raharaha Voninahitsy J.E.: fantaro ny marina...

1. Bocassa ( 04/01/2006 08:10)
Mazava be ankehitriny fa matahotra ny tsy ho lany intsony ny pdent Ravalomanana. Mitady lalana fatratra mintsy izy noho izany. Fantany tsara fa Atoa Voninahitsy J.E. no tena gaigilahy amin' ny resaka politika amzao fotôna zao. Io député io mantsy dia tsy mitsitsy vava avôka mintsy rehefa mivory eny amin' ny Assemblée nationale. Teny fanakianana no tena mampalaza azy. Fanakianana mitombina anefa fa tsy fanaratsiana akory! Amin' ny maha-député azy dia zony ny mitsikera ny asan' ny governemanta. Ny fivorian'ny députés dia mandeha direct ao amin'ny TVM. Noho izany, tsy misy tsy mahalala ny faharatsian' ny governemanta. Mahalala izany dôly ny vahôka malagasy. Ka izay indindra no mampanahy an-dRa8. Dia naleony nanagadra an' i Voninahitsy. Tsy mety anefa izay. Tsy tokony hahatahotra mintsy izy. Matoa izy matahotra dia nanao ratsy izany! Mahana ihany ny mpanao ratsy hoy ny fitenenana...
novalian'i Achia ny 25/02/2006 07:29
2. rpk ( 04/01/2006 08:41)
eh, ka vavany fotsiny izany fa tsy misy asa natao ko! de raha tena gaigilahy @ resaka pôlitika koa izy izany de tokony tsy ho nigadra e! na nitrôtra namonjy namoaka azy tao antanimora daholo ny vahoakan'antananarivo :lol:
3. joyx ( 04/01/2006 08:54)
tratry ny taona e!
ô ry ngahy, hoy ianao hoe matahotra ny tsy ho lany intsony ny président, de lazaiko aminao marina fa mba olokafa ahay no mety atahorana fa tsy ny député voalazanao io akory, be vava fotsiny io fa tsy de hoe inona loatra e fa de aza jamba toy io ianao. omeko ohatra akaiky ianao ?
iny raharaha fisamborana iny ihany, hitanao rehefa hamandrika voalavo ianao ? de izao no ataonao : jerena aloha ny lalany isan'andro, matetika eo amin'ny misy sakafokafo eo foana o misy azy, de repérer-nao iny lalany mahazatra iny, de apetrakao eo amin'izay ny totamboalavo, misy voalavo fetsy , matahotra ihany izy de jereny fotsiny ny tota de lasa izy, fa ny voalavo tsy ampy fisainana sy dondrona tonga de mihinana fa efa zatra ny lalandririnina, ary de tratra ny fandrika soa amantsara, izany hoe efa fantatra mialoha ny lalan'ilay voalavo de eo no apetrakao ny tota, tonga de tratra mihitsy, toy izany koa io olonao io, efa voatsikilo matetika ny lalany sy ny fombany khany ka moramora ny nametraka ny tota famandriana azy, saigy vendrana koa moa ilay fandrihana ka avy de ninana, kanjo voaketoky ny tota tao, de atao ahoana fa any amponja aloha mieritreritra hoe, dada koa iny, tena tsy nisaina koa za zany;
ka izany ve no tinao hitondra firenena, mpivaro dronono de nahafitaka azy hi hi, mba mieritrereta rangahy ty vao mba miresaka fa mahamenatra ra tanora toy isika izao no fohy fis
4. xha ( 04/01/2006 09:39)
Fantaro marina tokoa re ny marina fa aza mihinana am-bolony fotsiny eh.Raha mba fantatrao tokoa iny Rangahy iny dia tena tsy niaro azy.Ary raha fantatrao ny ato hoe mpanao politika gasy dia tsy ho tia azy ireo intsony ianao .Totakely any ireo ry zalahy eh!Ahoana hoy lay mpihira iray izay"Raha te hanakarena dia manaova politika" izany ny antsika eh!Ka aiza isika no handroso ry zalahy ah!
5. hery ( 04/01/2006 09:39)
Bocassa> Tena azonao antoka ve fa gaigilahy amin\'ny resaka politika tokoa i VJE ? Toa efa mba ela ihany mantsy izay nanaovany politika izay fa toa tsy misy fiovana mihitsy.
6. jentilisa ( 04/01/2006 09:40)
Tsy izany rahateo no marina fa ny eritreretinao ho marina! fandikana ny zava-misy daholo izany!
7. papala ( 04/01/2006 09:47)
Ny ahy ny mijery azy ao @ télé rehefa mivory ry zareo no mahagaga ahy, fa tena tsy misy fomba mihintsy !
8. naritsimba ( 04/01/2006 10:06)
ny pôlitika ange zareo ka manalasala toa sahafa ka ny nlamosina indray no mibontsina e!

Tahaka ny voalavo mitsoka sakay io ka herintaona mikohaka ihany, koa manaova izay sahy fa ny sahy maty no mifono lambamena e!
9. lapino ( 04/01/2006 10:12)
naritsimba:
manalasala toa sahafa ka ny nlamosina indray no mibontsina e!
Tahaka ny voalavo mitsoka sakay io ka herintaona mikohaka ihany

=))
10. ido ( 04/01/2006 13:49)
Zao fotsiny ry Bôka â! Mila raharaha ianao raha izany no mba sujet entinao eto. raha izaho ianao dia izao no atao : mividiana ordi be dia be dia mividiana matos raitra be ahafahana manao conex @ internet any @ tany lavitra be dia mividiana koa groupe electrogene. rehefa azo daholo ireo dia manangana cyber any maintirano fa any ianao mety hahazo sitraka be dia be . Mba jereo anie ny akanjo nanaovan'i VJE t@ poster-ny t@ propagandy ê! Ny bokotra @ palitaony aza tsy mitovy koa iza koa no olona hanaiky an'izany ho president de la republique raha tsy efa olona sanana ? Ireny no atao hoe vedette t@ "âge des pierres" raha tsy mahalala ianareo.
Soa ihany misy chaine betsaka @ tele eto tanà fa raha tsy izany lasa nividy tele foana aho fa isaky ny miseho eo ny sarin'ingahy iny dia vakiako ny télé!
11. fijo ( 04/01/2006 18:49)
ny ahy ny mampalahelo ahy dia izao.mbola misy gasy variana sy mankasitraka olona tsy dia misaina toa ireny.mba jereo daholo anie ny teny sy toetra aseon'ireo mpanohitra ireo e.
tena mampalahelo fa,raha ireny no hisolotena an'ny madagasikara dia vao miha isika miverina amin'ny taonjato lavitra tany aloha tany.
12. ido ( 05/01/2006 04:35)
Ny tena mety angamba dia izao e: andao tsofaina ny faritr'i maintirano dia aterina any centrafrique dia @ zay mifanakaiky tsara i VJE sy i Bocassa. Sa tsy zany ?
13. fijo ( 05/01/2006 04:52)
gay gay gay ,aoka marina ,aza ariana any fa misy olona misaina ihany ao ka.
14. jentilisa ( 05/01/2006 12:30)
ary iza indray izany milaza ho mahita bokotra tsy mitovy izany?
15. ravatorano ( 05/01/2006 13:22)
fijo
16. pitchou ( 05/01/2006 17:48)
tssss! VJE kosa v rangah no atao ohatra! tsy aleo indray mieritreritra ny styl hataon'ny mpanohatra rahampitso sy @ mi-janoary?
17. lapino ( 05/01/2006 18:23)
jentilisa:
ary iza indray izany milaza ho mahita bokotra tsy mitovy izany?

Eny hoà, vehivavy ahay dia azoko ihany :)
Fa VJE ve?! tssssss :-D:-D
18. fijo ( 05/01/2006 21:57)
ny firenena anie ry namana ka mila olona mba hafaka misaina lavitra fa tsy hoe vao tsy mitovy hevitra dia gidraka e.ny manohitra dia asa sy toerana manana ny maha izy azy amin'ny firenena iray.saingy aoka mba fanoherana ampisainana,fa tsy amboletra.izay no tsy hitovizantsika
19. jentilisa ( 07/01/2006 06:54)
Raha mba style CERES tamin'ny androny no nataon-dry zalahy dia mety ho hafahafa kokoa ny fandehan-javatra saingy raha maika hidina an-dalambe kosa...sarotra izany! Ny gasy tsy midina eny raha tsy hoe tena leo tanteraka izy na hoe tiany be ilay mpitarika an-dalambe!

Iza amin'ireo mpitarika moa no tena tian'ny vahoaka ary?
20. rasera ( 07/01/2006 15:30)
Tokony navela nanao ny fihetsehany teo anie ry zareo fa ny olona izay tsy manakasitraka ny fihetsehana tsy manatrika any fa manjary voaisa ho anisan'ny manohana an-dry zareo e! rehefa rizareo sy ny mpanao gazety irery no eny mety ho tsapan-dry zareo fa tsy mahazaka olona firy izy dia mipirina, izao manjary faux pb no misy voasambotra ny gaigy lahy hoe, korontana adim-poko 13 mai, dia lasa any indray no olana vao2
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5309