Ny firaisam-pinoana

1. LazaRandri ( 24/08/2005 00:39)
Rahalahy sy anabaviko avokoa na ny Silamo, ny Mormon, ny Vavolombelon'i Jehova, ny Katolika, ny Bodista, ny Taoista, ny Hindo, ny Protestanta, ny Jiosy...sns... Kanefa ahoana hoy Kristy?

"Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy,
tahaka ny maha iray Antsika."
Jaona 17:11b

Iza ary hoy ianao ireo olona nivavahan'i Jesoa tamin'Andriamanitra ireo?
"Izaho mangataka ho azy; tsy[/bi] mangataka ho an' [b]izao tontolo izao Aho, fa ho an' izay nomenao Ahy, satria Anao izy." Jaona 17:8.
Mazava tsara eto fa tsy "izao tontolo izao" no irian'i Jesoa ho "iray" tahaka Azy sy ny Ray. Izany hoe tsy nangataka ny hampiray ny "ondry" sy ny "osy" Izy. Tsarovy fa tsy misy marimaritra iraisana izany na dia kely aza.

Ny olona nanaovany vavaka dia ireo olona mandray ny teniny, ary mino Azy tanteraka.
"Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy." Jaona 17:8
Olona toy inona izany "nandray ny tenin'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Jesoa" izany? Azo antoka fa tsy mpanompo sy tsy mpiankohoka amin'ny sampy sy andriamani-kafa, tsy mpijangajanga, tsy mpivavaka amin'i Jezebela na olon-kafa fa Andriamanitra Ray-Zanaka-Fanahy Masina ihany, tsy mpamono olona, tsy mpanandra-tena, tsy antikristy,...

Ary izay rehetra mino Azy noho ny fampianarana ny teniny dia nangatahany tamin'Andriamanitra ihany koa.
"Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny." Jaona 17:20 :)


novalian'i deghany ny 30/08/2005 08:40
2. maditra ( 24/08/2005 04:16)
Mety marina izany fa tsy maintsy asiana flexibilite ny fiainana. Tsaronao angamba i Jesoa nisotro rano tamin' nyy sinin'ilay vehivavy Samaritana. Izany hoe, na dia tsy mifanaraka hevitra sy tsy mitovy fiaviana aminao ny olona sasany dia adidinao amin'ny maha- Kristianina ny mihavana amin'ireny, sy mifandray aminy fa kosa tsy mivoky ny lalivainy izay mbola nazavain'i Jesoa koa hoe tsy tena lalivain'ny mofo izany fa ny foto-kevitra sy ny hafetsen'ireo.
3. LazaRandri ( 24/08/2005 04:36)
ka izay anie ry Maditra no mahasadaikatra amin'ilay marimaritra iraisan'ity firaisam-pinoana ity e.
Tsy resaka fihavanana na fifandraisana ilay izy fa firaisam-pinoana.
Sa misy afaka manazava misimisy hoe hatraiza ny fefy? Voatandrina ve izany fefy izany? Mba mahaliana ihany fa toa mora miditra amin'ilay vavahady mikodanan'ny marimaritra iraisana isika.
4. Merlo ( 24/08/2005 06:02)
Izaho dia tena manaiky mihitsy ny tenin'ilay namana voalohany io mihitsy satria amiko dia tsy misy marimaritra iraisana izany ny fiarahana amin'Andiamanitra
5. xxx ( 24/08/2005 09:05)
LazaRandri >>
ary ahoana ny firaisampinoana eo @ loterana, katolika, advantista, pantekotista, batista,...
toa tsy hisy hevitra koa io sa ahoana?
6. ari.malala ( 24/08/2005 09:24)
ny atao hoe fampiraisam-pinoana aloha voalohany indrindra dia ny fiarha-manaiky fa iray ihany no voalazan'ny Tenin'Andriamanitra fa tsy samy haka sombiny dia iny no ifotorana sy roritina entina hanamarinan-tena. Tsy azoko aloha ilay hoe marimaritra iraisana, @ inona? Ko tsy ataoko ity ny fanarahan-dia an'i Jesoa ve no tanjona iraisana? ko inon no marimaritra iraisana @ zany?
7. routa ( 24/08/2005 11:28)
tsy misy firaisampinoana zany na hanao inona na hanaoahoana fa tsy maintsy mizara roa .
matoa izy miray ireo voalaza eo ambony reo de mitovy ny tanjony fa misy sy hitovizany ao
fa tsy maintsy misy hafa tsy hampiray an-dreo.
@finoana io an!
8. ravakamalala ( 24/08/2005 12:04)
Mazava ho azy fa tsy misy ny marimaritra iraisana, araka ny tenenin i LazaRandria dia tsy fihavanana akory no resahana eto zany hoe fifandraisan ny samy olombelona fa ny fifandraisana amiun Andriamanitra. Andriamanitra nanome didy antsika, tsy maintsy arahina raha tia azy isika fa tsy handeha hitady marimaritra iraisana, sady mety amin ny andanininy no mety amin ny ankilany. TSY MISY MARIMARITRA IRAISANA.

Ka noho izany , raha tiany ho iray isika dia misy izany ny lalanA TOKANA SADY MARINA mankany aminy. Fanontaniana : IZA TOKOA NO TENA MILAZA NY MARINA?

Hiezaka hamaly araka ny fahalalako aho, hevitra ny ahy fa tsy mbola misy conviction-ko akory, fa na izaho manokana aza dia mbola tena eo ampitadiavana ny lalana tokony alehako, tsy raisiko ho fahalemena izany satria Jesoa dia tonga hitsabo ny marary, ny jamba hahiratra.

Ny fivavahana monothéiste no ho resahantsika eto :
JUDAISME / Amiko éliminé d'office satria tys mino ny isan ny foto pinoana kristiana iray izay atao hoe TRINITE / Amin izy ireo dia tsy i Jesoa ilay mpamonjy.

CATHOLICISME : Fivavahana kristiana nisy voalohany tao aorian ny fahatongavan i Jesoa tety antany : mifototra amin ny hoe : Tu es Pierre, et sur cette pierre je bâtirais mon Eglise. Ka io ve ilay Eglise tokony arahintsika?

Dia avy eo nanaomboka nisy ny fisarahana maro samihafa (schisme) : Ao main ny samy katolika aloha dia efa misy ny Tradition catholique sy ny Vatican II (ity farany ity dia oeucuménique kokoa).

PROTESTANTISME : Avy amin i Luther, mahatonga ny hoe LOTERANA, fa misy ihany koa ny protestant avy amin i Calvin. Ireo fivavahna ireo dia niala tamin ny fivavahana catholique avokoa noho ny antony maro samihafa (tsy mbola nohalaliniko)

Dia mbola etsy andaniny koa ny ORTHODOXE sy ny ADVANTISTA.

FANONTANIANA 1 manitikitika ny lohako dia ny finoana anie ka mifototra amin ny atao hoe DOGME ( tsy azo ahozongozona).
NAHOANA TOKOA MOA NO NISY OLOMBELONA MANDINDY TSOTRA IZAO FA DISO NY LALANA NALEHA VOALOHANY INY KA ALEO MIOVA LALANA?
9. LazaRandri ( 24/08/2005 21:54)
ravakamalala:
IZA TOKOA NO TENA MILAZA NY MARINA?

Ny azoko antoka sy ambara anao fa milaza ny marina tanteraka dia Andriamanitra. Na inona eritreretinao araka ny fahendrenao, na tenenin'olona dia "interpretation" ireny, fa ny Tenin'Andriamanitra irery no azo antoka fa "verite absolue". Rehefa tsy manaiky an'izany dia aza "mino" na kely aza fa tsy misy dikany inoana zavatra raha "tsy marina tanteraka"


Fantatro fa hisy hanontany hoe ahoana no ahafantarana fa izao sy izao marina no tenin'Andriamanitra? Aoka tonga dia azavaiko mialoha:
"hitady Ahy ianao ary ahita Ahy, raha mitady ahy amin'ny fonao manontolo" hoy ny Tompo ao @ Jeremia 29:13.

10. LazaRandri ( 24/08/2005 22:13)
ari.malala:
Ko tsy ataoko ity ny fanarahan-dia an'i Jesoa ve no tanjona iraisana?

izany marina ve no tanjona iraisan'ny Pape sy ny Silamo sns...?
11. LazaRandri ( 25/08/2005 00:08)
"ravakamalala":
NAHOANA TOKOA MOA NO NISY OLOMBELONA MANDINDY TSOTRA IZAO FA DISO NY LALANA NALEHA VOALOHANY INY KA ALEO MIOVA LALANA?


Tsara be ilay fanontanianao io. Tsara halalinina koa angamba ny hoe "nanomboka tamin'iza tokoa ary ilay niova lalana" ireo? Tsy voatery hoe niova "anarana" fa rehefa niova sy nivily tamin'ny Vaovao Mahafaly?
12. fijo ( 25/08/2005 04:44)
laza randria,iza anefa no hafaka hanaporofo fa izao andriamanitra tsy mbola nisy nahita izao tokoa no niaza izany???????
13. LazaRandri ( 25/08/2005 05:28)
Fijo an, tsy hanome porofo anao aho satria tsy ho takatrao raha tsy ianao mihitsy no vonona hikaroka ilay porofo. Ny fantatro fotsiny dia hoe raha mitady ianao dia ianao dia ahita.

"Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany". 2Kor2:14

Mazava aminao angamba ny dikan'io? Raha tsy azonao dia raiso ilay Baibolinao (na ilay an'ny vadinao) dia vakio ao amin'ny 1corinthiens 2 :)
14. ari.malala ( 25/08/2005 06:20)
LazaRandri:

ari.malala:
Ko tsy ataoko ity ny fanarahan-dia an'i Jesoa ve no tanjona iraisana?

izany marina ve no tanjona iraisan'ny Pape sy ny Silamo sns...?



fa iza no miteny aminao fa ny silamo d kristianina?
15. LazaRandri ( 25/08/2005 06:26)
Ka ny Pape aza miteny fa Andriamanitra iray ihany no ivavahan'ny kristianina sy ny silamo ka inona indray?
16. scorpion ( 25/08/2005 08:26)
Andrimanitra iray ihany no hifaharan'ny fivavahana rehetra na silamo,na kristianina na judaisme etc...roa ihany ny hery eto amin'ny misy sy ny tsy misy: Ny mazava sy ny maizina. Ka izay mivavaka mitady fahasoavana dia any amin'ny Mazava:Andrimanitra iray ihany, izay makany amin maizina dia Satana, tsy misy ny eo antenantenany.
LazaRandri>Tsy ianao kristianina ihany akory no mahalala an'Andriamanitra iray mahefa ny zavatra rehetra sao diso hevitra!
17. LazaRandri ( 25/08/2005 10:55)
"scorpion":
Andrimanitra iray ihany no hifaharan'ny fivavahana rehetra na silamo,na kristianina na judaisme etc...

Aoka ho tsoriko aminao fa diso izany. Tsy mba vitan'ny hoe diso akory fa "fametavetana" mihitsy.
Iza i Kristy amin'ny Kristianina dia iza i Kristy amin'ny fivavahana hafa? Izay ihany dia mahavaly anao fa TSY MITOVY ny Andriamanitra inoan'ny Kristianina sy ny hafa.

"scorpion":
Tsy ianao kristianina ihany akory no mahalala an'Andriamanitra iray mahefa ny zavatra rehetra sao diso hevitra

Fantatro soa aman-tsara fa i Satana koa dia mahafantatra Azy saingy tsy manompo Azy fa manohitra azy. Ary izany no antony hamitahany olona maro dia maro tsy hanompo an'Andriamanitr'i Abrahama sy Isaaka ary i Jakoba.
18. jentilisa ( 25/08/2005 15:04)
Ary tena misy pasitera be ato amin'ny tanàna izany an!
izao ary:
1_inona no atao hoe fampiraisam-pinoana amin'ny katolika?
araka ny fahalalako azy dia fifampidinihina no tena marina kokoa eo amin'ny samy mpino fa tsy hoe miara-mivavaka avy hatrany.
raha jerena amin'ny dikany ny teny hoe eokimenika dia milaza hoe ny tany rehetra ao anaty fiadidiam-paritra. nilazana ny faritany nanjakan'ny romana manontolo ara-pitsarana io. Koa raha avy amin'izay no ijerena azy dia tahaky ny hoe fiaraha-midiniky ny mpino na mpanaraka fivavahana rehetra ny fifampidinihina ara-pivavahana. Toy ny mametraka hoe inona no tokony hobanjinin'ny rehetra ao anaty fivavahana. Izay fijery izay dia tsy mitovy amin'ny an'ny protestanta
19. jentilisa ( 25/08/2005 15:11)
2_inona no atao hoe fampiraisam-pinoana eo amin'ny protestanta?
niainga avy amin'ilay fanirian'ny sinoa iray gaga noho ny anaram-piangonana isan-karazany nefa samy milaza ny tenany hoe kristiana. Nahoana hoy izy no mitory olona iray nefa samihafa anarana...toy ny manahaka fa tsy mamory, araka ilay teny hoe izay tsy mamory dia manahaka. Izay no nipoiran'ny COE izay kristiana ihany no tafiditra ao.

Hita araka izao fahazoako azy izao fa tsy mitovy ny fomba fijery eo amin'ny katolika sy ny protestanta. Iza ary no manana ny lalana mety kokoa?
Samy manana ny fijeriny fotsiny ireo...
20. jentilisa ( 25/08/2005 15:22)
3_tsy mety ve ny fiaraha-mivavaka silamo sy kristiana?
ny fomba aloha dia efa sarotra nefa rehefa vakiana tsara ny baiboly indrindra fa ny momba an'Ismaela dia tsy nisy fanamelohana an'Ismaela mihitsy tao. I Paoly no nanavaka azy ho andevo sy tsy andevo,fa ny testamenta taloha kosa nanaja azy tamin'ilay fampanantenana hoe ho firenena lehibe i Ismaela. Izany hoe hisy fivavahana lehibe koa avy amin'ny taranak'Ismaela.
na dia eo aza izany toa zava-dehibe ihany izany hoe fifampidinihina izany hisian'ny fifanajana. Ilay dinika tsy nisy hatramin'izay fa samy nanaovana bodongerona ho hany manana ny marina no nampisy korontana hatrizay e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.709