Teny gasy ihany :-)

1. hery ( 29/12/2005 08:56)
Fampatsiahivana fotsiny ho antsika rehetra fa ny hafatra amin'ny teny vahiny manontolo dia voatery hofafaina.
Dia mba samy miezaka e. Na mifangarongaro eo aza :-)
novalian'i Veloo ny 04/01/2006 15:39
2. ndrena ( 29/12/2005 11:08)
Toa efa misy takelaka manokana kosa ato raha @ tenim-pirenena hafa no hanoratana raha tsy diso ny fitadidiko,sa efa nesorina?
3. facri ( 29/12/2005 11:11)
hay,tsara izany ee..
Nisy nahita ihany kay ilay teniko iny marina :lol:
4. fasaly ( 29/12/2005 18:04)
ekena mahintsy izany e! tisy olana....
tao ho ao mantsy sady vahiny no lava be de...
5. Herimiafina ( 29/12/2005 20:09)
Ohatry ny mahgaga ihany marina anie ilay size iray manontolo amin'ny teny frantsay e, aleo kokoa mahita ilay vary amin'anana toy izay ilay frantsay ranoray.
6. jennifer2 ( 29/12/2005 23:43)
Oadray! ary maninona ary ny ato e! zavatra hafa no nosoatako an! Deia io zavatra hafa io no mipoitra! Fa ahoana?:?::?::?::?:

Fa izao e! tsara kokoa raha teny gasy no ampiasaina e! "Andrianiko ny teniko,..."
7. jennifer2 ( 29/12/2005 23:45)
Manaraka, tsy aleo ve ry reto, miezaka manoratra teny gasy tsara ihany koa isika? sady fanomezan-danja ny tenin-drazana no mianatra e!
samy miezaka daholo ary samy mianatra daholo.
8. diamondra27 ( 30/12/2005 08:53)
ahoana kosa zany raciste zany kle, raha teny anglisy zany de mety? na teny arabia? FA LE FRANTSAY MANINONA ANAREO E?
9. pissoa ( 30/12/2005 10:04)
diamondra kosa e, teny vahiny no misoratra ery ambony fa tsy hoe teny Frantsay e!
10. hery ( 30/12/2005 11:03)
diamondra> Rehefa teny vahiny kah. Mba tsy hisian'ny fanavakavahana mihitsy. Mbola tsisy forum teny anglisy iray manontolo tato, na teny italiana iray manontolo... Fa maninona no tonga dia heverina fotsiny hoe tsy maintsy mahazo teny frantsay ny malagasy? Misy gasy tsy mahay teny frantsay nefa mahay teny anglisy, italiana, rosiana sns. Dia mba isian'ny marimaritra iraisana dia atao teny gasy... na "at least" (:-)) teny mifangaro.
11. Fiffi ( 30/12/2005 12:17)
namaly teto aho nefa tsy hitako lasa aiza ilay valiny nalefako ? dia mamerina .
diamondra aaaa !!! :-D:-D fa aza hasiana avy hatrany koa hoe raciste ilay izy .arakin'ny filazan'i pissoa dia hoe teny vahiny akia an! bizz ndriko de manaova reveillon sambatra dahlo oo !!
12. diamondra27 ( 30/12/2005 12:21)
ka le t@ teny frantsay tsinona voafafa koa nefa nisy teny anglisy nalefako tsy voafafa jereo resto chinois
13. diamondra27 ( 30/12/2005 12:26)
ok e voaray ny hafatra fa za nge tsy tena mahay teny gasy loatra raha blagy e
nefa mba te handefa de refa adika @ teny gasy le izy de tsy mampme
ohatra zao hoe: 2 blondes jouent aux cartes l'une dit:t'as les regles en tête? de namaly l'autre blonde hoe:est-ce que je saigne du nez?

de mampme ve io raha atao teny gasy?
Tsy manambany za sanatrian an! tenindrazako io ary je suis fière d'être malgache fa misy tsy azo adika le blagy e

de mifona zany koa
14. Fiffi ( 30/12/2005 14:27)
diamondra: ndryyyy ::-*:-*:-*:-*:-*:-* atao mot à mot ka !:-D:-D:-D:-D:-D
15. kally ( 30/12/2005 18:56)
Dia izay zavatra hay akia ry Diamondra alefa a!inona ary ity manasaro-javatra ity?
16. Fiffi ( 31/12/2005 08:33)
:-*diamondra: zaho koa akia an! fière beeeee fa gasy e!
Kally: ka mba mety misy zavatra sarotra ho azy kosa akia an!:-*:-*:-*:-*
17. sipagasy ( 31/12/2005 10:24)
wadray ary toa nanjavona izay nosoratako tato????(nefa teny malagasy ranoray) mmhhhh misy tsy mamely ao mr Hery annn

Oupsss tratry ny tsingerin-taona aloha ra Hery annn de tratry ny farany aby antsika jiaby e!!!
18. Veloo ( 04/01/2006 15:39)
:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2554