jirama: statistikan'ny ora sy ny toerana iharan'ny delestazy

1. jentilisa ( 10/11/2005 09:19)
Mieritreritra aho hoe tsara angamba raha mametraka ny ora sy ny fokontany ary ny firaisana na boriborintany ny tsirairay ato ahafantarana marina hoe tokony ho firy tokoa moa ny enerzia lany ao anatin'ny andro iray. Izay fokontany na faritra tsy tratra koa dia mba mametraka sady milaza hoe tsy tapaka jiro.

Tsy maninona na tsy hilaza ny anaranareo aza ianareo fa ny toerana no tena ilaina sy ny ora, misaotra indrindra amin'ny fandraisana anjara e!

Anontanintanio ny fokotanin'ny olona fantatrareo fa hanaovantsika porofo io.

Ny any 67ha nord manomboka @ 18-20h10mn eo ho eo ny fahatapahany. Indray mandeha tapaka isan'andro.

Ny an'ny akaikin'ny etamazaoro Andohalo dia isa-kerinandro no misy adiny iray ihany. 18h-19h

Ny zone FTM kosa indray dia 17h-18h30mn isan'andro no fantatro.

Tohizo ry zareo a!
novalian'i pika ny 11/11/2005 07:56
2. lmahery ( 10/11/2005 20:27)
Ie nandalo tany madagasikara ny tenako t@ ny volana jiolay sy aogositra lasa teo iny ary dia tena nahatsikaritra izany ihany koa fa eny @ iny faritr'Ambohibao iny dia isan'andro tapaka adin'iray eo foana ary dia mifandimby ny tanàna tsirairay manodidina azy, sendra eo ampisakafoanana fona na mba sendra eo ampihainoana tantara no tapaka , faritr'ivato sy ny manodidina rehetra iny dia tapaka ohatran'izay ihany koa tena mandreraka mihintsy fa dia mba asa loatra . Aiza dia mbola tsy voavahy foana ve ny olana hatramin'izao efa ho herin-taona ihany izy ty ?
Ny ora hahatapahany aloha dia manomboka @ ny enina ora eo ary adin'iray ny fahatapahany dia ohatran'izay foana izany isan'andro ; ny mba tsy dia nanafintohina loatra dia mba ampifandimbiasany ny toerana tapahana mialoha fa tsy ny tanàna iray iny foana .
3. pika ( 11/11/2005 07:56)
taloha izany mifandimby izany ry iahery fa izao zao isan'andro hafa tsy ny asabotsy sy alahady
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5761