roland ratsiraka

1. fijo ( 01/02/2006 04:32)
araka ny voalazan'ny "madagascar tribune"omaly,31 janoary,dia toa rano mangatsiaka nalatsaka hoan'ny mpanohitra ny filazan'i roland ratsiraka fa hilatsaka hofidiana izy.
misy aza moa no nilaza fa "kandida satelita "indray io.
ka lasa ny saiko hoe ,ahoana moa no hanantenan'ny mpanohitra handresy sy handray fahefana,raha mifampiahy toa io ry zareo??????
ny sasany milaza fa hilatsaka,ny hafa milaza fa tsy ilaina akory ny fifidianana,ny hafa koa handray anjara ihany,fa tsy mila izay nilaza fa hilatsaka.nefa rehefa tonga ny fotoana dia samy handray anjara eo ihany,dia ho gaga avy eo raha zara raha mahazo isa3%
dia lasa indray ny hoe halabato tatsy sy teroa.
novalian'i fijo ny 08/02/2006 04:20
2. Fiffi ( 01/02/2006 06:38)
ka io no maha-politika azy
3. ravatorano ( 01/02/2006 08:49)
:-D:-D izy aloha dia izay
fa aleoko lavitra aza i rolland ratsiaraka toy izay ireo mpanohitra ireo fa manao politika poakaty sy mandrangitra no adin ireo :-D:-D:-D
4. eprom ( 01/02/2006 09:26)
Matahotra an'i Roland ny mpanohitra, satria ny anarany fotsiny de ahazoany 25% @ fifidianana. Ry zalahy anefa mba nanantena ny ho kandidan'ny mpanohitra.
5. Ragadona ( 01/02/2006 10:38)
Za alo mieritreritra hoe tsy hilatsaka zany Rol Ratsiraka fa misy antony hafa io(?)ka izay no nihazakazahany namoahany azy tampotampoka teo fa refa tena ho raikitra ny tokoa dia mamorona olana hialana am zay izy. Tsy misy lalana mandrara azy am zany tsinona, toy ny nataon dRatsirahonana reny
6. jentilisa ( 01/02/2006 11:52)
Hitako fa tena hirotsaka kosa izy na dia he fomba hodian'ny dadatoany eto Dago fotsiny aza.
7. Ragadona ( 01/02/2006 11:55)
Ka dadatoany anie efa be taona ka tsy hisy tombony ho azy ntsony zany e
8. jentilisa ( 01/02/2006 11:56)
hafa kosa ilay hoe mody an-tanindrazana e! voninahitra koa izany!
9. lapino ( 01/02/2006 14:36)
Miandry hantsoina hody angaha ilay ra-dadatoany? :wink:
10. indih ( 01/02/2006 15:17)
resabe daholo ny an'izay hilatsaka eo fa toa tsy mahita zavatra haroso daholo ireto izy fa tsy misy afatsy ny mandrangitra fotsiny no ataony.Aiza daholo ny zavatsoa narosony ? to tsisy fa ilatsaka fotsiny ary ny an'ny sasany aza tsy mahay afatsy ny teteza mita refrain efa lany daty! d ilahatra sy grevy sns... zany v d hisy antenaina? to normal ihany ra fanina ry zalahy @ravalo ra toa izao! Manaova asa soa ry nga rolland d tohizo izany asa soa izany d toa izany koa ny sasany d hitanareo eo ny fiodin'ny tantara ra izany no vita eo! fa ra izao aloha dia ilatsaka arabakiteny fotsiny nga rolland fa angamba tokoa mba hamerina ilay radadato no tanjona e!! izay no asa soa azontsika andrasana aminy d tafita ny firenentsika! milay b zany kah!!! hihihi!!!!
11. zandikely ( 01/02/2006 17:07)
Avelao mba hisy Candidat tanora fa azy dia ireo goika antitra ireo foana ve. Sady Roland Ratsiraka, tsy fanatique fa olona mba misaina raha manao zavatra, izao aza tsikeraina izy fa nanangana saina Fotsy, taminy fahatongavany greviste taminy 2002 tao Toamasina.
Zavatra tsy maintsy ataony, dia miezaka mba ho fantatra any aminy provinces hafa.
12. fijo ( 01/02/2006 19:43)
eprom sy zandikely.za koa dia io no fomba fanoherana tiako.ny mahagaga anefa ,dia ny AREMA no voalohany tena tsy mankato io filatsahany io.ka inona ihany aza no tena tadiavina eto e.
raha hilatsaka tokoa lery.ny mpomba an'i pierrot rajaonarivelo ve,hanohana azy?????? ary ry zafy ve hankasitraka izany koa????????
13. eprom ( 02/02/2006 06:15)
fijo> hatramin'ny voalohany no tsy lanin'ny vavon'ny Arema mintsy i Roland. Noheverindrin-dry zalahy fa chasse gardé-any mantsy ny betsimisaraka. Nony tonga anefa ny TTS (ny antokon-droland io ) de voatery nifampizarana izany ny mofomamy. Resin'i Roland ohatra ny kandida Arema t@ fifidiana ben'ny tanana 1999. Deba t@ izay tsy nikôzy. Tamin'ny 2002 ireny moa de tsy niditra lalina koa leiry. Tsy nanakana ny Kmmr/Kmsb hilahatra izy. Tsy nahafaly ny ekipan'ny governora izany. Fanitsiana : ilay "saina fotsy" de tamin'ny fahatongavan'ny rezervista fa tsy grevista toy ny voalazan'ny zandikely akory.
14. Stone ( 02/02/2006 17:05)
tsara mihitsy ny filatsahany ho kandida, toa serieux ihany lery aloha, dia hita eo ny tohiny, @izay koa mba mety mifampitana eo izy sy ra8....
15. Veloo ( 02/02/2006 20:20)
:roll: inn ko ve de ahavita ny nataon'i ra8
16. fijo ( 02/02/2006 20:53)
veloo aleo aloha tsy mitsara,fa tsy mbola hita izany.
eprom,ka ny olana amin'ny AREMA anie dia izao e.zatra nanompo olona tokana,ka raha tsy eo intsony izany deba,dia hoaiza???????
17. eprom ( 03/02/2006 04:05)
fijo> tsy ny Arema irery fa ny gasy mintsy. Raha tsy eo izao Ra8 de hipatitaka ny tim. Tsy fotokevitra no idirana antoko fa olona.
18. fijo ( 03/02/2006 04:14)
loza.
ka le izy koa letsy ,le politika mbola fitadiavana seza no marina an.hany ka tsy manana fotokevitra,fa misisisisika eny amin'izay ahitana toerana eny
19. danibe ( 03/02/2006 15:38)
8O8O8O8O8O8O8O8O
20. Fiffi ( 03/02/2006 16:13)
danibe: an3 marina kosa anie io lazain'i fijo io e! ary tena hita fa tsy manana marina izay fotokeviny fa dia ny hisisika fotsiny no hataony. Jero fotsiny aza hoe ny zava-nitranga t@ fitondra ratsiraka ireny , fa tena sahisahy aloha i roland e! satria raha vao vatany maheno resaka ratsiraka ny olona dia miverina avokoa izay tiana rehetra mba saika hadinohina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0511