hirotsaka ary Ratsirahonana!

1. jentilisa ( 05/11/2005 08:10)
Vaovao navoakan'ny gazety no nilaza fa hirotsaka ho prezidan'ny repoblika Ratsirahonana. Ahoana ary ny hevitrareo?
novalian'i fijo ny 24/11/2005 23:01
2. jefra ( 05/11/2005 08:29)
Ka hoviana moa izy no tsy nirotsaka hatr@ nanandramany politika.
Amiko dia ny tsy fisian'ny fifanarahana teo amin'izy sy Herizo (izay TENA nifanakaiky fijery t@ izany) no nahatonga an-dRatsiraka ho tafaverina teo t@ 96.

Dia efa nirotsaka koa izy t@ 2001 fa nihemotra rehefa nahita fa maro mpanohana Ra8... sy mba tsy hizarazaran'ny vaton'imerina ihany koa angamba.

Ka mirotsaka izy izao, tsy hitako izay olana satria izay no maha antoko ny antoko. Fa toa resaka pression politika fotsiny ilay izy amiko. Vilia iray no ihinanan'ny TIM sy ny AVI ny fijeriko azy.

Mba fijery zaraina fotsiny ny ahy
3. jentilisa ( 05/11/2005 09:33)
Tsia! tena nifaninana mihitsy ny tim sy ny avi tamin'ny fifidianana maires vitsivitsy iny ary tsy zakan'ny tim fa resin'ny avi ry zareo tamin'izany.
4. jefra ( 05/11/2005 09:45)
Tsy laviko ny resulat lazainao, saingy mbola mpiara-misaosy :*:*:*:* izy t@ izany. Na samy nanana ny kandida ny aza ny TIM sy ny AVI, ny AVI tsy niseho ho mpanohitra an-dRa8. Resaka tsangan'olona fa tsy antoko no anazavako azy.
Ary na hatr@ izao aza dia angotingotina mpivady no fijeriko azy.:-*:-*:-*
Fa manaiky mialoha koa aho ^:^^:^ hoe mety mivilana ny fijeriko.
5. ds ( 05/11/2005 11:26)
Akory jefra, elaela...
Rehefa mirotsaka, dia tokony hanohy hatramin'ny farany fa manjary mamita-bahoaka. Indraindray fampirantiana hery fotsiny ny firotsahana ho kandida mba hahafahana miady varotra toerana amin'izay ho lany. Zarazarao mba hanjakana e.
6. jefra ( 05/11/2005 13:02)
ds>> Teo ihany fa kely dia tsa hitan'ny onina.

Manahoana tokoa ny mba fijerinareo ny assise n'ny AVI? Izay nanana fahombiazana t@ fandalovana fohy teo @ fitondrana toa tsy nisy afaka tena nampiroborobo ny antokony vao niala ny fitondrana (Razanamasy, Ratsirahonana, ...).
Mbola vitsy loatra ny gasy manaraka/maharaka politika ny fijeriko azy, ka dia ny eo foana no tompoina. Mila mizara fananana be dia be ianao vao afaka mampihozongozona ny eo ambony seza. Ary rehefa eo ny vola, na dia hoe "Minoa fotsiny" aza no programa politika dia tody.

Io resaka fanana io no maha kely finoana ahy @ AVI, sy izay hafa mety mbola hiditra an-tsahatra, satria ny hevitra tsy ahazoan-toerana. Mila manana harembe vao afaka mifampitana @ TIM/FJKM.
7. xxx ( 06/11/2005 03:01)
tantara efa nandeha daholo e!

"tay ny afera fa manaova fanambarana irotsaka letsy ialahy ra-norbert ampitonina saim-bahoaka a!"
8. narima ( 06/11/2005 07:31)
Norbert anie anisan'ny olona nahavitabe e! Sady azo lazaina fa ny fananany ny fanetretena no nahatonga an-dRa8 teo ami-fitondrana ka raha hirotsaka izy tokony hisy lamina iarahan'izy sy Ra8 sao handrodana ny efa voaharina.
9. Razouzou ( 06/11/2005 18:58)
amiko manokana lo zony ny mirotsaka efa ela mba nanirihany hirotsaka aleo izy anao fa tsisy olana fa ny taloha lo mbola tsy hitako zay vitany fa dia ho hita eo zay mba apoakany :twisted:mba niaraka am Ra8 izy teo .Fa ahiko tsyho lany izy
10. Herimiafina ( 06/11/2005 22:42)
Otsan'ny mampi-te-hirotsaka koa izy izany klé. "hirotsaka hono ra-Herimiafina" mi-sonner tsara kosa an, hehehehe:-D:-D:-D:-D
11. xxx ( 06/11/2005 22:47)
herimiafina> maninona tokotrany ialahy raha mirotsaka. Mandimby an'ilay dadatoan'ialahy isany Jeneraly iny! Izany RAKOTO an?
12. Herimiafina ( 06/11/2005 22:54)
Ie, sady raha zah no lany eo de mety tena misy zavatra miova be dia be mahintsiny, hehehehe:-D:-D:-D:-D

Ry Dadatoa Desiré mantsy zao efa retirety de afaka hangalana hevitra tsara.
13. Veloo ( 07/11/2005 19:58)
:-D:-D:-D:-D:-Dza tsy mba mifidy an'i herimiafina raha ho president io :-D:-D:-D:-D:-D:P
14. jajaf401 ( 07/11/2005 20:01)
Raha ny fahitako an'iny declaration iny aloha dia tsy misy afa-tsy ny rano atondraka ny mangotraka ihany eh,
sarotra ny misaintsaina fa hiady toerana amin-dR8 izy!!
Fa raha Herimiafina no milaza fa hirotsaka de mino zaho, :-D:-D:-D
15. Herimiafina ( 07/11/2005 20:51)
Hehehehe, le Veloo ty ihany zany no miseho tsy manohana anah ato an. Tsy maninona fa anisan'ny ho atsangako koa ny antoko mpanohitra anah refa tafa zah de Veloo no nomer-ko filohan'ny mpanohitra, hehehehehehe:-D:-D:-D:-D
16. jentilisa ( 08/11/2005 09:06)
Ary sao dia asiana filohan'ny mpanelanelana?
17. Herimiafina ( 08/11/2005 21:19)
De jentilisa zany no nomm-na filohan'ny mapnelanelana raha izany, hehehehe:-D:-D:-D:-D
18. fijo ( 08/11/2005 23:44)
avelao hirotsaka ranorbera e.fa ravalo ihany no holany eo ka
19. tangalamaitso ( 09/11/2005 05:53)
Aleo hirotsaka izay te hirotsaka e! ny antsika izay manana hevitra sy programa mavaza sy mahomby ary azo tanterahina tsara ka hampandroso ny Malagasy sy Madagasikara ihany ho hofidiantsika. Eo an-kilan'ny programa anefa, dia olona hita ihany koa fa manana favononana sy manana fahaiza-manao ary indrindra manana ny enti-manana hanatanterahany ireo programa ireo no ilaintsika.
Eo am-boalohany izany, dia tsy anaran'olona no tokony hatao zava-dehibe, fa ireo zava-dehibe nolazaiko tery ambony ireo. Koa rehefa avy eo na iza na iza ilay anarana ka mahafeno ireo mason-tsivana ireo dia aleo hirotsaka sy handresy lahatra antsika, dia ho hita eo e!
20. Herimiafina ( 09/11/2005 05:57)
I Tangalamaitso nommer-ko konseilé tampoka. hehehe:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.161