adim-poko...fanavakavahana...izay ihany ve?
1. jentilisa
(
08/11/2005 09:13)
Mahavariana indraindray ny ataon'ny mpanao politika amin'izao fotoana izao. Ny mpanohitra indray eto no ambarako. Ny Ao amin'ny 3FN moa dia miandry ny fahazoan-dalana hamory vahoaka araka ny heno.
Voalohany, raha parlemantera eto amin'ny faritanin'Antananarivo no "hanao tatitra" araka ny fomba fiteny nahazatra nitety ny faritany hafa, dia tsy manana depoite mpanohitra eto amin'ny faritany ny 3FN. Senatera ihany no ananany...
Natao ary ny fangatahina, raha mbola tsy nivaly ny nosoratana dia efa nandrangaranga sahady ny mpitarika sasany fa raha lavina io dia izay no manaporofo fa mpanavakavaka ara-poko ny mpitondra eto. Izay lojika izay no mahavariana ahy. Mety ve izany fitenenana izay. Moa ve tsy ireo izay mpiteniteny hoe rasista ranona izay no tena rasista ao am-pony ao?

novalian'i fijo ny 15/11/2005 22:22
2. Vanja
(
08/11/2005 12:57)
Za koa ranga de momba izay evitra izay:"izay miteniteny hoe rasista ranona izay no tena rasista ao am-pony ao".
Mety ampiadiana ve ny foko gasy misy aminizao?
Mety ampiadiana ve ny foko gasy misy aminizao?
3. jefra
(
08/11/2005 13:18)
Ny fahalalako azy dia toa "Depite de Madagascar" no laharana entin'ny solovava fa tsy an'ny faritra nifidy azy. Ka angamba noho io laharana io dia afaka maneno na aiza na aiza ry zalahy ??? Asa anefa.
Ny mba fijeriko dia toa vao maika manome pub ho an-dry zalahy ny tsy fanomezana alalana azy. Jereo ny tany Fianar ohatra, fa zara raha misy akony. Ka tsy avela haneno!
Ny mba fijeriko dia toa vao maika manome pub ho an-dry zalahy ny tsy fanomezana alalana azy. Jereo ny tany Fianar ohatra, fa zara raha misy akony. Ka tsy avela haneno!
4. Ragadona
(
08/11/2005 13:23)
OK amin io hevitrareo io aho fa zany hoe misy tranga izay tsy azo odian tsy hita ihany koa.Miankina amin ny temperament n ny olona araka ny faritra niaviany io.tipiquement tanindrana io fihetsika voalaza etsy ambony io.Misy koa anefa raciste anaty, izay tena ratsy fa tsy misy miteny,asehony amin ny fomba an kolaka le izy, ohatra amin ny alalan ny resaka administration. Provoquer ny amin iny iretsy ambony mba hanao réaction, d ra vao manao d avy am zay izy am fandrangarangana hoe miady amin ireo racistes, d amin zay mino azy daholo tokoa ny olona d manome rariny azy foana ka lasa mitsikera an iretsy ambony foana fa izy afaka mampihinana mangina any amin ny admnistration any.Matetika io tranga iray io no ampiasain ny racistes eto afovoan tany. Samy tokony handinika lalina ao anatin ny fahatoniana izany ny roa tonta fa tsy faly ny hifanilika fotsiny
5. pitchou
(
08/11/2005 17:44)
ka raha vao mivaona @ io hevitra fanavakavahana io koa izy d tsy hahitasize eo intsony ny mpiserasera eto ka :-D:-D:-D
6. fijo
(
08/11/2005 23:38)
ka mba lazao amin'ny fo tsy miangatra ary e.i zafy sy voninahitsa ve dia sahinareo ny hilaza fa tia merina ireo????????
7. meebo
(
09/11/2005 03:44)
Raha ny hevitro manokana indray alo de avelao ry zareo hamory vahoaka any fa tsy tokony eo @ 13 Mai alo fa manjary simba ny fahatsarany tanana e! aleo ohatra eny Antsonjombe ry zareo no hanao e! De hita eo raha mba misy akony ee! Fa ny olona milaza fa raciste ranona, ireny no tena raciste ee! i Zafy sy Voninahitsa no tena mpanavakavaka ee! Nefa anie ry leirony tsy misy maninona azy zany izy mipetraka ao Tana io ee!
8. xxx
(
09/11/2005 03:57)
fijo:reny d tena ita miariary be. fa ty ravalo ty ko nge vao maika loza fa ny samy merina aza to avakavahany nedala.
ka mba lazao amin'ny fo tsy miangatra ary e.i zafy sy voninahitsa ve dia sahinareo ny hilaza fa tia merina ireo????????
9. Herimiafina
(
09/11/2005 04:50)
Tsss, bassesse d'esprit be, ireny olona reny mintsy no mila havahana directa be hialany any Dago any fa manamaimbo tanana amin'ny halotony. tsss
10. tangalamaitso
(
09/11/2005 05:40)
Misy lalànan'ny fiaraha-monina iray izay tiako hiadiantsika hevitra, izay heveriko fa fototra tokony hiaingan'ny adi-hevitra manoloana ity resaka hoe fahazoan-dàlana na tsia hanao fanehoan-kevitra ity. Toa izao ilay lalàna : "ny fahafahanao (na fahalalahana, na zo)dia mijanona rehefa manomboka ny fahafahan'ny hafa". Izany hoe raha ny hevitro, dia malalaka ny mpanohatra (ary zony izany)haneho ny heviny saingy kosa tsy tokony hanelingelenany ny filaminam-bahoaka sy ny zon'ny hafa. Fahalalahan'ny hafa ohatra ny hanao ny zavatra fanaony an-davanandro ao anatin'ny filaminana (asa, varotra, fandraharahàna, fianarana, sns.... Zon'ny hafa ny hanana tanàna milamina sy mahafinaritra (zaridaina, làlana madio, tanàna madio). Raha toa ka azon'ireo mpanohitra antoka ary manome toky ny amin'izany izy, dia inona moa no tokony hanakanana azy @ fanehoan-kevitra izay hataony. Raha toa kosa tsy ho voahajany ireo fahafahana sy fahalalahana ary zon'ny hafa ireo dia mahasadaikatra ihany ny hanome alàlana azy. Adidin'ny fanjakana ihany koa anefa ny mitandro ny filaminam-bahoaka sy miaro ny fananam-bahoaka ary mampanaja izany fahalalahana sy fahafahana ary zon'ny tsirairay izany. Tokony handray andraikitra mifanadrify amin'izany izy. Amiko izany ilay resaka foko sy fihaviana, dia mivaona mihitsy ary resaka ampiasain'ny mpanao politika entina hisarihana ny sain'ny olona fotsiny rehefa hitany fa tsy hahomby ny zavatra hataony (fialàna bala io) na tsy manana soso-kevitra mazava entina hampandrosoana ny Firenena izy.
11. Herimiafina
(
09/11/2005 05:51)
Le mpanohitra any amintsika any anie ka efa miala aina e, mitady ny carte farany hahafahany milalao sisa fa efa hitany fa vita matavy izy fa tsy halehany.
12. jentilisa
(
09/11/2005 06:13)
Raisiko ny hevitry tangalamaitso. Efa nanao izay hoe fanehoan-kevitra milamina izay ny mpanohitra fa hitany hoe tsy dia mahazo kil loatra. Izay ny antony hitadiavany zavatra somary migidraka kely mba ahafahany manaporofo amin'ny mpomba azy fa tena tsy manaiky demokrasia ny mpitondra eto.
Etsy andanin'izay koa ny mpomba mahazo toerana somary mpisolelaka sy mpiady voninahitra izay ka toheriny raha vao misy fangatahana atao eto Antananarivo. Izaho izao mihevitra hoe antonona ny mpanohitra tsara ao amin'ny kianja mitafon'i Mahamasina. Saingy kely fanantenana aho hoe hahazo io toerana io ny mpanohitra.
Momba ilay hoe depoiten'i Madagasikara indray dia ekeko tsara hoe an'i Madagasikara izy, saingy ny manintona ny mponin'Antananarivo kokoa dia izay nofidian'Antananarivo. Raha hafa dia mety ho avy ny teny hoe any aminareo ianareo manao tatitra (izay mety ho endrika fanavakavahana koa ve?)

13. sambatra
(
09/11/2005 10:22)
Mety misy fifandraisany amin'ny loha-hevitra narosoko hoe "Pôlitika vaovao" ity adihevitra ity.
Ny fomba fijeriko dia toy izao :
Hatramin'izay ka hatramin'izao fotoana izao, ny any amintsika raha vao olona tsy mitovy hevitra amin'ny tena na ny antokon'ny tena dia "fahavalo" izay. Hevitra iray na vitsivitsy anefa no tsy itovizana dia fahavalo izay ny sasany ary atao izay handripahana azy. Amiko raha mbola io fomba fisainana io no manjaka dia tsy ho afaka na oviana na oviana amin'izao olana mahazo antsika izao satria raha vao heverina ho fahavalo ny sasany dia tsy hisy mihitsy ny fifanakalozan-kevitra amim-pilaminana.
Zavatra tokana ihany no mety hampisy adim-poko dia ny tsy fanajan'ny foko iray ny fomban'ny foko hafa. Ankoatr'izay tsy tokony hisy hidirana resaka foko mihitsy. Sa ahoana hoy ianareo???

14. ravatorano
(
09/11/2005 10:23)
za aloha d mahita fa raha nanao izay ho afany tany fianaratsoa ny mpanohitra d nahagaga fa zara raha nahafeno ny tranopokonolona tsianolondroa.Nisy olona sasany ihany aloha teny ivelany eh fa raha ny resaka tao d tsihai mihitsy hoe inn no tena votoantony fa d tetezemita tsy fantatra hoe iza no hitondra amin io na hoe inn no ilaina an io.
Nahagaga ahy koa ny fanambarana nataon ingahy voninahitsy we feno miaramila b teny nanao kadiazy ny toperan d nataotra ny olona d tsy tonga.Tsy mponina ao Fianaratsoa izy ka mahasahy miteny izany fa tsy hainy we bala sy tafondro aza anie efa nosedrain ireo vahoaka tao ireo tsy nampiemotra azy eh
Momba ilay hoe ny fahalalahanao dia mijanona rrehefa manomboka ny fahalalahan ny hafa : marina izany fa saingy izao ny mpanohitra eto dia ny manakiana sy mandrangitra ary mitady toeran fotsiny.
Iza amin ireo namana no mbola tsy teo amin io fitondrana io ah inn no vitany sa nahavita tsara noho izao fitondrana izao v izy ?
Ity fitondrana ity no anisan ny fitondrana mba nanao zavatra ankoatran Ingahy Tsiranana fa ny ambiny sy ny sisa d farasisan ny fahalovana avokoa eo amin'ny politika.

15. jentilisa
(
09/11/2005 14:44)
hitako izao fa na kianjan'ny 13 mai na vavahadin'i Mahamasina na kianjan'ny malacam ny toerana tian'ny mpanohitra ivoriana. ny aiza no mety kokoa?
ny daty mbola tsy voafaritra mazava!
ny daty mbola tsy voafaritra mazava!
16. boalimena
(
09/11/2005 16:29)
resaka foko izany ry namana efa ilaozan'ny toetr'andro é! ary ny olona manavakavaka ny olona toa azy izay mpiray firenena aminy dia azo heverina na lazaina fa tena ireny no tena fahavalom-pirenena sy fivoarana satria tara siècle maromaro ny fisainany,ary tokony ahatsapa tena ireny fa olona tsy mendrika ny hitondra mihitsy na dia ny fokontany aza!satria ny fanavakavahana dia mampiseho fahambaniantsaina na complexes hoy ny vazaha é! izay mialokaloka amin'izany dia aleo tsy manao politika satria na ny fisainany aza efa ratsy ka raha tonga eo izy dia vao maika hiharatsy sy hidingin-drambo ary tena ho fihemorana tanteraka no hiseho!
17. SOLTAKER
(
09/11/2005 18:33)
Fanavakavahana ihany no niainantsika t@andron'ny mpanjanatany, teo no nahitana fa ratsy ilay izy, tsy azo hodian-tsy hita, ary efa leo izany jiaby ny gasy jiaby, tato afara mbola zany indray no heno, marina fa nadia misy aza izany tsy natao hivandravandra, satria vitsy an'isa no manao azy,
Ka raha mbola zany no dradradraina eto dia ataoko fa isika miteniteny azy mihitsy no mba mankasitraka, satria mamoha izay fotaka efa mandry ary manao en evidence ny zavatra tsy mendrika,
Nareo mahatsapa fa ny zavatra voaresaka ihany no misongadina;
ka raha mahatsapa enao, enareo, izaho eny na dia izy lazainareo aza fa ratsy ilay izy(ADIM-POKO) dia tokony hanalavitra isika rehetra eny nadia ny miresaka aza tsymety!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
Ambava homana am_po mieritreritra!:-D:-D:-D

18. pitchou
(
09/11/2005 18:55)
jentilisa> fa maninn no ny sasany hamboatra ny tanana sy ny zaridaina d ny sasany hanosihosy fotsiny? aleo izy eny @ villa elizabeta no mivory! any tsisy hibedy, sady sur fa raha hisy korontana d izy ihany no mifampikorontana ao
fijo> fa iza no niteny anao fa ny merina IHANY no tsy tian'i zafy? ao raha matoa ny olona lazainy fa iray fihaviana aminy aza tsy tia azy!
fijo> fa iza no niteny anao fa ny merina IHANY no tsy tian'i zafy? ao raha matoa ny olona lazainy fa iray fihaviana aminy aza tsy tia azy!
19. Herimiafina
(
09/11/2005 21:33)
Mampidibola ngah hono raha miady ny foko, raha mampidibola hihinananay hanina de tsy maninona fa aleo hisy ady, raha tsy mampidibola nefa de meo aty ze miteniteny an'izany rasarasana andrahoana fa noana izahay.