Malagasy eto Suisse sy ny manodidina (FR , DE , IT )

1. vegas ( 15/12/2005 01:37)
    [size=18]LE PLUS GRAND REVEILLON MALGACHE[/size]

Adiresy tokana ny alin'ny 31 desambra 2005 :
    Salle Communale de Bournens - Lausanne - Suisse.

Manomboka amin'ny 9 ora alina ny "Mozika Malagasy Ranoray" tsy ankiato hatramin'ny sasakalina; mifangaro aorian'ny sasakalina.
Ny sakafo mafana dia ho atao vonona alohan'ny fotoana ho an'izay efa zatra misakafo aloha (20h00).
Sakafo azo isafidianana (efa miaraka amin'ny tsindrintsakafo na dessert) :
    - Henakisoa sy Voanjobory
    - Henakisoa sy Ravitoto
    - Akoho amin'ny voanio (poulet au coco)
    - Henomby Ritra
    - Vary amin'Anana sy Kitoza (amin'ny 2h30 maraina)

Hisy koa mazava ho azy ny tsakitsaky toy ny Nem, Samosa, Lasary, sns.
Indrisy anefa fa voafetra ny toerana koa iangaviana izay tapakevitra sy hikasa ny hiarahaba ny taona 2006 amin'ny fomba hafa mba hanao famandrian-toerana amin'ito adiresy mailaka manaraka ito: revelaus@bluewin.ch . Tsara kokoa raha sady mamandrika toerana no milaza sahady ny sakafo ho safidina amin'io alina io.
Raha mila fanazavana fanampiny, antsoy amin'ny finday: +41.76.388.77.18 na +41.79.245.79.04 na +41.76.322.75.02
Marihina fa maimaimpoana ny tanora latsaky ny 18 taona raha miaraka amin'ny ray amandreniny. Ny fitafiana: Mianjaika.
Mirary fety sambatra ho anareo.
Misaotra tompoko.
novalian'i vegas ny 23/12/2005 17:44
2. dadabe ( 15/12/2005 06:17)
ary ho anay aty Chine mba aiza ?:-w :cry::cry:

fa izany hoe mirary fety sambatra ho an'ny rehetra e :D
3. majakely ( 15/12/2005 06:46)
zah mba alaivo aty Vegas ah,,,,,de mba any kou zah ...hihihi.....
4. Fanja1 ( 15/12/2005 07:03)
majakely hihihi
5. bichette ( 15/12/2005 08:44)
saika hanao xxx za hihihi
ok ra Vegas , voaray
6. majakely ( 15/12/2005 13:02)
Fanja1 hihihi....:-D
7. raclo ( 15/12/2005 14:01)
eeeee,mba te hihinana izany vary amnanana sy kitoza zany za,lavitra loatra le suisse
8. chipie1 ( 15/12/2005 14:58)
ka iza klou lé dj ao e ?:wink::-D:-D
9. Herimiafina ( 15/12/2005 15:08)
Miam miam, tsara izany sakafo zany klé, hummm. Zah zany te hamely voanjobory klé, miam miam.
10. Veloo ( 15/12/2005 17:08)
de otrinona aloha ny fidirana e? mety ande any za tsinona...Dia hisy pihira ve sa juste DJ fotsiny?
11. lanto ( 15/12/2005 18:32)
majakely:

zah mba alaivo aty Vegas ah,,,,,de mba any kou zah ...hihihi.....



hay mou misy fitaterana koa ? mba alaivo koa zah vegas a :)))

12. vegas ( 15/12/2005 18:49)
Veloo> salut an! tsy mino kosa za Veloo hoe resaka fidimpidirana sisa no andehanana na tsy andehananao :) .
Aza matahotra enao fa raha mitondra 20 euro enao dia mbola ho asiana fameriny. Dj fotsiny? ie. Io ara tsy ampy azy hampandihizany anareo, tsy naka mpihira mihintsy tamin'ity.
chipie1> lol miankina amin'ny dj nga mo izy io? refa ratsy ny mozika anie de reo ny sakafo matsiro e lool.
majakely> ra tena ho avy enao de misy namako zay mipetraka any afaka mitondra anao. Mino za fa manana place ho anao (na ho anareo) izy satria minibus ny tômbilany.
NB: Tsy ahazoana sakafo ny vidimpidirana.
13. Veloo ( 15/12/2005 19:12)
vegas a mila info betsaka kosa zay vo mande kle... enao ve nande nijery an'i Njakatiana? Mila assurena fotsiny lesy a...
mbola vidina ko zany ny sakafo ? ary maninn kay raha tonga dia manao prix ray nareo dia sakafo inlcus ao e? manjary lasa misy decus tonga any avy eo .. sa ahona oy i se?
14. vegas ( 15/12/2005 19:25)
Marina zany Veloo. Mila info betsaka tokotrany vao mandeha. Sady enao lavidavitra ihany :D. Tsy nijery an'i Njakatiana za fa henoko kosa ny akony. Fa ahoana? Oui mazava ho azy fa vidiana ny sakafo fa aiza kosa ny ahazoana sakafo amin'ny vidimpidirana latsaky ny 20 euro? Tsy te hanao ilay prix mitambatra zahay satria misy tonga any tsy te hisakafo anie e, azonao ny tiko tenenina? Ny gasy rehetra ny cible-nay amin'io fa tsy ny saranga sasany ihany. Raha tinao dia omeko kajy tsotsotra enao: vidimpidirana + vidintsakafo = tsy mihoatra ny 30 euro (raha tsy manampy, tsy misy zavapitsotro). Tsy haiko raha ahita reveillon sahala an'izany tsony enao, ny mozika mangony fotsiny. Raha mila fanazava bebe kokoa: anoraty mail na antsoy ny finday.
Misaotra.
15. Veloo ( 15/12/2005 20:20)
vegas a misaotra betsaka retsy a :-*:-*
an3 efa mazava tsara ny lazainao... ty namely hono lesy i Njakatiana a.. tsy nihira firy akory izy nefa hatramin'ny maraina ny andro ilay concert toa oe efatra fotsiny no hira nataony ol fhafa doly no nihira tao....:roll:
16. cutie ( 16/12/2005 02:38)
veloo, handeha nga njy ???? :-D
za koa manko handeha raha handeha njy lol
17. majakely ( 16/12/2005 05:44)
Veloo ,zah nijery njakatiana ..ny organisation tsy de nilay ...fa ny hirany kosa nihoatra ny efatra no sady nisy ambiansy kou...asa aloh e...ye...de nisy ol hafa nihira fa tsy hitako ny olana tamin'iny ....ny organisation klo de aotra e...:)
18. majakely ( 16/12/2005 05:45)
Vegas ,,,way otrany hoe ho any zah raha izany ???
19. chipie1 ( 16/12/2005 18:30)
o ry vegas ? miankina aminy mozika kou io fa tsy oe resaka sakafo fotsiny e ? ambiansy daolo zany kou:-P:-P
20. Veloo ( 16/12/2005 19:31)
cutie a ny anadahiko aky ko no manontany ahy a za tsy afaka @ heritaona tsika rao mande an :-*
majakely a zany aloha no henoko e... conclusion tsy nilay hoy ry zareo...
Chipie a marina aky ny anjy a miankina @ mozika tokoa sy ny sisa...:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2449