JMJ

21. ravakamalala ( 23/08/2005 10:38)
Ndao ary fa resaka JMJ e! Ka nisy nametraka fanontaniana mantsy anie tao ambony dia namaly fotsiny zay e! Avereno amiko ny teniko fa tsy maninn ee! Refa misy ny resaka firaisampinoana dia miditra antsehatra aho.
Za moa tsy afaka nanatrika JMJ dia faly manotrona ny fifanakalozan kevitrareo eto zany dia arosoy faa homana zahay.
22. marozevo ( 23/08/2005 14:56)
xxx > Hoy ianao :"Tsy interessant ilay izy e..".
Tena tany Cologne ve aloha i xxx sa miantsampy train fotsiny?
Amiko dia manamarika ny tantaran'izao tontolo izao ny JMJ, satria mbola tsy nisy fotoana nahavoriana olona maro avy amin'ny firenena maro tahaka ny JMJ. Tsy ny Eokomenisma no tanjon'ny JMJ, na dia teo aza ny famangian'ny Papa ireo Fiangonana hafa. Ny tanjona dia ny fifandraisana misy amin'ny olombelona, izay harena tsy misy mahasolo... Izaho tena velom-panantenana nahita ireo tanora aman'hetsiny maro dia maro, na dia vitsy aza ny Malagasy. Manantena aho fa afaka taona vitsy, noho ny JMJ, dia hiova ho soa ny endrim-pifandraisan'izao tontolo izao.
23. xxx ( 23/08/2005 16:32)
-Raha ny fahalavitana sy ny fiharian-karena dia azo lazaina maro ihany ny gasy ka.54 nge ny gasy tany e, avy amin'ny diosezy 20 any Mada, akoatr'izay nisy fito hafa solontenan'ny fikambanana masina eo ambany fihahian'ny Jesoita.Teo ihany koa nefa ireo gasy avy Canada(serasera namana:)), Marseille, Nice, Lyon..dia Italie..etc...ary marozevo angamba iray amin'ireny gasy tany ireny e.
-JMJ: Fahombiazana no hilazako azy satria ireny no manamporofo fa miaina ny fiangonana ary maneran-tany tokoa.
24. LazaRandri ( 24/08/2005 01:04)
xxx:

-... akoatr'izay nisy fito hafa solontenan'ny fikambanana masina eo ambany fihahian'ny Jesoita.

hahaha! Tahaka ny ahoana kay izany olona solotenan'ny fikambanana masina tonga tany izany? Aza omena tsiny aho fa manontany an!:)
25. ari.malala ( 24/08/2005 06:21)
LazaRandri:

[quote=xxx]
hahaha! Tahaka ny ahoana kay izany olona solotenan'ny fikambanana masina tonga tany izany? Aza omena tsiny aho fa manontany an!:)




tena siora ve enao fa manontany? inon no dikanle oe hahaha! ????? aza manfintohina fa refa tsy hiresaka mijan!!!
26. LazaRandri ( 24/08/2005 06:29)
ka nampihomehy ilay voasoratra dia izany no mahatonga ahy manontany aloha sao diso ny fahazoako azy. I ari.malala tokoa ve io xxx io?:)
27. ari.malala ( 24/08/2005 09:20)
i ari.malala tsy kerisay ka hiafina ao mabadiky ny xxx, tsy hitako mintsy hoe inona no mampime @ zay voasoratra eo! rehefa tsy mahazo dia manontany am-panajana fa tsy mitsivanivany ohatr'io fa manafintohina!
28. xxx ( 24/08/2005 11:12)
LazaRandri> hahaha
29. marozevo ( 24/08/2005 14:20)
Any Sidney ny JMJ manaraka. Mety ho sarotra ho antsika Malagasy kokoa no mankany angamba, satria raha araka ny fahafantarako azy (Tsy siora aho anefa), dia tsy misy ambassade Australiana any M/car. Ny JMJ Cologne dia tena fahasoavana ho an'ny tsirairay, na eo aza ireo lesoka teo amin'ny fandaminana. Sady izao koa eh : Rehefa manao fivahinianana (pelerinazy) dia tsy maintsy miomana amin'ny fihafiana sasantsasany koa.
Fa izao ho'aho eh : Misy xxx firy aloha eto fa tena very aho ? Toa mifanohitra be manko no voalazan'i xxx ary amin'ny faharoa sy ny voalazany etsy ambony etsy.
Raha mba azo atao dia aoka mba tsy hampitoviana ny anarana eh.. Raha azo atao hoy aho. Misaotra.
30. booboo ( 24/08/2005 14:35)
Dé tsisy hafa-tsy xxx ilay nanao tatitra tery ambony tery ve no afaka mitantatra aminay eto ny raha tany ?
31. ari.malala ( 25/08/2005 06:15)
marozevo, @ herintaona v zany?
32. xxx ( 25/08/2005 14:00)
Ataoko xxx satria ts tiako ho hita hoe iza ilay izaho tany...stratejiam-pifandraisana daholo izany.
Ny JMJ manaraka dia 2008.
Ito misy rohy afahana mijery sationan-tsary...mitatitra miadana eto ihany za refa mandalo, momba ny gasy manokana.

www.wjt2005.de

Afaka mifidy ny teny hamakiana ny site ianao refa ao.
33. marozevo ( 26/08/2005 05:40)
Ny taratasy anonyme, ry xxx, dia tsy manana valeur na kely aza.
34. xxx ( 26/08/2005 06:48)
Ka rehefa tsy misy valeur ilay taratasy ataony dia aza rarahiana izay soratany ary aza vakiana akory izay ambarany.
35. ari.malala ( 26/08/2005 11:19)
misaotra an'i xxx nanome anle site ê! :)
36. xxx ( 27/08/2005 06:34)
Eto indray raha hijery sary maro tany amin'ny JMJ

www.wjt-foto.de

ari-malala>tsy misy fisaorana:wink:
37. xxx ( 05/09/2005 13:03)
xxx salut!
marina izany e! Fahombiazana ny JMJ !!! ary nahafinaritra.
38. Vaillant ( 07/09/2005 13:24)
Ialantsiny raha izao vao nahita ny lohahevitra, ka mandray anjara. Ny tenako nanatrika hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ny JMJ. Marihina fa tsy anisan'ireo 54 solontena ofisialy niainga avy tany Madagasikara ny tenako. Raha hatramin'izay dia nitoby tamin'ny toerana iray ny fankalazana (Toronto 2002, Rome 2000, Paris 1997, dia niavaka kosa ny tany Cologne, satria nandray anjara mavitrika tamin'ny lahasa ihany koa ny tanànan'i Bonn sy Dusseldorf. Ny tena hitako nahatonga an-dry zareo alemà nanao an'io dia ny hiparitahan'ny olona, ka hisorohana ny fibosesehan'ny olona amin'ny toerana iray. Ohatra, raha tonga tao Cologne ny Papa ny alakamisy 18/08/05 dia nolazaina izahay fa tsy afaka mankany intsony, satria efa betsaka loatra ny olona any. Dia nijanona tao Bonn izahay izay toerana nitobianay nijery tamin'ny écran géant na tany amin'ny fahitalavitra. Ny zomà 19/08/05 izahay no nanao ny fivahiniana masina tany Cologne niaraka tamin'ny fanaovana ny chemin de croix, ka rahefa nivoaka ny faritry ny katedraly hamonjy ny fakana ny sakafo dia niampita ny tetezana (reniranon'i Rhin). Nony avy nisakafo dia tsy afaka niditra tamin'iny tetezana iny intsony fa tetezana hafa indray no naleha. Anisan'ny tsy nahazo sakafo indroa nifanarakaraka aho tany ary somary nangaina niaraka tamin'ny hafa izay tsy nahazo ihany koa. Saingy izao, naleoko nihafy tsy nahazo sakafo toy izay tratran'ny setrasetran'ny fifanosehana sy ny loza aterany. Tamin'ny fahatongavan'ny Papa Joany paoly II teto M/kara dia nisy nianjeran'ny tamboho tao Analamahitsy ny olona sasany, ka niharandoza. Tany Irak nifanjevo teo amin'ny tetezana ny olona, fa nisy nitsaho hoe misy kamikazy mitondra baomba. Faty olona maro no vokany.

Ankoatran'ireo lahasa maro rantsana dia isan'andro no nanolotra ny katesizy hotsakotsakoina ny eveka isanisany. Raha bangoina ny JMJ tany Cologne dia fotoana nahafahan'ny samy tanora samihafa fiaviany nifandray bebe kokoa mba hahatsapana fifamenoana sy ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2802