Hanambady hono

1. xxx ( 27/12/2005 22:27)
Sahirana hono ny papa katolika eo am pandinihana ny hoe tokony hanam bady ve sa tsia ireo mopera satria be dia be hono ankehitriny ireo mopera any Eropa sy Amerika avaratra no mangataka ny hanambadian ny mopera. Ka ra ohatra ary raikitra izany, hahay hikolokolo ny vady aman janany eo amin ny ara pitiavana ve izy ireo ?
2. jefra ( 27/12/2005 23:39)
Fa ny pasitera angaha tsy mahakolokolo? Heveriko fa tsy any ny olana.
3. marozevo ( 28/12/2005 01:49)
xxx > Soa fa nasianao hoe HONO ilay izy, ka tsy ianao no mpandainga fa ilay nilaza taminao. Sahirana, HONO... Ho iza ? Ny Papa dia tsy mieritreritra ny handinika izany velively satria zavatra efa mipetraka (Acquis) ny hoe Pretra tsy manam-bady. Marina tokoa fa be ny mangataka an'izany, nefa tsotra ny valin-teniny, izay efa nolovainy tamin'ny Papa Jean Paul II rahateo :"Hamoraina ny fialan'izay Pretra maniry hanam-bady, satria safidy io fa tsy didy".
4. Hubert ( 28/12/2005 05:19)
Amiko aloha tsy tokony hasiana resabe izy io, satria olombelona nofo amandrà ihany koa izy ireo. Porofon'izany fandrenesana an'i zatsy sy zaroa tratra nangala-badin'olona hono e! ny sasany indray efa izao ny zanany...
Manaiky aloha za fa misy ny acquis efa mipetra, nefa efa simban'ny fivoarana tsikelikely izy io; tsy ireo reliziozy ihany koa anie fa na ny laïka koa manome fankampanahy azy ireo e! Dia araka ny voalaza etsy ambony dia mivaha ireo didy efa nipetraka hatr'izay; efa lasa goragora be izany raha ny fahitana ny fampiharana izany @ ireo izay minia mihoa-pefy aza.
De ahoana...hem!!!
5. xxx ( 28/12/2005 07:59)
marozevo:

xxx > Soa fa nasianao hoe HONO ilay izy, ka tsy ianao no mpandainga fa ilay nilaza taminao. Sahirana, HONO... Ho iza ? Ny Papa dia tsy mieritreritra ny handinika izany velively satria zavatra efa mipetraka (Acquis) ny hoe Pretra tsy manam-bady. Marina tokoa fa be ny mangataka an'izany, nefa tsotra ny valin-teniny, izay efa nolovainy tamin'ny Papa Jean Paul II rahateo :"Hamoraina ny fialan'izay Pretra maniry hanam-bady, satria safidy io fa tsy didy".



Misy soratra anga ao anaty baiboly ao hoe aza manambady ny olomblena, au contraire aza tsy hoe miteraha mamenoa ny tany ? Sa papa jena paul 2 no Andriamanitry ny katolika ka zay lazainy no harahiny ? Tsy aleo lavitra aza mahita ampahibe maso fa tapakevitra ny hanambady ny mopera sy ny masera toy izay hita etsy sy erao fa mampiaraka antsokosoko no sady ny ankamaroan'ireny zaza eny aminy akany katolika reny zanany avokoa, mba misaina lereto fa ts borné be a !
6. hery ( 28/12/2005 08:24)
xxx> Inona ary no idiranao amin'izay raharahan-tokatranon'ny katolika :-) Rehefa miteny ry zareo hoe aleo tsy manambady ny momperanay dia aleo tsy hanambady. Inona no dia hampalailay fonosana anao amin'izany na ao anaty baiboly izany na tsia?
Izany ange no olana aminareo e... Ny anao jerena tsara sy amboarina tsara. Rehefa sur enao fa ho tonga any andanitra dia izay no tena izy. Raha ohatra moa ka misalasala dia tongava miaraka aminay :-)
7. xxx ( 28/12/2005 08:44)
hery an tonga @ilay teny zany we ndao mba hiaraka aminay hi hi hi
8. pissoa ( 28/12/2005 08:56)
xxx > vakio indray ilay nosoratan'i hery :lol:
9. Ragadona ( 28/12/2005 09:12)
Mety misy mopera mihevitra an zany ANGAMBA nefa mbola tsy naheno na nahita mivantana aho hoe iry mopera iry na iry fa toa ny olona tsy mopera na ny olona tsy katolika mihitsy aza no mivoy an izy io. Ry zala mopera toa tsy mivaky loha an izany
10. xxx ( 28/12/2005 09:48)
hery:

xxx> Inona ary no idiranao amin'izay raharahan-tokatranon'ny katolika :-) Rehefa miteny ry zareo hoe aleo tsy manambady ny momperanay dia aleo tsy hanambady. Inona no dia hampalailay fonosana anao amin'izany na ao anaty baiboly izany na tsia?
Izany ange no olana aminareo e... Ny anao jerena tsara sy amboarina tsara. Rehefa sur enao fa ho tonga any andanitra dia izay no tena izy. Raha ohatra moa ka misalasala dia tongava miaraka aminay :-)



Ka samy manana ze tiany lazainy io letsy fa ts hoe katolika ela d voakitikitika d mahatsiaro marary a, zavatra hita maso zany fa tsisy mamorona eo, nenay milamina tsara fa nenlisany no te hifametrapanonatiana eo ! :-D
11. Vahinalasoa ( 28/12/2005 09:57)
Mahaiza mifanaja ry reto fa samy manana ny finoany ange io e, za aloha ts mbola nahare izany resaka hoe hanambady ny mopera zany ka tsy fantatro na marina zany na tsia.
12. ari.malala ( 28/12/2005 10:05)
xxx:

[quote=marozevo]
no sady ny ankamaroan'ireny zaza eny aminy akany katolika reny zanany avokoa, mba misaina lereto fa ts borné be a !



anananao porofo mihintsy ve sa any @nao ny certificat de naissance an'ilay ankamaroan'ny zaza eny @ akany katolika hoe i mopera ranona ny rainy? dia averiko aminao ny teneinao hoe mba misaina vao manoratra fa manjary miteniteny foana ka manafintohina.
13. dadavy ( 28/12/2005 11:58)
aoka tsy hiteniteny foana rehefa tsy ianao de mahaiza mipetraka
14. Lepetitbeau ( 28/12/2005 13:04)
Tokony asaina milaza aloha le xxx fa izy aloha tsy mamaky baiboly e! sady na ny lazainy ny vavany ary tsy fantany akory fa ny voalazan'ny baiboly aty amin'ny testamenta vaovao hoe : mahatsara ny lehilahy ny irery fa mba hialany amin'ny fakam-panahy dia aoka izy samy hanana ny vadiny avy! noho izany amiko na manambady na tsy manambady ny mon père dia mety amin'Atra daholo izany fa raha tena mpitondra fivavahana no tsy manambady amiko aloha hitako hoe tena tsara e! amin'izay izy tsy dia manana eritreretina firy afa-tsy izay hampandroso ny fanjakan'Atra e!
Mazotoa ry reto an!
15. hery ( 28/12/2005 14:15)
xxx> tsy mahatsiaro maharary aho kah... fa le toetra fotsiny no hafahafa.
Eritrereto hoe misy zavatra ataon'ny dadanareo any amin'ny fianakavianareo (azafady amin'ny ohatra fa xxx :-)) dia izaho tsy taviny tsy volovolony aty no miteny hoe fa maninona ary i dadan'i xxx miteny an'izany... tena tsy mamely mihitsy.

zavatra roa ihany izany no azoko lazaina an'i xxx

1. Aza milingilingy amin'ny zavatra tsy fantatra. Fahendrena ohatra ny manontany aloha fa tsy miteny hoe "Misy soratra anga ao anaty baiboly ao hoe aza manambady ny olomblena, au contraire aza tsy hoe miteraha mamenoa ny tany ? Sa papa jena paul 2 no Andriamanitry ny katolika ka zay lazainy no harahiny"... satria mety tsy hainao akory hoe inona no anton'ny tsy hanambadian'ny mompera amin'ny katolika.
2. Ilay eo ambony io ihany no averiko. Aza miraharaha izay any antokatranon'olona any :-) (Sa ve io ilay fomba mahazatra efa fanao hatr'izay dia na eto amin'ny forum aza dia tohizana?)
16. hery ( 28/12/2005 14:17)
Vahinalasoa:

Mahaiza mifanaja ry reto fa samy manana ny finoany ange io e, za aloha ts mbola nahare izany resaka hoe hanambady ny mopera zany ka tsy fantatro na marina zany na tsia.


Misaotra tamin'ny fananarana :-)
Tsy mamely mihtisy wah ireo manao xxx ireo e?
17. Vahinala ( 28/12/2005 15:03)
hery:

Vahinalasoa:

Mahaiza mifanaja ry reto fa samy manana ny finoany ange io e, za aloha ts mbola nahare izany resaka hoe hanambady ny mopera zany ka tsy fantatro na marina zany na tsia.


Misaotra tamin'ny fananarana :-)
Tsy mamely mihtisy wah ireo manao xxx ireo e?




Eny wa e, atao ahoana ary ko, aza hivakiana loha re fa ianao koa ange no harary fo fotsiny aminy eo e, ny lohany no tena borné arak'io lazainy io, samy manana ny fitondrany ny fiangonana tsirairay d tokony hifanaja fa tsy mety mihitsy ny ataony manao vava be io e ! Calme fotsiny zokilahy Hery a !
18. pissoa ( 28/12/2005 15:47)
xxx:
Ka samy manana ze tiany lazainy io letsy fa ts hoe katolika ela d voakitikitika d mahatsiaro marary a, zavatra hita maso zany fa tsisy mamorona eo, nenay milamina tsara fa nenlisany no te hifametrapanonatiana eo !


hihihi - ny Fiangonanao angamba no milamina, fa raha ny fahitako anao aloha dia tsy dia milamina loatra e (ialana tsiny). Inona no hidiranao amin'ny resaky ny Katolika rehefa milamina any aminao? Mivavaha fotsiny ho anay e! :wink: Sa mahafinaritra be anao mihitsy ilay mifanenjikenjika? Toa faly ery mantsy ny fahitako anao. Nefa anie ny zavatra lazaina dia ... :-D
19. Fantara ( 14/01/2006 13:34)
Fa maninoa no asiana resa-be ny izany e! Ny Fiangoanana an'Andriamanitra de aleo izy no hanapaka na avelany hanambady na tsia ny olona mpitarika e! Andriamanitra reto tsy adala a, itany izay ahapety ny asany a!
20. jool ( 25/01/2006 14:48)
Ny fanambadiana tena izy dia ny fanambadian'ny fo,rehefa mifanaiky am-po ny mpifankatia, mifanaja ary vonona ny hiara-belona sy hiara-maty ary samy mahatsapa izany ny an-daniny sy ankilany dia ampy, ny fanambadiana tena izy mantsy dia ny any am-po.Endrika ivelany fotsiny ny any am-piangonana(ahoana ny tsy mpino raha te hivady?),ny any amin'ny firaisana (ahoana ny mponina any anaty ala tsy manana izany?).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5623