JMJ

1. ari.malala ( 22/08/2005 05:13)
MIarahaba ê! :)

Mba afaka manome vaovao ve izay nanatrika ny JMJ? Misaotra ê! :)

novalian'i Vaillant ny 07/09/2005 13:24
2. xxx ( 22/08/2005 07:38)
ny vaovao tsy de misy firy fa toa tsy interressant ilay izy e! juste nahita ani' Benoit XVI de izay! asa anefa izay hitan'ny hafa teo amin'ny lafiny finoana????:roll:
3. stephan ( 22/08/2005 09:04)
Tena henjana ilay papa koah! toa sarotra be aminy izany mifandray amin'ny protestà izany. Asa izay ho fandehan'ny ffkm raha eo elaela ilay rangahy io?
4. ari.malala ( 22/08/2005 09:54)
fa sarotra manin hono? mba manomeza detail moa azafady ê! :)
5. ravakamalala ( 22/08/2005 10:47)
TSy vitan ny hoe sarotra fa raha tena zohina daholo ny "discours" ataon i Benoit dia tsy mi existe akory ny fifandraisana min ny protestant. I Jean paul 2 dia efa niteny fa ny protestantisme dia tsy religion fa communauté. I JP 2 aza nefa azoko lazaina fa misokatra kokoa noho i benoit 16. Io farany io anefa tsy vitan ny manaraka ny dian i JP 2 amin ny lafiny ekomenika fa mbola conservateur be iringiriny. Protestante za miteny ty an!
6. ari.malala ( 22/08/2005 13:43)
ravakamalala, zany we raha azoko tsara zany d ho very anjavony v ny ezaka nataon'i JP2 @ resaka fampiraisam-pinoana?
7. jentilisa ( 22/08/2005 14:00)
tahaka ny eto Dago ihany no misy izany fampiraisam-pinoana izany rehefa nodinihiko. Ny katolika eto no tena misokatra. fa asa na ho bedin'i Benoit XVI na tsia rehefa kelikely eo ry zareo.
8. ravakamalala ( 22/08/2005 16:43)
arimalala > Raha ny fahalalako azy, tsy niezaka ny hanantona ny protestant mihitsy i JP2, tadidio fa nisy ny fihaonandehibe ny religion rehetra, ny voaantso tam izany dia ny solotenan ny fivavahana silamo, boudista, orthodoxe, hindoue , jiosy , loterana, fa tsy nisy pasteur calviniste zany tao, izay mpisolotena antsika protestant. Mampanontany tena hoe aiza ny Marina?
9. ravakamalala ( 22/08/2005 16:46)

10. ravakamalala ( 22/08/2005 16:48)

11. tafita ( 22/08/2005 20:04)
Raha ny tamiko manokana izay tsy mbola tafaverina an-tanin-drazana hatramin'izao de nahafinaritra ny J M J tamin'ity indray mitoraka ity, nahita tanora maro izay tahaka ny mifandray am-po sahady raha vao nifankahita fa tsy tahaka ny tamin'ny 2000 izay samary nanahirana ahy ny relation avec les italiens .
Nisy anefa ny tsy de tomombana nefa ireny fomban-javatra amiko de teo amin'ny fandraisana ny vahiny sasany satria misy tsy nahita sakafo ho hanina ny sasany , nefa noho ny hafaliana t@ J M J de toa tsy nisy dikany izany ..........
Maro no nikoikoka raha naheno fa any Sidney amin'ny manaraka , ho lvitra hoan'ny sasany nefa tena tsara hoan'ny vahoaka Kristianina any amin'ny faritra Antsinana io..........

12. xxx ( 22/08/2005 21:43)
ravakamalala> vao tonga tany Cologne ny Pape de nihaona sy niaraka tamin lehiben'ny mpino protestanta, judaisme...miankina amin protestanta koa ny firaisam.pinoana fa ts ny katolika ihany.
JMJ izao: Tsara sy nilay.
13. LazaRandri ( 23/08/2005 01:39)
Tsy asiako resaka be ny momba ny JMJ. Sadaikatra ihany anefa aho amin'ity "firaisam-pinoana" ity fa toa firaisana amin'ny "anti-christ" ilay izy.

Iza no afaka hanome fanazavana ny "firaisam-pinoana"? Ny fahamarinana tahaka ny ahoana amin'ny finoana inona no akambana amin'ny tsy fahamarinana avy aiza?

Alavitry ny afo ny kitay satria Kristy dia nijoro hatramin'ny farany tamin'ny Fahamarinana. Ny Fahamarinana dia fahavalon'ny marimaritra iraisana izay indrisy indraindraina ankehitriny.

14. sonwin ( 23/08/2005 07:26)
JMJ no tokony horesahina eto fa raha te hiresaka firaisam-pinoana nareo ireo de manokafa loha-hevitra vaovao.
15. stephan ( 23/08/2005 07:30)
eh! ny loterana anie ka protestà e! fa inona no dikan'ny hoe ffpm?
16. sonwin ( 23/08/2005 07:34)
le ranamana ito mihitsy kay no namily ny lohahevitra ho lasa Pape sy firaisam-pinoana.Manokafa loha-hevitra vaovao ry ise fa resaka JMJ no tokony ho eto an!
17. stephan ( 23/08/2005 07:39)
Ny mahatonga ilay resaka hivily anie r'ise ka toa tsy tian'ny papa ny hifandray amin'ny protestà, araka ny teniny tao amin'ny JMJ. nanao ahoana ny tany hoy ny fanontaniana voalohany dia ny fahatsapana fa toa tsy te-hahalala afa-tsy ny katolika izy no hita aloha.
18. LazaRandri ( 23/08/2005 07:39)
firaisam-pinoana = marimaritra iraisana.

Sanatria sahala amin'ny hoe nifanaraka tamin'i Satana i Kristy dia nanaiky nanova ilay vato ho mofo, na niankohoka teo anatrehany, na nitsambikina avy eny an-tampon'ny Tempoly, dia nahazo Izao Tontolo Izao tambin'ny fifanarahana :)

"2Kor6:14-16":
Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan'ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino? Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy?
19. sonwin ( 23/08/2005 08:44)
Stephan> taiza ho aiza tao amin'ny izay nambarany no nisy filazana fa ts te hifandray amin'ny protestant izy? dia taiza ny toerana nitenenany an'izany? daty?
Izao mantsy no zava-nisy:"On Friday the Pope's visit to World Youth Day was dedicated to coming together with Jewish, Protestant and Orthodox representatives-encounters which raised hopes for more harmonious future"...ka gaga ihany za amin zavatra ambaran'ise io.Raha ny toriteny nataony indray...asa ise na niheno tsara na nandika vilana fa ts nisy resaka protestant na katolika tao fa fandalinam-pinoana 100 isan-jato sy hafatra ho an'ny tanora ny hiaina ny evanjely etc...

LazaRandri:)
20. ari.malala ( 23/08/2005 09:42)
LazaRandri:

firaisam-pinoana = marimaritra iraisana.

Sanatria sahala amin'ny hoe nifanaraka tamin'i Satana i Kristy dia nanaiky nanova ilay vato ho mofo, na niankohoka teo anatrehany, na nitsambikina avy eny an-tampon'ny Tempoly, dia nahazo Izao Tontolo Izao tambin'ny fifanarahana :)

"2Kor6:14-16":
Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan'ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino? Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy?

JMJ no lohahevitra nosokafana, JMJ no tokony resahina. Momba io teneninao indray, dia jereo fa misy vavaka izay any nataon'i Jesoa momba ny hiraisan'ny mpianany manao hoe "ho iray ihany anie izy rehetra tahaka Anao Ray ato amiko ary izaho ao aminao" jereo ny toko sy ny andininy fa za tsy hanome :) ary aza adika vilana ny resaka fampiraisam-pinoana fa io vavaky ny Tompo io no ezahina tanterahina!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1605