Tabou

1. Fiffi ( 02/03/2006 08:54)
Tadidiko taloha dia tsy afaka mihintsy ny miresaka ohatra: ny fahafatesana , ny fitiavana , ny fahasalamana indrindra fa ny an'ny tovovavy fa toa "tabou" daholo izany . Marina koa aloha fa hoe ao ny fitenenana hoe " tsy tsara ny filazana ny marina rehetra" saingy miheritreritra aho hoe raha tsy nisy io hoe "tabou" io nety nisy vokany tsara azo @ fiainana. Amin'izao vanin'andro hiainantsika izao ve mbola misy hiany ny "tabou" ? dia inona no zavatra mbola tsy tokony lazaina na ampianarana ny ankizy (io zany ilay tabou) ?
novalian'i Fiffi ny 13/03/2006 20:51
2. booboo ( 02/03/2006 09:19)
oay, mbola misy dé misy tokoa : resa-bola ( karama sns ) ary na ao anatin'ny fiaraha-monin'olon-dehibe aza dia taboo grave io ( tsy ho an'ny malagasy ihany ), secret (s)de famille satria mahamenatra sy manala baraka, sns.
3. Fiffi ( 02/03/2006 10:02)
booboo: tena mahamenatra sy manala baraka : misy aloha dia tena mihevitra an'izany mihintsy eh!
4. Fiffi ( 02/03/2006 10:03)
ohatran'ny an'i akamatiana zao hoe "ditra" lazaina fa ditra ny zavatra hataony nefa tsy omena fanazavana akory izy hoe fa maninona no ditra ?
5. booboo ( 02/03/2006 10:10)
ié tokony hazavaina oe fa maninona no taboo. Ny tantaran'ny fianakaviako zao feno taboo boooobaka beeeeee; Dia mba te-hahafantara la booboo satria tena nanimba ny rohim-pihavanana ilay izy dia tonga dé mahazo valy boraingina oe : tsy an-jaza zany e ! nefa efa samy olon-dehibe izao ! tsssssssss.
6. vale ( 02/03/2006 11:30)
Tena mbola misy io ry Fiffi à, ary tena marina fa vokatr'io fanaknanana sy fanafenana io dia misy fiantraikany ratsy, ohatra fotsiny, "tabou" ny miresaka momba ny "éducation sexuelle" @ fianankaviana sasany, dia inona fa ilay ankizy samy ankizy no mifampianatra izay fantany any, dia io fa bevohoka ilay razazavavy vao gaga ny iray trano, na koa rehefa bevohoka dia manalanala zaza, dia faty no hita vao gaga ny iray trano!(taloha aloha no tena nisy an'io "cas"io, satria betsaka ny tsy lasa lavitra firy @ fianarana)... fa ny tiko tsindriana dia hoe: MISY VOKA-DRATSY ny fisian'io "tabou"io matetika.
7. Fiffi ( 02/03/2006 14:21)
ny fahitako azy aloha dia tena voka-dratsy no azo @ io tabou io eh! afenina indrindra fa @ ankizy izao zavatra rehetra izao , ka tsy mahagaga raha toa ka manao adalana ny ankizy araky ny lazainy vale io.
8. Veloo ( 02/03/2006 20:33)
misy kosa ny mahatsara ny tabou ry reto a:roll:
9. Fiffi ( 03/03/2006 05:02)
ohatra ny inona Veloo ?
10. sipagasy ( 03/03/2006 06:15)
booboo:

oay, mbola misy dé misy tokoa : resa-bola ( karama sns ) ary na ao anatin'ny fiaraha-monin'olon-dehibe aza dia taboo grave io ( tsy ho an'ny malagasy ihany ), secret (s)de famille satria mahamenatra sy manala baraka, sns.



Raha aty @ tany "francophone" aloha dia "tabou" ny resaka vola fa mba mandehana anie any @ tany mpiteny angisy e! fa dia @ fanaovana ny "présentation" dia miarahaba izy mitonona ny asany ny "grade"-ny ary ny karamany izay tsy hitako ny maha olana azy. fa amiko aloha tsy olana ary tsy "tadou" ny resaka vola izany e!
eto aho izao mbola mieritreritra hoe inona re ny "tabou" amiko e!................. ann ok hitako miresaka "sex" imason'ny anadahiko, ankoatran'izay tsy haiko, fa mba lazao hoe ny anareo??
11. Fiffi ( 03/03/2006 07:08)
sipagasy: ie! toa hanahirana tokoa ny firesahana @ anadahy "sex" fa azo lazaina ve aloha io hoe tabou ? fa tsy henatra ? mino koa aho fa samy manana ny tabou-ny isika tsirairay , ka ny ahy andraso hoe heritreretiko tsara alohan'ny hilazako azy.
12. vale ( 03/03/2006 14:16)
Sipagasy à: arakaraky ilay resaka hatao @ ilay anadahy io, (amiko aloha e) fa raha ohatra kosa ve ilay anadahy no mba azo hiresahina sy afaka hicomprendre na resaka sex (tsy resaka veta2 akory nefa an!) dia inona ny olana? hanome ohatra aho an: mbola hiverina @ le oh teo aloha ihany e, hoe bevohoka ilay ankizivavy , mazava ho azy fa resaka fanaovana sex no nahatonga io, dia @ ilay anadahiny nefa izy no afaka mitantara ilay secret, mety mba hafaka hanampy azy @ fandresena lahatra ireo RR ilay anadahy hoe solafaka izy sns, na koa hiaro sy hiteny ilay llahy naha-bevohoka ilay anabaviny...:?:
13. vale ( 03/03/2006 14:23)
Fa io koa wa ry reto rehefa hatao hoe "tabou" dia lasa "tabou" ho azy fa ny anay ohatra izao dia ny RR roa (Dada, mama)miaraka mihintsy no miresaka momba ny fiarahana (sexe) sy izay tokony hatao, mijery akaiky araky ny taonanay zanany avy, raha misy efa manana olon-tiana na tsia ary mampita ny train-kefa fomba nandrindran'izy ireo ny fiterahana sns,(famporisihana ny @ resaka fitaovana toan'ny kapôty sns...) ka hatramin'izao aloha dia tsy mbola nisy ny solafaka e.
14. sipagasy ( 03/03/2006 15:11)
raha resaka fisorohana anie tsy olana ny hiresaka izany à anadahy sy ny ray aman-dreny e! fa ianareo ve kosa aza sahy hitantara à anadahinareo hoe nataon'ny sipako izao za de tsara be snsn ilay "acte" anie ny tiako resahina fa tsy hoe akory inona e! hihihi ka amiko io ny tabou fa tsy ilay miresaka akory fitaovam-pananahana samy manana fa ny hiresaka ilay hoe izao ny "position" tiako ngamba tsy hisy sahy asa mety ho diso anefa aho ny hiresaka izany @ ray aman-dreniny na ny anabavy sy anadahiny, mpirahavavy ok mety miosy mpirahalahy ihany koa fa hoe mpianadahy mmhhhh tsy efako arô e!!!! izay ilay atao hoe olom-pady e!
15. Veloo ( 03/03/2006 15:45)
betsaka ka isika gasy manana tabou betsaka - oatra tsy misolo akanjo eo anatrehan'ny anadahy-nao...etc...
16. Fiffi ( 03/03/2006 15:54)
sady mahamenatra koa eh! sady olom-pady araky nolazain'i sipagasy io.
17. ikalakintina ( 03/03/2006 16:46)
ary ny mifanoroka am sipanareo eo imason'ny anadahinareo ve ahoana? sipa fa tsy vady an!tokony tsy atao ve?
18. vale ( 03/03/2006 17:06)
tsy hitako izay olana @ izany ry ikalakintina:roll:

sipagasy: ka io ange no nahatonga ahy hiteny hoe, tsy resaka veta2 mamoafady akory eh, fa misy ange ny olona sasany na hiresaka momba ny "éducation sexuelle" izany d tena tsy fanao mihintsy @zareo e, ny misolo ankanjo eo misanon'ny anadahy kosa aloha tsy mety kah,hihi:wink:
19. vale ( 03/03/2006 17:12)
Nisy resaka teto indray mpande hoe misy olona tomber amoureux(ses) @ cousin-ny na cousine-ny amiko aloha io cas iray io d tena tsy ekeko satria ny cousins na cousines amiko toy ny anadahy sy anabavy ihany ka tsy tokony hiarahana izany , "tabou" izany io cas iray io AMIKO :{
20. Fiffi ( 03/03/2006 21:19)
ny tsy filazana ny ankizy momba ny fahafatesana koa dia mbola tena tabou be @ gasy sa diso aho ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1377