manadino

1. xxx ( 03/01/2006 17:50)
Misy vehivavy namako izay tiako be mihitsy (vraiment amoureux azy zany zah e). Efa noteneniko izy dia lazainy hoe:"tsy mba mieritreritra izany aminao hoy izy zah satria efa misy olon-kafa eritreretiko any." Olona namanamako eo ihany kanefa ilay olona tiany io. Tena marary be ny saiko mieritreritra azy. Izy anefa olona soa fanahy be ka tsy tiako ny hanimba azy na hankahala azy aza tsy vitako. Fa raha vao mieritreritra azy zah sy ireo zavatra noteneniny,toa te hankahala azy izany zah, te hanao act hafahafa ahafantarany fa mamparary ny foko izy. Tiako hadinoina fotsiny izany izy fa toroy hevitra aho hoe ahoana. Mifankahita foana anefa izahay isan'andro.
novalian'i Fantara ny 13/01/2006 08:14
2. Vahinala ( 03/01/2006 18:57)
Tsy afaka ny mankahala azy ianao sady tsy mendrika izany satria ny fitiavana tsy azo terena akory, tsy naleonao aza ve izy tonga dia nitsotra taminao hoe ts nanana eritreritra ny hiaraka aminao toy izay nanaiky izy d refaveo rehefa mahita izay tena tiany izy dia hilaozany ianao ? Na mifankahita isan'andro aza ianareo dia ny sainao fotsiny amboarina ary aza manova fihetsika fa raha tena tia azy marina ianao dia tsy hisakana azy raha toa ka nahita ny tena tiany izy. Mbola mafana ny fonao izao d sarotsarotra zany, normal io fa ho hitanao refa mandeha eny ny fotoana dia ho adinonao izany. Mahereza
3. hesham ( 03/01/2006 21:06)
ntsooooo aza ankahalaina zany izy fa tiavo fona .
Teneno direct izy ary azavao azy fa naharary anao ny zavatra noteneniny.
4. xxx ( 03/01/2006 22:18)
Vahinala sy Hesham> Fa inona ary ny zavatra azoko atao mba hanadinoako azy e?
Ireo manana experience maromaro amin'ny fitiavana mba manomeza hevitra hoe.
5. jennifer2 ( 03/01/2006 23:17)
i xxxa! mivavaha @' Andriamanitra de ataovy @ fo. Tsy misy zavtra tsy hain'ny vavaka.
6. MAMINIRIANA ( 04/01/2006 03:54)
Salut !

Sarotra tokoa izany manadino olona noeritreretina hiaraka amin'ny tenanao nohon'ny tsy fahafahana hiaraka. Kanefa tadidio fa raha hiaraka aminao aza izy nefa hiaraka amin'olon-kafa dia mety mafy noho izany ny zavatra hahazo anao. Ka hoy aho hoe : "Adinoy amin'ny alalan'ny tsy firarahina tsotra izao no sady miaina amin'ny zavatra izay mahafinaritra anao indrindra". Zavatra efa nianjady tamiko io mahazo anao io.

Mahereza
7. Vahinala ( 04/01/2006 07:31)
xxx:

Vahinala sy Hesham> Fa inona ary ny zavatra azoko atao mba hanadinoako azy e?
Ireo manana experience maromaro amin'ny fitiavana mba manomeza hevitra hoe.



Rehefa tena tsy zakanao ny mahita azy matetika dia tsory aminy mazava hoe aleo aloha tsika tsy mifandray be mandritra ny fotoana fohy satria hoe tsy mety ny saiko fa za efa nilaza taminao fa tia anao nefa ianao raikimpitia amin'olonkafa dia lasa marary fo be hoe za, tsy atao maharava ny maha mpinamana anareo anefa zany fa rehefa afaka fotoana vitsy any dia afaka ho azy eo ihany ny alahelonao ary mety ahita izay tena anjaranao koa aza ianao, dia ho adinonao hoazy izy e ! Ary aza alefa be loatra any aminy foana koa ny saina fa manaova zavatra mba hahavariana anao. Aza kivy fa na za aza efa voan'ny ohatr'izany.
8. ari.malala ( 04/01/2006 07:42)
aza ankahalaina izy fa ny fitiavana tsy raikitra tsy maharatsy fiahavanana e! ny fomba anadinoanao anazy, io tenenin'i vaihnala io, aza d mihana matetika @ alo mandritra ny fotoana elaela, d manaova zavatra foana mba tsy ifantohan'ny sainao any @. Zay fa mahereza e :)
9. hesham ( 04/01/2006 09:22)
Miombonkevitra @ vahinala koa za .Resaho tsotra fotsiny izy dia azavao anazy ny ao amponao de aza mitady na miresaka aminy mandritra ny fotona ela2 . Fa za ary mieritreritra mety ho tonga saina kely izy raha mody tsy rarahinao kely mandritra ny fotona ela2 kely (mety alahelo ) anao izy .Mahereza eee .
10. ajnah ( 04/01/2006 11:11)
tena miombon-kevitra aminareo koa ah, fa zao fotsiny koa no anampiako kely azy e! miezaha mifanerasera @ namanao hafa dia mba very dia kely ianao, de aveo mety hahita ny anjaranao ianao, fa tadidio fa ny fanafodin'ny fitiavana nge ka fitiavana ihany e! Afaka ho azy ny aretim-po manaikitra anao lava io refa mahita ny tena fitiavana anjaranao ianao. Zay ihany e! de aza kivy fa mbola tsy lay anjaranao iny matoa tsy raikitra e!
11. Vahinala ( 04/01/2006 11:14)
ajnah:

tena miombon-kevitra aminareo koa ah, fa zao fotsiny koa no anampiako kely azy e! miezaha mifanerasera @ namanao hafa dia mba very dia kely ianao, de aveo mety hahita ny anjaranao ianao, fa tadidio fa ny fanafodin'ny fitiavana nge ka fitiavana ihany e! Afaka ho azy ny aretim-po manaikitra anao lava io refa mahita ny tena fitiavana anjaranao ianao. Zay ihany e! de aza kivy fa mbola tsy lay anjaranao iny matoa tsy raikitra e!



Wéééé brlavo fa tena marina mihitsy zany ! :wink::wink:
12. xxx ( 04/01/2006 17:35)
Misaotra anareo rehetra e, misaotra an'i vahinala surtout. Ezahiko harahina ireo teneninareo ireo. Lazaiko anareo ihany ahoana no nalehany rehefa vitako izany. Fa sarotra aloha ilay tsy hahita azy fa hoezahiko e! :-*
13. Vahinala ( 04/01/2006 17:55)
xxx:

Misaotra anareo rehetra e, misaotra an'i vahinala surtout. Ezahiko harahina ireo teneninareo ireo. Lazaiko anareo ihany ahoana no nalehany rehefa vitako izany. Fa sarotra aloha ilay tsy hahita azy fa hoezahiko e! :-*



Tsy misy fisaorana fa dia mahereza e, d hilazao vao² tokoa izahay an ! :wink::wink:
14. Veloo ( 04/01/2006 20:47)
vao2 saina zao ka:wink:
15. hesham ( 04/01/2006 23:42)
:-D:-D
16. mandrindra ( 05/01/2006 15:03)
xxx, efa natao daholo ve aloha ny zavadrehetra mba haneken'ilay sipa hiaraka aminareo e. Sao dia indray mandeha fotsiny no nandondona mantsy ka tsisy namaly. Raiso antanandroa aloha ny hery ary asehoy ny mahalehilahy hoe tsy milavo lefona mora foana.
Raha efa natao izany rehetra izany ka tsy mety dia miova dobo fanjonoana fa any aoriana io trondro tsy azo mbola réserva foana.
17. xxx ( 05/01/2006 22:17)
mandrindra> Efa nataok izay vitako, efa tsy te-hisisika intsony lesy zah fa mba manan-kambo ihany ny lehilahy. Efa maetika mihitsy aho no ni-essayer, efa betsaka ny zavatra nataoko, fa tsy mety lesy. Merci-n'la ihany na izany.
18. Vahinala ( 09/01/2006 21:33)
xxx Nanahoana ihany izy tao efa milamina ve e ! :wink:
19. dadabe ( 10/01/2006 07:14)
:D:D
20. hesham ( 10/01/2006 18:46)
Adabohy any refa tsy mety izy fa mety hanenina ihany izy in1 androany ka hitady anao .
Courage de mahereza mitady ny hafa ee
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.494