FAMONOANA VADY (tohiny)

1. Fiffi ( 11/03/2006 05:40)
Notanan'ny Fampanoavana etsy Anosy am-ponja, omaly, ny lehilahy mpihira malaza iray noho ny resaka famonoana vady narahina fandrahonana ho faty. Ny vadiny mihitsy, araka izany, no voalaza fa nitondra ny raharaha teo anivon'ny manam-pahefana.
Efa valo taona izy mivady ireto no niaraka. Roa ny zanany. Hatramin'izay nivadian'izy ireo izay dia voalaza fa niaritra ny mafy tamin'ny vono nataon'ity mpihira ity ny vadiny. Tsy tantin'ilay ramatoa vadiny intsony anefa izany taty aoriana ka lasa izy nisintaka ny tokantranony ary nonina teny Itaosy. Filaminan-tsaina no notadiaviny tamin'izay nefa toa tsy nampiova na inona na inona satria mbola nandehan'ilay mpihira vadiny tany ihany izy ary novonoiny. Nametraka ny fitarainany tany amin'ny polisy, araka izany, nony avy eo, ka afak'omaly ihany ilay mpihira dia nosamborina. Natao famotorana ary dia io notanana am-ponja io rehefa natolotra ny Fampanoavana.
Nirina pour L'Express de Madagascar
novalian'i Fiffi ny 23/03/2006 05:43
2. sipagasy ( 11/03/2006 06:39)
mmhhhh ioa anie ry reto ka tsy nisy "classe sociale" izany e! na mpitsara aza misy mamono vady koa, na dokotera aza na miaramila na tsy an'asa ihany koa, ka mba moramora ihany re ty tananareo ty ry lehilahy isany e!!!!
3. Fiffi ( 11/03/2006 07:44)
tena tsy aiko mihintsy hoe inona no mahatonga ny lhl mamono ny vadiny tahak'izao , vadinao io , nitondra ny zanakao , niaritra ny mafy sns.... :(:(:(
4. bigy ( 11/03/2006 11:48)
mba tiko ho fantatra hoe iza loatra zany, nefa refa mihira zao de hoe, je t'aime e! tiko enao e! mifankatiava e! sns... kay mpamono vady.tsss
5. sipagasy ( 11/03/2006 11:55)
hihihihi
6. Fiffi ( 11/03/2006 13:01)
eny tokoa wa ? mba iza izany mpihira mpamono vady zany ?
7. fasaly ( 11/03/2006 14:04)
hummmmm! aleo mba hi revolte ny femme battue e!
faizina tsara reny lehilahy mpamono vady reny fa tsy mety kou:°) taloha mantsy tsy sahy miteny ny vehivavy fa amzao efa tsy matahotra ny mitory....
raha natao ny salan'isa dia ny lehilahy gasy anisan'ny mapmono vady hono:^):°):wink:
8. Fiffi ( 11/03/2006 14:10)
io ny exemple! sa tsy zany ry fasaly ?:wink:
9. Veloo ( 12/03/2006 23:22)
tsara ho an'azy zay:roll:
10. Fiffi ( 13/03/2006 04:48)
tokony mbola ho mafy noho izao aza ny famelohana ny vady mamono vady zany !
11. Veloo ( 13/03/2006 19:23)
tokony tokoa
12. Fiffi ( 13/03/2006 20:50)
nefa hoy izay hira izay hoe: vady ve ? na dia miady aza miombona hiany fa tsy tokony hasiana hery .
13. Veloo ( 15/03/2006 02:21)
:°)
14. Fiffi ( 15/03/2006 05:31)
aleo hijinja izay nafafiny!
15. sousou ( 16/03/2006 04:54)
mahagaga tokoa ny lehilahy malagasy an! mamono vady... nefa de io vehivavy vonoina io no manao izay sitrapony rehetra ary ireharehavany any amin'olona any.
Izaho koa aloha dia tena manaiky oe aleo faizina mafy e, ary tokony hisy lalàna hafa mihitsy aza satria malemilemy ihany ny sazin'izy ireo.
Ny vehivavy koa tsy tokony hanaiky lembenana lava eny, "ny tokantrano tsy ahahaka" marina io, raha mamono indray mande dia ifampiresaho, ezho ovaina ny toetrany fa rehefa tsy zaka intsony ... ataovy izay mety:(
16. Fiffi ( 16/03/2006 06:53)
Ny tsy maha tonga saina ahy aloha dia na ny fijerena ireo vhv izay nitondra ny mangidy rehetra , satria mba tena mangidy tokoa moa izany , dia tsy mba mahontsa ny lhl ve izany no mbola sahy hamono ny vadiny hiany ?:( nefa dia tena misy ireny , indrisy anefa.......:(
17. sousou ( 16/03/2006 07:31)
Fa tena mahonena tokoa ange ny mahita ireny vhv vonoin'ny vadiny ireny e, ary tsy mifidy saranga io a, na ny mpanana na ny mahantra ahitana karazany daholo. fa tena misy karazana lhl natao hamono vady mihitsy angamba!!!:cry:
misy cas iray izay izao a tena oe isankerinandro ilay ramatoa tsy maintsy ahitana mangana na ratra kely foana nefa de mande miasa, hitan'ny olona rehetra ary fantatry ny olona rehetra koa. indraindray izy maka permission fa tena marary hono fa novonoin'ny vadiny, mahamenatra...
18. Fiffi ( 17/03/2006 06:27)
tena mahamenatra tokoa , nefa maninona no tsy torihina ?
19. sousou ( 17/03/2006 09:53)
:?::?:
20. Fiffi ( 17/03/2006 10:27)
sousou: torina any @ tribonaly akia ireny mamono vady ireny an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.132