Fanontaniana mampivoatra lah 1

1. DotMG ( 01/09/2005 12:50)
1) VEHIVAVY MISEHO NONO: Fa maninona kay no isaina ho mahamenatra ho an' ny vehivavy raha miseho ny nonony, kanefa ny lehilahy tsy maninona na miboridana aza ny tapany ambony?
2) BAIBOLY KATOLIKA SY PROPESITAH? Fa maninona kay ny Baiboly no misy amin' ny dikany samihafa na dia amin' ny tenim-pirenena iray aza, ohatra hoe ny Baiboly malagasy dia hita amin' ny dikany protestanta, katolika, DIEM, ... Angaha tsy tokony ho iray ihany no loharanom-boky nandikana azy ireny tam-boalohany, ary Iray ihany ny Tenin' Andriamanitra?
3) CASSEURS DE VITESSE: Fa maninona kay ny "casseurs de vitesse" no tsy apetraka raha tsy amin' ny làlana malalaka sady azo handehanana mafy? Ary maninona indray anefa ny "Voie Express" any am-pita no tsy mba asiana "casseurs de vitesse"?
4) DELESTAGE: Fa maninona kay ny délestage no tsy mitranga raha tsy amin' ny fotoana tena ilana angovo iny indrindra?
5) ANARAM-BOSITRA FILOHA: Fa maninona kay ny filoha Ratsiraka no nohafohezina hoe Radidy no fiantso azy ary nomena anaram-bositra hoe Deba, ary ny filoha Ravalomanana nohafohezina hoe Ravalo no fiantso azy ary nomena anaram-bositra hoe Ramose; nefa ny filoha Zafy kosa tsy mba nohafohezina hoe Bera na nomena anaram-bositra hoe Zefa na koa hoe Zafy Labiera?
6) MAMANY MITSANGANA: Fa maninona kay ny lehilahy no mitsangana rehefa mamany, nefa azony atao koa ny mamany mipetraka?
7) MANASA RAZANA: Fa maninona kay ny Malagasy no manasa ny razana alohan' ny handevenana azy?
8) MIANDRY FATY: Fa maninona kay ny Malagasy no miandry faty? Atahorana hitsoaka angaha sa hisy hangalatra?
9) MITAINGINA FITAOVAM-PITATERANA: Fa maninona kay rehefa mampiasa fitaovana hafa ankoatry ny fentsika isika hitaterana ny tenantsika dia mampiasa ny voambolana hoe mitaingina (mitaingina fiarakodia, fiaramanidina, sambo, lakana, bisikilety -- raha zavatra tsy mananaina; mitaigin-tsoavaly, boriky, ... raha biby) nefa rehefa baben' i Neny na ataon' i Dada antsangory no tsy mba miteny hoe "Nitaingina an' i Neny" na hoe "Nitaingina an' i Dada"? Misy mahasamihafa azy angaha ao?
10) FANAFOHEZAN-TENY: Fa maninona kay ny teny hoe fanafohezan-teny no atao lava be?
11) PAOLY: Fa maninona kay ny Apostoly Paoly no mampanantena foana ao amin' ny ankamaroan' ny epistily soratany hoe: Ho avy tsy ho ela aho hamangy anareo?
12) FOMBAFOMBAM-PIVAVAHANA: Fa maninona kay ny fivavahana amin' Andriamanitra no atao be fombafombany sy pitsopitsony be? Fa maninona raha tonga dia vakina ny Tenin' Andriamanitra dia lazaina amin' ny mpino hoe "Manaova an' izao, dia aza manao an' izao" dia izay?
13) FARANY: Fa maninona kay no mametraka ireto fanontaniana be dia be ireto aho?

Homeko amin' ny manaraka ihany ny valiny fa raha tianao dia azonao atao aloha androany ny miezaka mamaly ireo fanontaniana ireo. Mampanantena aho fa tena misy fahendrena tokoa ao ambadik' ireo fanontaniana ireo ary raha mandany fotoana kely ianao handinihana ny tena zava-dehibe amin' ny fiainana, hametrahana ny TENA FANONTANIANA fa tsy ny resa-be tsy ahitam-bokatsoa; dia ho fanoitra hampandroso ny fiainanao tokoa izany. Raha tena miezaka mitady ny valin' ireo fanontaniana ireo tokoa ianao, dia tsy maintsy hisaotra ahy noho ny nanoroako anao ny làlan' ny fahombiazana. Nefa aza adino fa "Hatsikana sy Lalao" ity an!

(Ny lohatenin' ity hevitra ity moa dia hoe Fanontaniana mampivoatra lah 1, koa rehefa mahita fivoarana avy amin' ity lahatsoratra ity isika dia hoezahina ihany koa ny hamoaka ny laharana manaraka hafa rehetra).
novalian'i Veloo ny 15/09/2005 17:11
2. sonwin ( 01/09/2005 13:36)
14)LOHA-HEVITRA: Fa maninona no atao eto amin'ny hatsikana sy lalao?
15)FANONTANIANA:Mampivoatra marina ve ireo fanontaniana ireo?
16)NY AMPITSO: Ny ahy izao ny fanontaniana hapetrako isan'andro dia hoe inona indray no tokony hataoko rapitso mba hazahoako fahombiazana?
17)FARANY:Fa naninona za tsy namaly ny fanontaniana napetraka?

Aza hadino fa hatsikana sy lalao ity an
3. rijatsif ( 01/09/2005 14:08)
=))=))=))
4. Veloo ( 01/09/2005 17:20)
18) HATSIKANA - fa minona kay no misy fanontaniana be dia be ato e? hahahahah
5. ratole ( 02/09/2005 10:22)
19)VALINY : Fa maninona kay ny olona no tsy misy mamaly?
6. Kotity ( 02/09/2005 11:37)
Valiny:
1- Satria ny nonon\'ny vehivavy manaitra ka sao de hifanenjehana eo
2- Satria samy malagasy aza misy tsy mifankahazo fiteny
3- Hisorohana ny loza
4- Satria izay no mampety ny tantàna
5- Satria efa fohy kely le hoe Zafy
6- Satria manjary mitifitra any @ tsy tokony ho izy, ka mandena olona
7- Satria manjary maloto le akanjo vaovao
8- Amin\'iny mba manararaotra misotro toaka kely fa malahelo zany é de mamono eritreritra é
9-Satria Dada sy Neny tsy fitaovana
10- Izay no mampazava azy @ teny gasy
11- Satria fantany fa ilain\'ny olona ny famangiany
12-Satria ny famonjena dia natao ho an\'izay mendrika izany ihany
13- Satria tsy ananao ny valiny
7. Veloo ( 02/09/2005 17:37)
:{:{:{
8. Mariano ( 03/09/2005 16:24)
Alefaso haingana ny valiny de ho hitantsika eo daholo ny dikany. Zah afa-po.
9. scorpion ( 03/09/2005 20:42)
:-$
10. DotMG ( 05/09/2005 06:31)
Thanks a lot Kotity! Efa mahita 19,75/20 ingahy. Mention très honorable izany.
sonwin: 16/20
veloo+ratole : passable.

Fa ireto no valiny dia diniho:

1) VEHIVAVY MISEHO NONO: Tamin' ny voalohany ny olombelona rehefa omena zavatra hohanina dia ny antsasak' ilay zavatra omena azy ihany no arapany. Dia nomen' ny bibilava paoma ary ity Eva, dia narapany ny antsasany ary nomeny an' i Adama kosa ny antsasany. I Adama indray nahazo an' io tany amin' i Eva dia narapany ny antsasak' io, izany hoe ny ampahefatr' ilay paoma fa ny ampahefany kosa nariany teo am-pototr' ilay hazo. Koa satria betsaka kokoa noho ny narapak' i Adama no narapak' i Eva, ary satria ny fihinanana an' ilay paoma no mahatonga ny fahamenarana, dia betsaka kokoa ny mahamenatra ho an' ny vehivavy. Dia mba eritrereto ange raha ohatra ka natelin' i Eva daholo ilay paoma iray manontolo fa tsy nomeny mihitsy i Adama e! Ny lehilahy izany miboridana tanteraka daholo tsy misy olana mihitsy fa ny vehivavy rehetra kosa dia mitafy sahala amin' ireny "Astronautes" ireny avokoa...
2) BAIBOLY KATOLIKA SY PROPESITAH? Ny Tenin' Andriamanitra no Iray ihany, marina izay, fa ny hoe iray tokana ihany ny boky nandikana azy, izay kosa angamba tsy dia marina loatra. Fantaro fa ny soratra amin' ny teny Grika aza misy "copies" maromaro. Hitanao rahateo ao amin' ny Baiboly vakianao fa feno ilay marika hoe "Na:.." na "Heb. ..." na "Gr." iny izy. Izany hoe na ny dika protestanta aza dia mbola misy heviny roa na telo na maromaro ihany ka tsy sahin' ny mpandika baiboly itompoana teny fantatra hoe ity no tena dikany.
3) CASSEURS DE VITESSE: Ny dikan' ny "casseurs de vitesse" dia hoe "eto ialahy tsy mahazo mandeha mafy". Any amin' ny toerana tsy nasiana azy ireny izany ialahy mahazo mandeha amin' izay hafainganam-pandeha revirevin' ialahy.
4) DELESTAGE: Amin' ny fotoana tena ilana angovo dia be mpampiasa ny angovo dia manjary tsy ampy ny angovo vita-nanahary ka voatery ahodina ireo fitaovana mamokatra angovo mandeha amin' ny angovo vidiam-bola. (Ho an' ireo tsy mahazo tsara dia voatery ahodina ireo "Centrales thermiques" izay mandeha "Fuel" vidiam-bola ka manjary TSY MAHAZO TOMBONY LOATRA ny orinasa mpamokatra angovo, dia aleo tapahina ny jiro any amin' ireo toerana tsy misy olona ambony mipetraka mba ho ampy hozarain' ireo sokajin' olona sisa ny angovo vita-nanahary.)
5) ANARAM-BOSITRA FILOHA: Satria fa... ny vaohoààka ihany no tompo-marika amin' io.
6) MAMANY MITSANGANA: Fanomezan' Andriamanitra anankiray iny ho marika fa tsy afaka ny hitovy zo amin' ny lehilahy velively ny vehivavy. Manandrama hianareo vehivavy an' izany hoe mamany mitsangana izany dia ho hitanareo tokoa ny atao hoe mitsororika amin' ny fe. Ny Baiboly rahateo efa mampiseho zavatra maro izay mampiavaka tsara ny toerana nametrahan' Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy. Manomboka izao izany ry rahalahy isany isaky ny mamany isika dia aoka hieboebo tsara. Dia fadio manomboka mason' andro anio koa ny mamany mipetraka fa mampietry voninahitra, satria alaim-panahy hamany isika rehefa ilay mipetraka mangery iny. Izany hoe rehefa mipetraka ao an-trano fivoahana dia izao no filamatra: "Aza mamany, mangere fotsiny ihany".
7) MANASA RAZANA: Ny Malagasy dia vahoaka tia milalao faty. Ny manasa razana no fomba iray hahafahan' ny olona milalao faty lena. Rehefa maina moa ny razana dia tsy hain-dRamalagasy velively ny tsy hanao famadihana. Na mandany ohatrinona io na mandany ohatrinona tsy maninona fa milay ilay milalao faty e! Rehefa tsy misy aza ny faty holalaovina vitan' ny sasany ny mamorika.
8) MIANDRY FATY: Ny Malagasy koa dia olona be fanantenana. Na efa mihinana ny kapany aza izy ka lazaina hoe mahareta kely fa mbola ho avy ny anjaranao; na efa tsy misy mandeha amin' izay laoniny aza ny zavatra atao ka lazaina hoe "Mbola mety io", dia manantena foana ry Levendrana. Dia ny antony iandrasam-paty dia tsy hoe sao hisy hangalatra na hoe sao hitsoaka fa hoe sao mbola velona ihany io rahalina ...
9) MITAINGINA FITAOVAM-PITATERANA: Rehefa mitaingina an' ireo fitaovam-pitaterana voalaza etsy ambony ireo isika, ankoatry ny olombelona, dia misy olombelona ihany mibaiko azy ireny (ohatra hoe saofera, mpanamory, ...) Rehefa baben' i Neny kosa na ataon' i Dada antsangory dia tsy mandeha amin' izay ibaikoantsika azy izy fa ny sainy ihany no mitondra ny tenany sy ny tenantsika. Noho izany dia tsy "mitaingina" isika fa "entina".
10) FANAFOHEZAN-TENY: Raha tsy nisy ny teny lava tsy nisy ny fanafohezan-teny. Koa ny maha-lava ny teny hoe fanafohezan-teny dia efa mampitombo isa ny teny lava tokony hohafohezina ary manamafy ny antom-pisian' ny teny hoe fanafohezan-teny rahateo. Politika avo lenta tsara ianarana io, ary efa ampiharin' ireo olona mahomby amin' ny ataony : Ny lohandohan' ny mpisorona ao amin' ny sekta iray ohatra mba mandoa rakitra ihany koa ary tsy mitsitsy ampahafolon-karena, nefa ho an' iza moa ny rakitra voangona eo fa tsy hiverina any aminy ihany? Dia toy izany koa ny orinasan' ireo mpitondra mifanesy ireny mody mandoa hetra tsara ery.
11) PAOLY: Hay ve, dia andraso eo Paoly izany.
12) FOMBAFOMBAM-PIVAVAHANA: Anontanio Benoit.
13) FARANY: Maro ny olona vendrana, tsy manan-katao sy tsy ampy fialam-boly mitsidika ity sehatra ity, ka mba handany ny dimy minitran' izy ireny no antony hametrahako izao lahatsoratra lavalava izao. Mba manasoa ny maro fa izay no tadiaviny e!
11. Kotity ( 05/09/2005 18:17)
hoy i Dotgm

FARANY: Maro ny olona vendrana, tsy manan-katao sy tsy ampy fialam-boly mitsidika ity sehatra ity, ka mba handany ny dimy minitran' izy ireny no antony hametrahako izao lahatsoratra lavalava izao. Mba manasoa ny maro fa izay no tadiaviny e!

enao kounkou zany =))=))=))
12. sonwin ( 05/09/2005 18:38)
8)cool fotsiny an
13. sasa ( 06/09/2005 04:43)
za aloha tena kamo hamaky an'io kle aleoko mamaky zavatra hafa
14. sonwin ( 06/09/2005 07:50)
marina zany leisy le,ilay mamaky zavtra hafa ihany no milay8)
15. Veloo ( 06/09/2005 20:37)
dotmg:evil::twisted::twisted::twisted::evil:
16. sasa ( 08/09/2005 04:54)
frera za efa avy namaky lesy an, mbo tantarao aloha izay novakin'lah tany e
17. sonwin ( 08/09/2005 12:08)
namaky boky leisy za de tsy nety nisokatra a! ary elah namaky inona?
18. sweetia ( 08/09/2005 13:29)
tena mifona kosa alo za fa de kamo de kamo mits hamaky io zvt lava be io ee.... mba asio famitinana kely azfd fa tena tsss...:°):lol:8)cool fotsiny mo le fiteny teo ry sonwin an!!:°):-D
19. Veloo ( 08/09/2005 18:33)
sonwin =))=)) nareo rolahy reto tena tsssssss :-D:^):/
20. sweetia ( 15/09/2005 14:40)
boky mihidy lakilé zany sokafy haingana sao bobongolo ao:-P:^):-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3845