Inona loatra no manintona any an-dafy ka hamonoana tena

1. tsangana ( 08/10/2005 21:11)
Hita ny sarin'ireo afrikanina izay mikasa ny hiditra antsokosoko any Espagne.Nisy ny namoy ny ainy nitsambikina nananika fefy avo be.Inona loatra no mba antony?
2. agoago ( 09/10/2005 07:19)
Ny any andafy ve no manintona azy sa sao dia ny aty afrika kosa no mampandositra azy .Tsisy politika fampandrosoana mazava ho n'ny mponina kosa ange aty afrika: ady antrano, ady seza, famenoana paosin'izay tonga eo @ fitondrna, manginy ny haintany sy valala no iainan'ny aty afrika.Aleondry zareo mitsoaka, mampalahelo fotsiny mamono tena ry zareo miditra antsokosoko
3. Fanja1 ( 09/10/2005 09:17)
Tsy ny andafy no manintona azy fa andafy mety heveriny fa ahitany asa hamelomany ny fianakaviany... mafy sy sarotra ny fiainana any ka manao sacrifice sao mba ho tafavoaka @ fahantrana ry zareo... mamplahelo
4. sonwin ( 09/10/2005 09:56)
tsy fidiny ho azy:(, fa ny fitadiavana no mahazaka maniraka
5. kally ( 09/10/2005 10:47)
Ka malaza be hoe any an-dafy mamafa lalana fotsiny mikarama firy million vola gasy, any amin'izao an-dafy izao hono atsipin'ny olona eny amoron-dalana fotsiny ny entana, any amin'izany andafy izany hono an! rehefa tsy mahita asa dia omen'ny fanjakana vola hivelomana dia sady rehefa marary hono maimaim-poana ny mankany @ dokotera.Hono hono izany an!malaza be mihitsy izao fiainana any andafy izao fa izay mankany hono toa mahavita mandefa tômôbilina,akanjo sy kiraro tsy hita aty amintsika (nefa eny @ fripy toa efa misy an'ireny kah).Izany mpanadio trano any an-dafy izany hono rehefa tonga hiasa mitondra tômôbilina??:roll:Marina ve izany ry reto?Ka aiza ny olona no tsy hankany koa izany no malaza be.:wink:
6. britney ( 09/10/2005 11:35)
:roll::roll:
7. Fanja1 ( 09/10/2005 12:20)
mbola hono hono anie zany kally e!!!
8. fasaly ( 09/10/2005 13:26)
ka iza kou anefa ny olona tsy tia ary tsy hitady an-dravola e! hifatesana sy hamonoana tena dooly rehefa resaka vola ka tsy hitako loatra izay mahagaga amzany na ho any andafy na ho any amy fahaverezana na ho any afrika na ho any dago....ny vola vola ihany, ary fitady........
9. xxx ( 09/10/2005 16:18)
Marina ihany aloha ireo lazain'i kally ireo e! fa na izany aza ny fiainana aty an-dafy akory tsy mora! misy ny vola fa tsy mora koa ny hahazoana azy. Fa izany we refa ara-dalana fotsiny aloha ny ttsy hijanonanao aty dia milamina sy mahazo ireo tombotsoa rehetra ireo ianao e!
10. RockyMaivia ( 09/10/2005 16:24)
Tsy ampy hahasambatra ny vola!
11. fasaly ( 09/10/2005 16:31)
tsy ampy hahasambatra ny vola fomba fiteny fotsiny zany amzao fa raha tsy misy ny vola tsy velona ka!
izay rehetra hatao de mila vola, izay no antony hitadiavanaand-dravola , ny mahatonga ny olona immigrés de noho io vola io ihany ka aza omena tsiny llay olona raha mitady ny fomba rehetra mba ahazoana izany e! tsy ny afrikanina ihany no mandeha milefa ny taniny noho ny fitadiavana ny fiainana tsaratsara koukou fa ny vazaha kou! mandeha mifindra mitoetra any afrika mba hampiasa sy hampitoboana ny volany de izay mba hanatsaràna ny fiainany ihany kou! itovizana ihany le izy.
12. tsangana ( 09/10/2005 16:56)
Tsy ho voatanisa eto daholo ny antony hanapan-kevitra handaozana ilay toerana niainana:Vola,asa, tahotra,fianarana........na ny frantsay aza "mitsoaka" any angleterre mitady asa!Tsapako fa misy zavatra tsy manjary ankehitriny manerana an'izao tontolo izao....200 taona lasa izay dia ny olona avy any Europe no nihanaka nameno an'izao tontolo izao....tsy nisy fangatahana visa fa angovo be fotsiny no nidirana tany Australie, Amerique atsimo sy avaratra.......ankehitriny anefa dia ry zareo indray no mba milaza hoe anay ity tany ity!
13. methode ( 09/10/2005 23:17)
Efa niresaka elabe tamina Burkinabe iray aho taty! Nilaza tamiko mantsy izy hoe mba itadiavana izay fomba azahoana visa miditra any Europe, na aiza na aiza io! Dia nilaza ny antony izy. Ny fahitako azy dia anisan'ny manam-bola izy! Niteny tamiko izy hoe raha ny vola idirana sy ampiasaina any aloha dia manana ny ampy aho! Mivarotra portable (téléphone) ireny ny asany aty ary marika anisan'ny ambony daholo no amidiny. Ny olana hoy izy dia mahazo vola fa ny fianakaviana sahirana no tsy maintsy vonjena aloha dia tsy mba mahatambatra mihitsy fa miara-mahantra amin-dry zareo foana! Any hoy izy na kely aza no azo mba afaka manao tahiry. Izao moa izy tsy hitako intsony fa asa na nahita lalana ihany. Izy kosa aloha tsy nihevitra hanao clandestin e!
14. Herimiafina ( 10/10/2005 01:24)
Aty andafy de feno blondy, hehehehehe. Iza no te hahita blondy? hehehehehe:-D:-D:-D:-D
15. pika ( 10/10/2005 05:08)
ny aty afrika matetika dia noho ny ady an-trano sy ny fahantrana no mampatonga azy hitady lalana ny ho any an-dafy
indrisy anefa =((:oops::cry::-*
16. Herimiafina ( 10/10/2005 05:17)
Feno mpitondra be kibo kou, sady be volombava de lanin-dry zalahy daôlo ny tôka. hehehehe:-D
17. fasaly ( 10/10/2005 06:26)
methode:
ka ny olona mahazo visa anie tsy voatery hoe tafajanona an-dafy e! ka na tsy nihevitra ny hi cland aza izy vao lany mintsy ny visa-ny ka tsy manana papier izy d'efa anisan'ny hatao hoe clandestin zany e! izay efa fantany mialoha fa mi risk ihany izy, de mbola resaka vola ihany kou zany.
18. mamzelkely ( 10/10/2005 07:16)
zay le fiainana e..:)
19. pika ( 10/10/2005 07:56)
mahery ny vola zany e :roll:
20. majesty ( 14/10/2005 04:33)
Hoy tsanganana :

Hita ny sarin'ireo afrikanina izay mikasa ny hiditra antsokosoko any Espagne.Nisy ny namoy ny ainy nitsambikina nananika fefy avo be.Inona loatra no mba antony?


de hoy za hoe andramo izay niainan'ndry zalahy de mipetraha mihintsy eo amin'ny toerany de ianao ihany de ahavaly an'io fanontanianao io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4603