Nakatona tanteraka ny fiangonana EURD

1. Fiffi ( 12/03/2006 08:08)
Raharaham-pinoana - Nakatona tanteraka ny fiangonana EURD
Teo ivelan’ny fiangonana indray ny mpino no nanoko fivavahana.

Nakaton’ny fanjakana tanteraka ny fiangonana Eurd na ny Eglise universelle du royaume de Dieu. Omaly izany vao nanatanteraka ny didy fanakatonana azy ity ny fanjakana. Didy mitondra ny laharana 029/2005 tamin’ny 11 janoary 2005, milaza ny fandraràna izay asa sahanin’ny Eurd rehetra eto amin’ny firenena malagasy sy ny fanakatonana azy, narahin’ny didy fampiharana nivoaka ny 28 janoary 2005.
Ny vadintany Ramamonjisoa Rémi, niaraka tamin’ireo mpitandro ny filaminana no tonga teny Antanimena, foiben’ity fiangonana ity nanatanteraka izany omaly maraina.
Mbola nivoha indrindra ny fiangonana tamin’io satria vao avy nanao ny fanompoam-pivavahana maraina, niditra tamin’ny enina ora sy sasany indrindra ireo mpivavaka tao aminy tamin’io.
Rehefa tafiditra tao am-piangonana ireo manam-pahefana, araka ny fanazavan’ireo mpivavaka tao amin’ity fiangonana ity nanatri-maso ny zava-niseho, dia nanatona avy hatrany teny akaikin’ny polpitra. Nitodika tany amin’ireo mpivavaka ny vadintany ary niteny fa tonga hanatanteraka ny asany amin’ny tsy maintsy hanakatonana ny fiangonana, araka izay voalazan’ny didy navoakan’ny minisiteran’ny Ati-tany. Ary novakiany teo anatrehan’ireo mpivavaka ilay didy mirakitra izany.
“Niezaka ny namaly azy izahay, hoy izy ireo taorian’izay, nangataka taminy ny hanajanonana ny fanakatonana aloha satria efa nanao fanohanana an’io any amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana izahay ka andrasana izay didy havoakany sy koa hiandry ny hahatongavan’ny mpisolo vava anay. Fa tsy nanaiky izany ilay vadintany”. Ny fanatanterahana ny didy ihany no voalaza, araka ny fanazavan’ireto mpivavaka ihany, fa nasetriny ka na dia ny hakana ireo entana tao anatin’ny fiangonana aza tsy nekeny.

Raharaha fandoroana Baiboly.
Tsy misy afa-tsy ilay resaka fandoroana Baiboly tany Fianarantsoa ihany tamin’iny taon-dasa iny, raha tsiahivina ny raharaha, no fototr’ity olana eo anivon’ny fanjakana sy ny Eurd ity. Io no niaingan’izao tarehin-javatra rehetra izao. Rehefa nandeha anefa ny fitsarana dia tsy nisy tohiny ilay fandoroana Baiboly, satria tsy nisy porofo, fa ny fanakorontanana saim-bahoaka sy ny fampisavorovoroana ny filaminam-bahoaka indray no nitanana ireo olona voarohirohy tamin’ny raharaha. Dia nivoaka ny didy avy teo ka pastora roa sy mpiasa roa tao amin’ny fiangonana no voasazy higadra enim-bolana an-tranomaizina, mpino 11 tao amin’ilay fiangonana kosa no nahazo sazy mihantona.
Avy dia nihatra, araka izany, ny didy na dia nanao fampiakarana fanoherana izany aza ny fiangonana.
Dia nitohy teny ihany ny raharaha ary dia izao niafara tamin’ny fivoahan’ny didy fampitsaharana ny asan’ny fiangonana sy ny fanakatonana azy izao ny 11 janoary teo.
Mikasika azy io moa, araka ny efa voalaza etsy ambony, dia efa nanaovan’ny fiangonana Eurd fampiatoana tany amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana.
Fa etsy andanin’izany nanazava ireo mpivavaka tao amin’ny Eurd, fa tsy nisy izany fandoroana Baiboly izany nataon’ny pastora tao aminy tany Fianarantsoa. “Ny Baiboly ampiasan’ireo mpivavaka rehetra eto Madagasikara ihany, na ny ny Baiboly protestanta izany na ny Baiboly katolika, toy ireo fiangonana samihafa mampiasa azy ireny, no ampiasainay sy itorianay ny tenin’Andriamanitra, hoy izy ireo, ka tsy tokony hisy antony handoroanay azy”. Ary dia notsoriny fa endrikendrika ranofotsiny iny raharaha natao tamin’ny fiangonana tany Fianarantsoa iny.
Ranomaso sy alahelo moa no hita teny amin’ny endrik’ireo mpivavaka omaly nanoloana ny fanakatonana ny fiangonany. Ary teo ivelan’ny fiangonana izy ireo no nanao hiakam-pivavahana sy nanatanteraka ny fanompoam-pivavahany. Nisy mihitsy aza ny fananganana labasy ny takariva.
Manerana an’i Madagasikara moa izao fikatonan’ny fiangonana Eurd izao. Ny fananany, araka ny voasoratra ao anatin’ny didy navoakan’ny minisiteran’ny Ati-tany dia arahina araka izay voalazan’ny sata mifehy ny fiangonana.
Nirina Rakotoson pour l'Express de Madagascar
novalian'i Fiffi ny 23/03/2006 06:12
2. Fiffi ( 12/03/2006 08:09)
EURD http://www.prevensectes.com/eurd1.htm
3. cazal ( 12/03/2006 18:17)
Tkony hitandrina koa isika malagasy amin'ireny milaza mpitondra fivavahana avy any ivelany ireny indrindra ireo Afrikanina satria dia misy zavatr amaro no mifono ao ambadikan ireny.
Izaho izay monina aty ivelany moa dia mahita zavatra maro ary efa sendra mba tafaresaka ny iray tamin ireny ka izany no antony mba andraisako fitenenana eto. Ny akamaroan'ny Malagasy dia Kristianina ary tsy mahalala izay aleha eo amin'ny lafiny finoana satria toa milaza ho marina avokoa zaiy rehetra mitondra ny baiboly. Avahako manokana ireo afrikanina satria ataony fitadiavam-bola ireo olona tarihiny , hitoriany ny fahafolokarena dia anagonany izay harena rehetra, ny malagasy moa tsotra sady mora mino dia roboka tokoa. Mijere Site ianao dia ho hitanao fa maro be mihitsy ireo karazana fisolokiana ataon'ireo Afrikanina ao, ary hatramin'ny fivavahana dia hoentiny hisolokiana, Raha mila porofo ianao dia azoko omena site maromaro dia mba ambarao amin'ireo namanao ka tokony hitandrina tsara sao voafitaka.
Izaho aloha dia manome rariny ny fanjakana t@ nanakatonany an'io satria efa nahita ny zavaniseho tao @ fiangonana tao Abe mikasika io fiangonana io aho ary niresaka t@ mpitandrina tao t@ izay fotoana izay, mba tsy hamitaka ireo vahoaka madinika izy satria ny voamariko dia olona sahirana daholo ny akamaroany ary dia mbola araraotiny.
4. Fiffi ( 12/03/2006 18:54)
Ny akamaroan'ny Malagasy dia Kristianina ary tsy mahalala izay aleha eo amin'ny lafiny finoana satria toa milaza ho marina avokoa zaiy rehetra mitondra ny baiboly.
ka tsy hita eh! dia homena tsiny ary ve ry zareo rehefa mafy ny manjoa ka ny Tompo sy ny fivavahana no hatao ambonin-javatra saingy ao tokoa ny mpanararaotra . Mampalahelo ny zavatra toy izany:(
5. marozevo ( 13/03/2006 00:37)
Izaho dia victime an'io lazain'i Cazal eo ambony io, ka sahy mijoro ho vavolombelona. Nandalo tany France aho dia nisy olona nanoratra avy any Congo RDC nilaza fa maty any hono ny rahalahin'ny Kardinaly ka mangataka fanampiana ny Kardinaly hitondrana ny Razana any M/kara. izaho anefa mahafantatra fa ny Kardinaly Armand G. dia tsy manana afa-tsy anabavy iray.
Izany hoe nisy olona nisandoka ho kardinaly Armand tany Congo...
Ato amiko ato daholo ny taratasy nalefany satria no-imprimeko. Izy amin'izany tsy manoratra afa-tsy amin'ny mail fa tsy sahy manoratra taratasy mivantana.
Raha ilaina dia hotohizana...
6. jentilisa ( 13/03/2006 05:48)
tena io karazana io mihitsy no nataon'ny eurd teto Dago, ialy ao amin'ny jereo eto izany
7. Fiffi ( 13/03/2006 07:21)
jerena aiza ry jentilisa ? toa tsy misokatra ? fa hay tena secte be io an!
8. marozevo ( 13/03/2006 23:45)
Ao ambony kokoa ilay "jereo eto" fa tsy io akaiky kely io ry Fiffi ah.
9. Fiffi ( 14/03/2006 06:03)
kay moa! fa tena secte anie io ry fijo eh! ny any dago koa io hiany !
10. Achia ( 14/03/2006 19:52)
sao de io ary le manao hoe MIRACLE MON AMIE
11. Fiffi ( 15/03/2006 06:54)
fa mampalahelo ny fanararaotana toy izao. Indrindra koa anie ka vahiny no nitondra an'io eh!:(
12. marozevo ( 17/03/2006 00:31)
Mbola tsy niditra eto kosa i fijo ry Fiffi ah... sao diso fijery ianao. Ny inona no ataonao hoe FANARARAOTANA ? Ilay secte sa ilay nanakatonana azy ?
13. Fiffi ( 17/03/2006 07:08)
marozevo: nisy fahadisohana fa i jentilisa eh! ny fanararaotana dia ny secte io fa tsy ny fanakatonana azy satria toetran'ny olona mpitondra ao @ secte io ny manararaotra , mafy ny manjoa ny olona dia mba any @ fivavahana no hitodiana nefa mianjera @ ireny secte ireny dia izay mba kely hananany dia lasa avokoa.
14. marozevo ( 18/03/2006 00:32)
Marina ny anao ry Fiffi. Fa ny mahagaga dia ohatran'ny manjary jamba na voan'ny fandraikiraikena izany ny adeptes amin'izy ireny, ka na hita izao aza fa fanararaotana dia idirana ihany. Misy aza sectes manao fitondran-tena faran'izay mamoa fady mihitsy fa mahazo miray daholo ny mpiara-mivavaka ao aminy. Soa fa mbola tsy misy any Madagasikara ity.
15. Achia ( 18/03/2006 07:05)
zany kosa aloha tena tonga te tokony foanana mitsy e efa nisy io henoko tany @ faritra Ambatondrazaka iny ry zevo a
16. Fiffi ( 18/03/2006 09:15)
gravy io ry marozevo an! efa hitako ny reportage nisy an'ireny an! na dia ny fiviolena ireny ankizy ireny aza dia vitan'ry zareo fa soahiany fa mba tratra daholo aloha ry zareo eh! fa ny tena mampalahelo dia ny mahantra foana no voa satria mino an'Andriamanitra ry zareo dia ankininy aminy ny fiainany nefa atsy ambadika dia fanararaotana fotsiny.
17. cazal ( 18/03/2006 17:11)
Marina mihitsy izany lazain Fiffi izany, matetika ireo olona shirana no tena mora azon izy ireny, Ka tsara aloha ny ataotsika eto mba mifampizara ny marina sy ny zavatra efa hita, nefa ny mampalahelo dia ireo tsy mba manana tombotsoa manana Internet, ka inona no mba sosokevitra hanampiana azy ireny tsy hotartran'izany? :roll:
18. marozevo ( 19/03/2006 00:12)
Sehatra iray efa lehibe aloha ny internet eh.. Fa tsy tokony hianona amin'ity isika, fa mba milaza amin'ny olona ihany rehefa misy occasion hahafahana miresaka izany. Ny ahy dia anisan'ny fototr'asa sy adidiko io, ka tsy hiroa fo aho fa rehefa tafaverina any M/kara afaka volana vitsy sisa, dia hikatroka.
19. patrick2002 ( 19/03/2006 05:16)
marina daholo ireo voalaza ,momba ny fiangonana EURD ireo, izaho afaka mitsangana ho vavolombelona ,@ izany ity ilay tantara: tany dago izaho nanana entreprise kaly manao mini impression sy photocopieur ary mandefa fax,sy internet.Misy pasitera anio fiangonana io client tao manao photocopie ny programme ny fiangonana,i rapasitera aloha dtena client mafatra-po satria ,mampiditra,eo @ 500 000 fmg eo leri,io par semaine,indray mandeha simba ny photocopieur,ny fax,ny connexion par internet tsy mandeha,nantonony lery moramora izaho niteny ahy izy hoe raha omenao 10% fotsiny @ recette journaliere nao izaho tsy misy intsony izaho panne izaho ary hitombo be ny client nao:evil::evil: tena pasitera ilairy fa naika nomeko ny daka ,ny fitombenany
20. cazal ( 19/03/2006 10:19)
Marozevo, Ok marina izany fa any izany no mihaona dia mikatroka isika e! Miatso ny hafa koa izay hiara mikatroka @ nay ô!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7517