Mitady boky Tompoko

1. Solitikabe ( 19/01/2006 22:32)
Izay mba manana ity boky ity na mahita ny dika mitovy aminy dia aza fady indrindra manorata eto
"Histoire des Afomarolahy: Clan Tandroy, extrême-sud de Madagascar"
Misaotra mialoha Tompoko
novalian'i Ralay ny 20/03/2006 13:40
2. revit ( 20/01/2006 03:03)
Tsy mahita aho tompoko
3. miarina ( 20/01/2006 12:41)
Izaho koa tsy mahita tompoko lol
4. Veloo ( 20/01/2006 17:16)
zako tsy mahita tompoko.. Sorry!!!!
5. jennifer2 ( 22/01/2006 03:59)
any @ bibliotheque national angaha tsy misy?
6. Solitikabe ( 22/01/2006 14:47)
Misaotra @ valiny, saingy mbola tsy nahita koa raha sendra manana namana nanao tantara ianareo dia aza fady mba ialazao any, sao mba mety manana hevitra ry zareo.
Misaotra eh
7. miserana ( 23/01/2006 20:23)
Hay dia efa manana tompny bedabe solitikabe an, tandremo marina aza sao misolo=itika refa mihinana an.
8. maintsokely ( 13/03/2006 07:29)
Manao ahoana
Jereo amin'ity catalogue ity
www.sudoc.abes.fr
Io izany ny cataloguen'ny bibliothèque universitaire eto Frantsa. Eo ambany eo misy hoe "localisation" dia azonao jerena eo ny bibliothèque misy azy. Raha any amin'ny toerana misy anao moa ilay bibliothèque dia azonao aleha avy hatrany. Raha tsia kosa dia afaka manao prêt entre bibliothèque ianao (PEB) any amin'ny oniversite amin'ny toerana misy anao. Raha toa moa ka tsy étudiant intsony dia mitadiava étudiant afaka manao PEB.
Mazotoa e!
9. Fiffi ( 13/03/2006 07:33)
toa tsy hitako ila hoe "localisation" ?
10. soanja ( 20/03/2006 13:29)
Sao mba misy mahafantatra aiza no ahafahana mividy baiboly Malagasy katolika aty Amerika Avaratra (USA)azafady? Na efa tonta aza dia mety. Soanja.
11. Ralay ( 20/03/2006 13:40)
Miandrasa kely fa misy ny namana avy any USA hamaly anao eo raha vao mahita an'io fa ny torohevitro dia aleo angamba manafatra no haingana Amen.:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2681