Ankamantatra...

1. rijatsif ( 04/09/2005 00:11)
Lavabe ny an'ny malagasy;
i Casimir tsy manana; ary
ny Pape manana ihany fa tsy mampiasa azy intsony.
Inona ary izany ?
novalian'i Veloo ny 20/10/2005 21:33
2. ralama ( 04/09/2005 12:09)
Ny an'i ANDRINAMPOINIMERINA dia lava be, ny an'ny vahaza dia mazanà fohy, ny an'i gasy dia lava mazanà
...
Anarana
3. lydie ( 04/09/2005 12:35)
rijatsif:

Lavabe ny an'ny malagasy;
i Casimir tsy manana; ary
ny Pape manana ihany fa tsy mampiasa azy intsony.
Inona ary izany ?



lamba sa tsizany :P
4. lanto ( 04/09/2005 13:34)
Ny an'i ramose nomeny ny vadiny :p
5. xxx ( 04/09/2005 20:13)
Ny Anandrianampoinimerina lava be , ny an-Dradama fohy kely , ary ny an-dramose nomeny ny vadiny , ny an'ny Da mopre tsy nampiasainy .
Anarana e

Fa ny hoe : Ny atsasak'i Dada nitsofoka ao anelanelan'i Mama , tsy hoe ao anelanelan'ny fen'ny mama fa anelanelan'ny mama fotsiny hoe inona ary izany , Nefa de MaDAma
6. avana ( 05/09/2005 06:44)
:-D sady nomenao iany kosa v le valiny! tsss nefa za saika hampiasa saina!
7. tafita ( 05/09/2005 08:13)
Ka ny an'i avana ange de io foana e, sady fantatro hoe tsy maintsy hamaly an'io injay zao i avana satria taddidko ilay resak'indry tamiko iny ange sa ..
8. jentilisa ( 05/09/2005 10:07)
voavaly ashady ve? Tssss....taraiky be izany fidirako izany! :-D
9. jajaf401 ( 05/09/2005 10:32)
Zaho mba saika hiteny hoe ny an' Mompera tsy dia miasa firy:-D:-D:-D
10. sasa ( 05/09/2005 11:04)
inona ary no mifanohitra am hoe KITAY ?
11. rrmalala ( 05/09/2005 11:18)
rijatsif:

Lavabe ny an'ny malagasy;
i Casimir tsy manana; ary
ny Pape manana ihany fa tsy mampiasa azy intsony.
Inona ary izany ?


Anarana
12. lanto ( 05/09/2005 12:01)
bravoooooooo rrmalala :)
sasa> zany ve de mba misy ? Inona ary ny mifanohitra amin'ny hoe sasa ?
13. avana ( 05/09/2005 12:55)
tafita:

Ka ny an'i avana ange de io foana e, sady fantatro hoe tsy maintsy hamaly an'io injay zao i avana satria taddidko ilay resak'indry tamiko iny ange sa ..

Ntsss! taiza koa? tsika sy ndry ary mbola ts niresaka akory koa....

14. mandrindra ( 05/09/2005 13:48)
kitay # kipipi
15. bichette ( 05/09/2005 15:27)
:roll: zany tokoa ve ny valiny
16. sonwin ( 05/09/2005 18:39)
kitay # itaky
17. sasa ( 06/09/2005 04:41)
mety marina le KIPIPI ry mandrindra, fa raha ny tena marina d hoe KIMANY:-D:-D:-D:-D:-D
18. sonwin ( 06/09/2005 07:47)
tsy ampy "MA" iray lty io a
19. mandrindra ( 06/09/2005 10:47)
dia raha ampina "MA" anie io ry sonwin dia lasa hoe KIMANIMA e
20. rijatsif ( 06/09/2005 13:23)
Efa etsy ambony ny valiny!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8342