hono hoa r'ireto reflxion-ko personnelle ity?

1. gasypantin ( 10/03/2006 14:19)
Niteraka resa-be mihintsy ilay reportage FR3 t@ alatsinainy lasa teo iny .Fa ny ahy ny fanontaniana mba apetrako amintsika mianakavy dia izao: naninona noho ny vazaha no nicommenté sy tompon'ny fandaharana dia be commentaire isika mianakavy fa mbà imaginéo fa gasy no nicommentér sy tompon'ny fandaharana ohatra nalefa t@ TVM na RTA ilay émission ,angamba ny taux d'audimat aloha dia ambany fa ni zapp émission hafa daholo isika rehetra.
Tsy nianatra école de journalisme ny tenako ,fa ny hitako dia nirespecter tsara ny déontologien'ny fanaovan-gazety ilay reporters vazaha,en plus tsy chroniquers politique fa tena olona neutre.Naka thémes maromaro izy fa tsy ny fahantràna ihany no tao.
Ny fanontaniana faharoa mipetraka dia mbà imagineo ary fa ho alefa any MADA iny émission iny vérsion originale andao atao hoe ny tvm no mandefa azy ?inona no hiandry ny rédacteur en chef ny tvm ny ampitso?
Trafo-kena omena ny mahery tompoko ambava homana am-po mieritreritra .Reflexion personnelle ny ahy mety diso mety marina:{
novalian'i Achia ny 28/03/2006 14:10
2. Fiffi ( 10/03/2006 14:56)
ialy fanontaniana voalohany kosa aloha dia mazava ho azy eh! vazaha no nanao azy ary tompony koa ka izay nanaraka dia normal raha samy nanome ny heviny satria be ny halahelo mahita ny fiainana , ka mbola tsy nandeha t@ chaine gasy kosa ary ilay izy ka @ fomba ahoana moa no tokony hanaovana commentaire an'io ? na hoe heritrereto fotsiny aza . Raha aty ivelany aloha dia na gasy na vazaha ni-komenté an'io dia mino aho fa mitovy hiany ny hevitrin'ny namana izay namaly teto eh!
Ny fanontaniana faha 2 aloha dia toa ho sarotra ny hamaly azy eh! amiko aloha dia mety hisy fihatraikany ve io raha alefa ao @ tvm zany ?
3. xxx ( 10/03/2006 15:11)
inona no nialàn'ny PELAMIALY tao @ mbs ..dia inona koa no nahazo an 'i JOHARY tao @ TVM izay mahalàla no aoka mbà hamaly !
4. kitjo ( 10/03/2006 16:13)
raha any Dago iny no nandeha dia tsy tena ho toy izao ny fiantraikany satria isika samy isika ihany no mahita azy.

fa amzao fotoana anefa dia efa miova ihany koa ny toetsain ny Gasy na hoe zava-misy aza iny.
Jereo ity:
http://www.sobika.com/fich_news/v2/news_721.htm

Hafa mihitsy ny vokatr' ilay izy satria tsy Gasy ihan no mahita ilay fandaharana fa misy ol hafa. Ka ny imagen' i Madagasikara dia izay fahitany azy araka izay lazain' ilay tele satria izay ihany no hitany.

za ary tsy nahita an' ilay izy fa resume t@ internet fts kanefa miombon-kevitra @ reo namana izay sosotra kosa aho ary misaotra an' ny ambasady nanoratra an; io taratasy io satria aleo hitan zareo oh zao mihitsy hoe mba sahy manakiana azy ny Gasy fa tsy manaraka fts sy manaiky fts.

Raha aty Singapour fts no lazaina oe Madagasikara iznay dia gaga ry zareo hoe avy any Madagasikara satria ny fiheverany an' izany dia hoe "junggle"...tsy misy olona"human being" fa ala sy biby fts.
Satria tsy mahalala afatsy ilay "cartoon" ry zareo ary tsy misy mahadiso azy raha mihevitra oh zany izy satria izay ihany no hitany t@ ilay izy. Fa anjaranao no mampahafantatra azy.

ka oh zay koa ilay fandaharana iny hoe ho an' olona "tsy GAsy" izay mahita azy dia ireny "image" ireny ihan no ahalalany an' i Madagasikara dia ekenao ve iznay raha resaka Relation internationale zany @maha_Gasy anao?
Raha hiteny ianao hoe Gasy dia ozizy hoe "Dia enao koa ve mitsindroka zoridira na ny fianakavianao any Madagasikara"
Mety ampiany fts hoe "sa ianao fianakavian' ny mpitondra? bla bla bla"
5. kelyfadada ( 10/03/2006 17:03)
Tsy azo sarontsaronina intsony ny zava misy. Nahoana ny fahefana no tsy entina manova ny fotom-pisainana lomorin'ny fahantrana: Raha maty aho, matesa rahavana, raha maty rahavana matesa ny omby, etc... Soa fa mpanao gazety vazaha fa raha ny gazety gasy dia very andro miandry teny latsaka sy izay loza mitranga, sitrany ahay misy mividy. Tsy lahatra ny fahantrana fa safidy diso lalàna.
6. pisopiso ( 10/03/2006 17:49)
Tsisy koua! zany rangaha zay ataon-ny vazaha any dia hataony a! tsy misy tokony hafenina ireny fa ny nahafinaritra aloha dia hita fa niraiki-po tanteraka t@ hakanton'ny zavabohary le vozongo!! ary gaga izy fa tena mora hatramin'ny frais ny taxi sns.... ka iza koa anefa ny vazaha surtout frantsay ka tsy te hanorimponenana any Dago na dia taona vitsivitsy fotsiny aza?? paradis fiscal ange ny any e!! sns.... rehefa avy eo tohiziko....
7. xxx ( 10/03/2006 19:24)
Eny mety betsaka no tezitra nahita ilay reportage. Raha izaho manokana aloha de milaza hoe tsy misy mahadiso an'ilay olona nanao an'iny, sady izay hitany no nasehony, tsy hoe namorona izy.
Tsapa izany fa betsaka ihany ny Malagasy tia any Madagasikara, ka malahelo raha misy zavatra ohatra ireny.
Raha tian-tsika hiova ny fomba fijery ny olona avy ety ivelany momba an'i Madagasikara malala-tsika de ny hampiala azy @ fahantrana no hiezakana atao. Fa tsy ny hanafenana ny zavatra misy sy iainana ny mpiray tanindrazana.

8. mirana5 ( 10/03/2006 20:01)
Raha ny hevitro ndray dia tsy misy tokony hahamenatra ireny , ireny ny zava-misy ireny ny zavatra marina ihainany Malagasy sasan-tsasany, aleo ho hitam-poko ho hitam-pirenena, Basy an tifi-kavana tsy afenina fa arangaranga, ary enga anie ka ampisaina ny ampisy DECLIC ao anivon'ny Ministere voakasika tsirairay avy, ka samy andry ny andrakitra nankinina taminy azy fa tsy ho faly manafana ny toerana nomena azy fotsiny sy ameno ny paosiny avy fotsiny oatran'ny .....HATR IZAO:-w:-w:-w
9. Robert ( 10/03/2006 20:39)
Tsy tokony ahamenatra tokoa ireny, fa zavatra misy sy iainana ny mpiray tanindrazana.
Ny zavatra tokony resahina manomboka izao de hoe inona ny anjara andraikitra azo raisiny tsirairay mba hialan'i Madagasikara aminy fahantrana na ny mba hanampiana ny fianakaviana na ny mpiray tanindrazana. Eny andraikitrin'ny mpitondra fanjakana hoy ny sasany.
Tsara mba alain-tsika tahaka izao ohatra ny atao-dry
Philipe sy Mathieu RAZANAKOLONA http://www.radio-canada.ca/sports/ski/2006/01/23/001-madagascar.shtml
Misy vidéo azo jerena io


10. RADOUXE ( 10/03/2006 20:49)
Aody ary e zao le izy e na faly tsioa na tezitra dia ataoko angamba fa samy tia ny tanintsika daholo eto sa misy tsy tia kosa ,enga anie ka tsy hisy zany ,ka amiko le izy d dia fitiavana daholo fa ny hevitra fotsiny no tsy nitovy e ,ary io ko tsy hitovy mitsy daholo e ka ny mety dia ny mandinika ny hevitry ny namana fa tsy tonga dia manda fotsiny na manaiky ko fa tsy misy nateraka ho tanteraka tsika rehetre d zay fa tohizo ny resaka dia aza mifamaly;-)
11. zandikely ( 11/03/2006 05:58)
Voalohany ialako tsiny fa tsy hitako aloha ilay fandaharana.
Raha amiko manokana tsy ilaina ilaina ny fandefasany Ambassade iny taratasy iny. Ny antony :
1-Tsy namorona ny journaliste fa milaza zavatra misy
2-Ny journaliste ange dia milaza zavatra tsy mety mba hahatonga saina ny olona tsirairay na mpitondra
3-Ny journaliste dia tsy hitoraka voninkazo ny mpitondra ny asany.
Fa raha izaho aloha ny ambassade dia mba nanafatra journalistes TVM hoe mba mandeha any France, maka sary ny logement hipetrahana olona sasany any France, trano efa ratsy feno voalavo, ny WC tsy misy rano, efa tsy misy fiarovana aminy afo... Avy eo mba alefa any Madagascar dia milaza hoe io ny zava-misy any France.
Na hoe ny Frantsay koa ange mba havanany aminy fandorana fiarakodia, taiza ianareo mba nahita firenena mandoro fiarakodia 2000 anatiny 2 herinandro, any France ihany no ahitana izany, na any Iraq aza tsy mano an'izany.
Iray sy iray ny baolina amin'izay.




12. vancleef ( 11/03/2006 07:54)
Tsy mila mandefa journalistes-ny TVM akory ange fa efa feno ny reportage momba an'ireo nandeha. Mankany @ banque d'images et d'echanges fotsiny. Tsy eto Frantsa ihany fa any @ toerana hafa koa nahita cadre japonais au chomage dia matory ao ambany baoritra eny @ lalana.
Ny zavatra tsapako tamin'ilay taratasin'ny ambasadaorantsika fotsiny midoka an'i France Televisions izy rehefa manao reportage momba ny ragidro na tanalahy sns dia enti-mpofona rehefa miresaka ny fahantrana any Dago
>>Tout particulièrement, quand il s'était agi de montrer une certaine misère à Antananarivo, la capitale, et à Ilakaka ("Nouvelle Ville" crée de toutes pièces du temps de l'ancien régime pour l'exploitation de gisements de pierres précieuses dans le Sud-Ouest du pays), le reportage s'y est appesanti (sic) si lourdement et avec tant de complaisance que, ainsi d'ailleurs que le commentateur l'a souligné de façon outrageusement erronée, Madagsacar est tout simplement présenté comme "le pays le plus pauvre du monde".

Tsy misy zavatra hatao ve izy akaotran'ny representation diplomatique ohatra manao lobbying afatsin'ny miady varotra hoe 181ième fa tsy 191ième sur 191 i Dago diay journaliste tokony niteny hoe:
un des pays le plus pauvre du monde fa tsy le pays le plus pauvre du monde. Amiko dia manque de tact et de diplomatie io
13. sipagasy ( 11/03/2006 11:43)
vancleef tena marina atokoa ny teninao fa ny aty frantsa anie dia misy matetika tokoa ny reportage maneho ny fahantrana aty e!??? ka inona marina aza ilay olana????? sa ny an'ny hafa tsy mba nahita izany nitsindroka izany fa tonga dia sotro volamena sy 4x4 sy tsy haiko no nilatsaka avy aiza ho azy???? mba mihevera ihany e! alalino fa tsy ilaina akory ny fanenjehana ny mpanao gazety maneho ny zavatra misy sy iainan'ny maro fa tsy ny vitsy an'isa mpitaingina fiara akory e!

"Fa raha izaho aloha ny ambassade dia mba nanafatra journalistes TVM hoe mba mandeha any France, maka sary ny logement hipetrahana olona sasany any France, trano efa ratsy feno voalavo, ny WC tsy misy rano, efa tsy misy fiarovana aminy afo... Avy eo mba alefa any Madagascar dia milaza hoe io ny zava-misy any France." Zavatra iainana anie ireo e! ary ataoko fa tsy mba nanafina izany ny frantsay akory, ny any @ tanàna anie no mety mihevitra fa tany paradisa i lafrantsa e! fa iza no nanitrika izany tan-dohany raha tsy izaho sy ianao monina ivelan'i dago ihany ka mizesta rehefa tonga any lasa entrepreneur ny sasany na koa tsy haiko rehefa miserana manao vakansy any fa tsy mahasahy milaza fa livreur ny asa izay ataoko fa tsy mahamenatra satria asa ivelomana andraisana karama fa tsy hataka akory ny atao?????

koa samia mieritreritra fa tsy dia faly ny hitsikera fotsiny be fahatany tsssssss
14. xxx ( 12/03/2006 07:58)
ambassadeur de Madagascar = ambassadeur an'ny mpanakarena? :-D dia mirediredy toy ireny koa ve ny ambassadeur an'i France isaky ny ataon'ny télévision americaine hoe mahantra sy pays agricole i France? :-D angamba tsia satria izy misy atao! :-D

izao vao fantatro hoe mampihatsaravelatsihy sy maha-complexé anie ity fahantrana ity e! ry zareo migilabona sy be paosy alaina sary fa ny mpitsindroka aza asiana resaka?

ny fahamatesa-kambo sy henatra vahiny ve dia hamoizana ireo mpiray tanindrazana mitrongy vao homana ara-bakiteny?
ml
15. vancleef ( 12/03/2006 08:15)
>>> ambassadeur de Madagascar = ambassadeur an'ny mpanakarena?
Izaho tsy miteny an'io kosa. Na mankasitraka an'i Ra8 aza aho (Faute de grives on mange des merles) rehefa misy tsy mety ny antaony mpiara miasa aminy dia lazaiko fa tsy manao nei ouioui fotsiny
16. kitjo ( 12/03/2006 14:16)
hiantso mpiasan' ny TVM? tsy rpofessionel zany!

tsy mifankahazo ny resaka e! samy manana ny heviny sady efa samy niteny daholo fa tsy akory hoe kianin ailay mpanao gaztey satria maneho ny marina...zavamisy tokoa ilay izy fa ny effet-ny iadian-kevitra...tsy misy hidiran' ny politika fa hoe "Ho an' ny olona tsy mbola naheno mihitsy iznay hoe Madagasikara izany dia "Tsindroka zoeiridra no iainanan' ny Malagasy" izay no ahalalany azy noho ilay fandaharana"

Araka nolazain' ny namana sasany fts hoe raha mba nasehony teo moa ny sakafo nohaniny sy ny bungalow tsara tarehy nipetrahany sy ny sasany @ olo-malaza Gasy , ny "hospitalite" nandraisan' ny Gasy azy sns!

Raha resaka professionalisation dia tena tsy any mihitsy ilay izy raha ny fototr' ilay fandaharana fa misy "zavatra mifono" ambadika satria akaiky ny fifidianana raha atao ny Analyse politique
17. Rainikarabo ( 12/03/2006 15:05)
kitjo>Ilay "zavatra mifono" ambadika izay mihitsy, satria ireny sary nasehon'ny FR3 ireny dia nalaina tamin'ny 2001 ...dia 2006 aseho ary lazaina ihany koa fa misterin'ilay nosy lehibe! mahagaga ihany.

xxx,ml> samy manana ny fijeriny ny tsirairay fa aza dia manao eson-teny be loatra fa samy malagasy tia tanindrazana no maneho hevitra eto.Omeko ohatra nefa ianao, faly be zany ianao raha misy reportage mikasika ny fiainana gasy iray (sahirana mafy ao Paris:manenjika fianarana,asa, tsy ampy torimaso, ny efitra zara raha misy 5m2, etc...) dia iny no lazaina avy eo hoe sahala amin'izao ny fiainan'ireo gasy ao Paris? réalité tsinona no resahina. Ny zavatra sahala amin'izany no atao hoe manenji-dresy amiko satria ilaina fantarina ny "cible" alohan'ny hoe "inona no fandaharana alefanao?". Tsy vao izao akory no fantatra fa firenena mahantra Madagasikara, ka raha hiteny ianao hoe "Mystère de l'île rouge" dia mifanipaka amiko ny votoatin'ilay reportage sy ilay lohateny,tsy ny fahantrana mihitsy no mistery any Madagasikara fa fahantrana izany tsy zavatra vaovao.
Samy manana ny heviny e, fa raha misy tia tanindrazana ianao eto dia mba miezaha mitady hevitra handraisanao anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena.
"Fa ny fireneko tsy maintsy mandroso" hoy ilay Pasitera iray izay.
18. sipagasy ( 14/03/2006 16:19)
i Rainikabaro izany anie ka manao jery vilana e!!!! ny sary nalainy dia 2005 hoy izy ary na dia hoe 2001 aza tsy mbola nisy fiovana firy anie izany e!!!!!! mba mijeré tsara sy manokafa maso tsara fa aza variana anaty fiara be fotsiny fa maro anie ny valala tsy mandady harona no mihamahantra e! nohon'ny t@ 2001 e!!!!
Tsara aloha ilay hoe ny fireneko tsy maintsy mandroso e! fa io tsy vitan'ny vava fotsiny e! mila ny ASA aloha, ka avelao ny te hiasa hiasa ary ny te hitsikera hitsikera hatrany e!
19. Rainikarabo ( 15/03/2006 15:54)
sipagasy > mijery vilana hoy ianao? oviana enao no tany Madagasikara farany? dia sahiko ny milaza aminao fa lainga io 2005 nolazain'ilay mpanao gazety io. Asa fantatrao ve ny Madarail? ny train mpitatitra entana aza efa nandeha soamantsara tamin'ny 2005 ka olona iza no hipetraka eny amin'ny lalamby? Sa rehefa mpanao gazety vazaha dia tsy maintsy hoe marina ny lazainy? andao mba hijery ny lalamby vita tsara sy madio fa aza variana ao frantsa ao fotsiny e, ary ny fampandrosoana an'i Madagasikara tsy vitan'ny sento sy ny tsikera fa raha tia tanindrazana mba miasà dia manaova izay mety ho an'ny firenena fa aza variana milalao internet eo. Rehefa tsy afaka mampandroso firenena dia mangina fotsiny fa raha tsikera be fatany tsy misy soso-kevitra dia hoy izahay hoe "henoy zany ry hazon-damosina".
Zanak'Ampefiloha sy Anosibe ny aty fa tsy hitako izay olona mipetraka eny amin'ny lalamby araka ny sary nasehon'ny sasany izay mahafinaritra ny gasy vazaha ny mijery azy.
"Fa ny fireneko tsy maintsy mandroso".
20. Rainikarabo ( 15/03/2006 16:22)
sipagasy> fanampiny sao tsy arakao ny tantara, tamin'ny taona 2003 no nanomboka nandray ny RNCFM eto aloha ny Madarail , ary isan'ny fepetra napetraka tamin'izany ny tsy fisian'ny olona mipetraka intsony eny amin'ny lalamby.Ka raha 2005 misy olona milaza fa nahita olona nipetraka teny amin'ny lalamby dia gaga ihany ny tenanay. Ary mba manaraha vaovao dia sokafy ny sofina fa aza variana ao frantsa ao fotsiny e!Efa maro ny fiovana nankany amin'ny tsara koakoa (na dia tsy mbola lafatra aza) raha madagasikara no resahina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3202