana... mahereza mbola misokatra ho anao ny fiainana eto an-tany.. raha misy azo hifanamboarany miaraka aminy vadinao dia essayeo ihany...hivavaka ho anao izahay
18. Fiffi ( 13/03/2006 05:10)
endrika: aleo akia tena hasiana resaka tena matotra aloha an! mifanazava ianareo mivady ary ataovy tena masaka tsara fa ny ankizy no jerena aloha , tokony ho tonga saina @ io mihintsy aloha ianareo mivady an! ny tsy manana RAD aza efa tsy fidiny ,jereo ny ankizy eh!
19. kala ( 13/03/2006 05:11)
endrika > efa betsaka sy feno ireo torohevitra ny namana ireo fa mampahery anao no azo atao.

1- Tsy vahaolana ny famonoan-tena fa vao mainka aza enao manokatra ny vavahadin'ny helo eo alohanao.:evil::evil::evil::evil:

2- ny olona (zaza) kamboty tsy fidiny aza mampalahelo koa vao mainka homenao fahakambotiana izy ireo

3- mila anao ny fianakavianao fa araho ny tenin'i veloo "mivavaha"+"aza mitsahatra".

farany : ny sedra tsy maintsy misy fa mahaiza fotsiny manao jery todika. raha tena misy toetrairay tsy zakan'ny vadinao ao aminao. ialao io toetraio fa tsy mbola tara akory izao.:-*

Ho feno fahasambarana ange ny fiainanao sisa. Ary aza miankina @ herin'ny tenanao. Antsoy Andriamanitra!!
20. Fiffi ( 13/03/2006 05:13)
fa eo anilanao mandrakariva ny Tompo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2338