Ny firaisam-pinoana

21. Herimiafina ( 25/08/2005 16:19)
Hafatra: ampitomboy ny finoanao fa anao samirery iny nomena tamin'ny Btisa sy ny Batemy.

Tandremo: maro ireo milaza ankehitriny fa tsy misy izany fivavahana tena marina izany ary ialao hono izay milaza azy ho marina.

Ny hevitro: tsy dia mitombona loatra izany fomba fijery izany satri amnome vahana ny fivavahana mamono olona, mandripaka, mamono tena, mijangajanga, mampiasa ny fiangonana hitadiavambola, sns, satria izy ireo dia hahatsapa fa tsy diso intsony ny fivavahany.

Soyons Realistes et Chrétiens.
22. scorpion ( 25/08/2005 19:38)
LazaRandri:

[Aoka ho tsoriko aminao fa diso izany. Tsy mba vitan'ny hoe diso akory fa "fametavetana" mihitsy.

Diso an!mbola fahalalana nandray fampianarana fa tsy fahalalana avo lenta ny an'ise, tsy omena tsiny:lol:

Hoy koa i LazaRandri: Iza i Kristy amin'ny Kristianina dia iza i Kristy amin'ny fivavahana hafa? Izay ihany dia mahavaly anao fa TSY MITOVY ny Andriamanitra inoan'ny Kristianina sy ny hafa.

Andriamanitra Ray Mpahary no resahiko ry zoky a!

[azy. Ary izany no antony hamitahany olona maro dia maro tsy hanompo an'Andriamanitr'i Abrahama sy Isaaka ary i Jakoba.


Io Andrimanitr'i Abrahama resahinao io mihitsy no hivavahan'ny Silamo, mba adihadio aloha ny an'ny hafa vao miteny fa tsss...mbola betsaka ny zavatra tsy araky zoky fa mivavaha mafy fotsiny e,dia aza adino fa tsy anareo irery Andriamanitra Ray.Ny Zanaka no anareo fa amin'ny hafa Izy mpaminany lehibe.


23. LazaRandri ( 25/08/2005 21:56)
"scorpion":
Io Andrimanitr'i Abrahama resahinao io mihitsy no hivavahan'ny Silamo, mba adihadio aloha ny an'ny hafa vao miteny fa tsss...

andao mba iarahantsika sy Scorpion adihadiana e!:) Mino ve ny Silamo fa "ny Teny dia tao amin' Andriamanitra, Andriamanitra dia Teny, ary ny Teny tonga nofo (Andriamanitra ilay Teny tonga nofo tao amin'i Kristy)"? Angamba tsy mino ry zareo e?

Hoy i Jesoa tamin'ireo Jiosy nirehareha fa tarana'i Abrahama: "Raha zanak'i Abrahama hianareo, dia ny asan'i Abrahama no hataonareo. Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin'ny [mitoetra amin'ny] marina satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga. Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo." Jaona 8:39,44-45

Dia tohizantsika hoe inona avy izany marina nolazain'i Jesoa izany? "Izaho no lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako" hoy Izy.


Eto indray dia hadihadiantsika ny voasoratra ao amin'ny Koran an'ny Silamo:
Sura 2.62 sy 5.69, voasoratra ao fa ny Kristianina sy ny Jiosy rehetra dia mankany amin'ny paradisa.:)
Dia mba anjaranao ny mamaky hoe mankaiza kosa ny Silamo ao amin'ny Sura 19.71:)


24. LazaRandri ( 25/08/2005 22:08)
"herimihafina":
Tandremo: maro ireo milaza ankehitriny fa tsy misy izany fivavahana tena marina izany ary ialao hono izay milaza azy ho marina.

tena tetik'adin'i Satana (lay renin'ny mpijangajanga)mihitsy io fa misaotra anao. Fantaro amin'ny voany ny hazo hoy i Kristy. "Tsapao ny fanahy rehetra" dia ianao ihany dia ahalala izay avy amin'Andriamanitra sy izay avy amin'i Satana.


Jentilisa an, mba omeo famaritana mazava ilay firaisam-pinoana aloha. Aiza ny fefy? Fahamarinana avy amin'ny finoana inona no akambana amin'ny tsy fahamarinana avy aiza, ka iraisan'ny rehetra inoana?:)
25. xxx ( 26/08/2005 07:53)
ny teny gasy no manao hoe fampiraisam-pinoana fa ny teny hoe ekiomenika dia mamaritra ny hoe ao anaty fanjakana, izany hoe ao anatin'ny fivavahana.
ny finoana iraisana dia hoe samy mino fa ny inoana no samy hafa. Mazava ve?
26. jentilisa ( 26/08/2005 09:06)
LazaRandri> nahoana ianao no mitsara ny silamo ho tsy fahamarinana avy hatrany? ny fihaonana ve midika avy hatrany fa mikambana izy? ny fifanajana hisian'ny fifanakalozan-kevitra no tanjona fa tsy ny samy manao bemarenina hoe ny finoako ihany no marina.

Sa nanao ny tsy fahamarinana ve ny Andriamanitry Abrahama nitso-drano an'Ismaela ho firenena lehibe?
Kristiana aho fa tsy ekeko ny fametrahana na fandidiana ny ahy ho marina ka ny hafa dia diso. Na dia marina aza aho nefa ny fomba hanehoako azy amin'ny tsy fahamarinana dia manameloka ny zavatra ataoko ihany izany.

Tsarovy fa ny didy mitoetra ho antsika dia roa ihany ny lehibe dia manao hoe Tiava sy tiava... hainao rahateo ny manohy azy. Koa mitory ny fitiavana ve aho raha miteny amin'ny eo akaikiko hoe izaho marina ary ianao diso? tonga dia hiaro tena avy hatrany ilay itenenako hoe diso ka tsy hihaino ahy intsony...tafita ve amin'izay fotoana izay ilay hoe fitiavana? indrisy...anjaranao no mieritreritra aloha!
27. ravakamalala ( 26/08/2005 09:51)
jentilisa > Endrika fitiavana ny tsy fijerena arona antava, haiano ilay fitenin ny ntaolo hoe zaza tiana tsy hitsitsiana rotsankazo? Raha hitanao zao kosa ve fa diso ny lalana alehan ny olona iray, tsy fitiavana ve hoy ianao ny antony ilazanao aminy hoe an, an, an aza mankany ianao fa antsana ny any ary porofoinao mazava tsara mainy fa tena antsana tokoa ary ambaranao aminy ihany koa ny natony hitenenanao hoe inn no mahatsara an ilay lalana tokony arahiny?
28. booboo ( 26/08/2005 11:47)
ny an'i xxx no mamaritra ny atao hoe firaisam-pinoana
29. jentilisa ( 26/08/2005 13:34)
marina fa tsara ny tsy mijery arina an-tava fa ny fomba fiteny azy ihany koa dia hafa. Ny resaka fivavahana anie ka fitaizana e? tsy tonga dia hita mivandravandra hoe diso izany na marina izany. Raha vao misy izany ny fifandresen-dahatra dia efa hafa ny fitondra azy e! raha olona tsy mifankatia no hifampitsikera moa tsy vao maika mahatezitra izay tsikeraina izany?
30. LazaRandri ( 27/08/2005 03:54)
Jentilisa an, aiza ho aiza amin'ilay nosoratako no nitenenako hoe diso ny fivavahana Silamo? Sa ny "conclusion" nataonao avy amin'ilay fanadihadiana kely nataoko no itenenanao an'izany?

Na izany na tsy izany aloha dia izao no mba tiako tenenina anao: raha hitanao fa marina ny finoana Silamo dia inoy. Ary ialao ny finoana Kristianina raha misy mampisalasala anao na dia kely monja aza. Tsy mahasoa anao ny mino zavatra "mampisalasala" ary tsy misy marina sy diso tapatapany, fa na marina na diso.

Tadidio fa tsy misy ady hevitra sy fandresen-dahatra ny finoana. Tsy vokatry ny asan'olombelona sy ny lahateny feno fahendrena ny famonjena fa vokatry ny Fitiavan'i Jesoa.
31. jentilisa ( 27/08/2005 14:53)
izay fomba fiteny izay indrindra no tsy tiako. Fifanajana no atao mba haharesy lahatra ny olona amin'ny fivavahana lazainao fa marina fa tsy tonga dia valy boraingina toa ny ataonao izao. Aiza ianao no haharesy lahatra silamo raha izao no ataonao?

miala tsiny aho raha masiaka aminao. efa nahita ve ianao tato hoe nanenjika ny fivavahana kristiana aho? lazaiko anao fa raha olona no nojereko efa ela aho no tsy kristiana. fa hafa ny lalan'Andriamanitra matoa aho mbola izany...izay no mahatonga ilay soratra nanao hoe izay ataonao ho mpitondra fivavahana aoka mba tsy ho ilay vao resy lahatra vao haingana fandrao tratry ny fieboeboana indray izy. Timoty no nilazany izany.
32. deghany ( 30/08/2005 08:35)
maditra:

Mety marina izany fa tsy maintsy asiana flexibilite ny fiainana. Tsaronao angamba i Jesoa nisotro rano tamin' nyy sinin'ilay vehivavy Samaritana. Izany hoe, na dia tsy mifanaraka hevitra sy tsy mitovy fiaviana aminao ny olona sasany dia adidinao amin'ny maha- Kristianina ny mihavana amin'ireny, sy mifandray aminy fa kosa tsy mivoky ny lalivainy izay mbola nazavain'i Jesoa koa hoe tsy tena lalivain'ny mofo izany fa ny foto-kevitra sy ny hafetsen'ireo.


samy hafa zany ka!! le flexibilité eo le we nisotro rano t@ sinin'lay vvy samaritàna:

Fa tsy we nde hanaraka ny fivavahany refa hita fa tsy ara-baiboly: tsisy fléxibilité zany eo @io lafiny io!!
33. deghany ( 30/08/2005 08:40)
rano maloto tsy miaraka @ rano madio!! zay iany!!
Ny marina dia iray iany fa tsy we miafara @ iray iany reo fivavahana bedebe reo!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.223