FAMONOANA VADY (tohiny)

21. mino ( 20/03/2006 06:32)
Fa maninona tokoa ary no vitsy ny vehivavy sahy mitory?!!!
22. Fiffi ( 20/03/2006 06:53)
mino: fahatahorana no mahatonga an'io , fa ao aloha ny ankizy satria raha mitory dia mety hiafara @ fisarahana , ao koa ny fihankinan'ny fidiram-bola ao an-tokatrano , raha ny lhl hiany no miasa dia izy irery no mampiditra vola dia ahoana , inona no hanjoa raha toa ka mitory ka miafara @ fisarahana ?
23. ikalakintina ( 20/03/2006 07:40)
indraindray koa ange ny vevavy gasy oatry ny miaritra foana e!, matoa izy izay nitory de efa tafahoatra loatra, nefa io fahazarana, tokony vao mamono voalohany le ranga de tokony mi agir, indraindray mandangolango de ranga fa tsy hanao intsony de eo indray nefa afaka erin'andro d'efa io indray, de izao ry zavavy a!, misy vao mpisipa d'efa nanome tefaka le bandy de aza manaiky an'io fa io tefaka io no lasa daroka sy daka any antokatrano, moa le mitory tsy de tena mahavantana ny gasy satria araka ny voalazan'i fify e! moa koa araka ny teny gasy hoe mamy ny fihavana, nefa refa tsy tosika ve tsy toriana ihany?
24. sousou ( 20/03/2006 08:26)
GIRAVY...
Ary hono ho aho, nareo ve efa nahita vehivahy novonoin'ny vadiny ka namaly?
tantarao...
25. rapala ( 20/03/2006 17:12)
tsy mbola nahita aho ry sousou fa tiako ho hita hoe mba mi -revolt kely ny vevavy fa tsy manaiky vofelaka sy votisitosika lava ao, sa ahoana:?:
26. Veloo ( 20/03/2006 17:20)
sousou za mbola tsy nahita, tssssss ko tsy vo maika vonoiny eo ve aky?8O
27. Fiffi ( 21/03/2006 11:16)
Veloo: ka zay mihintsy , fa aza mba sendran'ny vhv manao karaté an!
28. ari.malala ( 22/03/2006 11:21)
mino:

Fa maninona tokoa ary no vitsy ny vehivavy sahy mitory?!!!




Be fandeferana loatra ny vehivaavy e, dia ao koa ilay hoe ny ankizy no jerena, mbola mitoetra ihany koa ilay hoe ny tokantrano tsy ahahaka, dia ao miaritra ao!Mampalaelo mintsy!
29. Fiffi ( 22/03/2006 15:22)
ari.malala: fa ny mahagaga akia dia nahoana ary no tsy mba be fandeferana koa ny lhl ? fa ny vhv foana no mandefitra ?
30. ari.malala ( 23/03/2006 05:33)
Fiffi, asa mintsy aky a! efa nature ny vehivavy angamba ilay mandefitra dia manararaotra ry zalah! Fa @ zao fotoana izao toa ef atsy mandefitra intsony fa efa sahy mitory ny vehivavy ka! Vao hitako t@ gazety teo fa nisy vhv nitory ny vadiny indray zao.
31. Fiffi ( 23/03/2006 05:43)
ari.malala: be fo ny vehivavy dia io no mahatonga azy manararaotra , tsara kosa izany an! dia tokony izany foana no hatao ary enganie ka mba ho hitan'ireny lhl ireny izany fitoriana izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1641