1500 ny dakoma maty novonon'ny gasy t@ 1976

1. rananou91 ( 18/08/2005 14:53)
Araka ny vaovao nosoratan'ny journaliste komorianina dia voalaza fa 1500 no maty novonoin'ny gasy nandritra ny 3 andro tany majunga,dia mba ahoana ny hevitrareo gasy tsy tia vahiny ireto.
NB ny mpanoratra moa dia gasy metisy kororianina
novalian'i pitchou ny 12/09/2005 12:46
2. jentilisa ( 18/08/2005 15:18)
fantatrao ve ny anton'ny famonoana? efa henoko tsara ilay zava-nitranga na mbola kely aza aho tamin'izany.
3. Chuan ( 18/08/2005 15:23)
Tssss ! zany kosa ve de ho marina ! Ekena fa nisy ny maty tamin`ny fomba mahatsiravina fa tsy ho 1500 fa manitatra kosa izany journaliste izany . Hay tsy ny journalista gasy ihany no manana blem -n`ny objectivité fa ny journalista dakoma koa . Ny fiatombohan`iny anie ka hoe ilay zanaka Betsirebaka nampihinan`ilay dakoma iray maloto dia niafara t@ fifanenjehana t@ antsy sns . Maninona kosa moa ny dakoma no manao an`izany nefa mivahiny any an-tanin`olona ! Izay ilay hoe " Ny vy tsy mikitrana irery " . Ianao rehefa mivahiny any aman`olona tokony hahay miara-miaina amin`ny vahoaka ao aminy ary manaraka izay lalàna sy fomba misy ao satria tsy fomban`ny gasy ny manome maloto olona fa tsy hoe tsy tia vahiny kosa angamba fa diso be ianao .
4. fijo ( 18/08/2005 21:22)
rananou91 an,za dia tany mahajanga mihintsy tamin'ireny ,ary dia niaina ireny toe javatra ireny.
_voalohany aloha dia lainga izany maty 1500 izany.
_faharoa,dia aleo hazava tsara aminao,fa tao mahajanga talohan'ireny dia tena tsy azo niainana ny habibiana sy ny halatra nataon'ny koma.izay no nahatonga le fiteny hoe "mavoranjo mpitsory" hainao ngamba ny dikan'io.
_fahatelo,dia ny koma no nila ady tammin'iny fa tsy ny betsirebaka akory.
_ary farany,ataovy anatra fa rehefa any an tanin'olona dia mba mahaiza manaraka ny fomban'olona.
5. lilbon ( 19/08/2005 04:40)
rananou91>
njy kosa an!zavatra tsy tokony ho fohazina intsony zany !
ary io de tsy mba génocide akory fa guerre civile
génocide de famonoana amy tsiss antony
fa ny nitranga tany majunga de guerre-na comoriann sy betsimisaraka ka samy nisy fahaverezana aina daholo na ny andaniny na ny ankilany !
ary ho an'ny malagasy izay namono tamin'ireny de nisy ny voafonja !
ka zany zany ny comoriens de mbola tsy maty voalavo an-kibo amin'ny gasy.anefa de tsy ny gasy rehetra no voakasik'io .
6. jentilisa ( 19/08/2005 08:27)
Ary manontany aho hoe tsy mbola misy fiantraikany amin'ny fiaraha-monina sy ny fizaram-paritra an Mahajanga ve izy io? Tsy fantatro mihitsy manko ny amin'izay aloha satria mampanontany ahy ny hoe naninona tokoa aloha no nampahatsiahy an'io resaka io ny mpanao gazety komoriana?
7. cocorie ( 19/08/2005 13:50)
hay nisy daholo zany! :roll:
8. zama91 ( 19/08/2005 16:02)
Tsy lainga io 1500maty io tao anatin'ny 3andro fa mbola namafisin'ny RFI omaly ,ary mbola maro no nanjavona,ary ny tena loza dia toa ny gasy rehetra tsy ankanavaka no nanao aza lambo ny komorianina tany mahajanga,renfort avy aty tana no tena nanao ny boulot hono.
9. ranga ( 20/08/2005 11:09)
Mampahatsiaro ahy hira iray zay nareo:"tonga t@ botry i Lekoma a!",zany hoe lekoma zany mpiavy,de tonga omaly hariva hono izy e,ka zay zao mpiavy ry lekoma a,efa ho taona maro zao no nandaozana an'i Dago,mitsidika de lasa ndray,manaja tsara ny tompontany de milay be ny revy hatrizao,na tavaratrio na tamaizina na tatsinanana io na tandrefana tsy misy tsy miaiky anay fa milay ny gasy.Bonne ny reve e,ka hano ny hanina de endry tsara, aza miady amanolona ,fa ny harena koa hono milavitana ko,de aza mialona ny olona mahay gitara fa miandrasa ny vitana sy ny anjara.Omeko biz ihany nareo ry lekoma fa mampalelo be .
10. zama91 ( 20/08/2005 14:39)
Ohatrany hoe mampihomehy antsika ilay hoe dakoma maty,raha anakiray ve no nanao ny nataony dia ny rehetra no tapa doha.Izany hoe tsy ny havantsika marina no maty tany,ary matao nampatsihahuvina izany dia normal satria ny gasy maty t@ 1947 mbola resahina foana hatramin'izao.REHEFA NAMONO DIA NAMONO,nitovy ny tany Rwanda ihany ,ny fanjakana malagasy dia nihaiky fa 400 no maty ary 400 eo eo no nanjavona,fa ny RFI no nilaza hoe 1500 morts ,ary isika izay tsy nino izany mahazo manao fikarohana,fa tsy ilay vava ato betsaka loatra,ary tsy ny betsirebaka irery no nanao an'io fa ny malagasy,maninona raha mba ny karana na vazaha no atao an'izany fa tsy ny mahantra toa antsika izao ihany,jereo ry ravalomanana mandohalika mihitsy eo hanatrehan'ny frantsay ,satria vazaha, mba menatra sady tena mahamenatra raha izany no atao hoe malagasy ilay tena malagasy no sady manana fisainana malagasy.
11. zama91 ( 21/08/2005 20:19)
Ary toa tsy nisy nanaohy intsony ilay resaka dakoma,izaho izao dia avy niresaka an'ireo fa dia hoe tena rancune be mihitsy en vers le gasy.MBa eritrereto kosa anie hoe any majunga en 1976 dia 1500 no dakoma maty ary 15000 no isany refugié nitsoka taty france sy komore amin'ny population 70000 tao majunga.Tena loza ary tokony ho resahina fa indray andro any anie mety isika samy isika no hifanapa loha any eh,rehefa avy novizanintsika ny vazaha dia niditra tamin'ny karana,dia dakoma dia iza indray avy eo ???
12. stephan ( 22/08/2005 09:12)
Ary toa aviavy anie ianareo izany e! f'angaha rehefa lazain'ny rfi dia hoe marina daholo? f'angaha tsy efa nataony t@ 2002 tao mahajanga ny valifaty nataony sady noenjehiny mihitsy ny merina? nihevitra ny ho tompon'ny mahajanga koa anie ry zareo tamin'izany ka ny tena tompon-tany indray no nilany vanina e!

hay ve mbola mitohy hatramin'izao ny fanenjehan'ny rfi ny gasy e! soa ihany fa efa noroahina tany ilay peguy iny! sa mbola loniloniny koa?

hajao ihany ny tompon-tanana rehefa mivahiny fa aza mizesta an-tanin'olona!
13. zama91 ( 22/08/2005 16:34)
Tsy azon'istephan mihitsy ilay resaka,aza dia partizan be loatra eh,ny rfi mpamoaka vaovao no asany fa tsy membre ny TIM na arema akory .Ary ny resaka 2002 tsy nisy fanenjehana merina nataon'ny komoriana izany tany majunga.Raha mahafantatra i majunga ianao dia ho fantatrao tsara fa ny merina no maro an'isa ao jangil fa tsy dakoma na foko hafa
14. fijo ( 22/08/2005 22:33)
zama an,lainga izany lazain'ny RFI izany.za tsy hono hono ,fa nahita maso.tsy nisy izany 1500 maty izany.
ary tsy betsimisaraka no niady taminy fa betsirebaka.tsy nisy izany renfort avy any tana izany,fa betsirebaka avy ao marovoay no toinga tany mahajanga.
ka aza dia mihaino izay angano lazain'i RFI rehetra io,fa io radio efa hay ny asany.
15. stephan ( 23/08/2005 07:24)
Tamin'ny fotoana nisian'izany ady izany anie ka tao mahajanga no nisian'ny dakoma betsaka indrindra e! na ny tany moroni aza mbola vitsy noho ny tao mahajanga. Ary ny valifaty nolazaiko dia ny fanafihan'ny dakoma izay rehetra nilahatra nanohana ravalo ka nampitsahtra ny tolona tao. Ny mpanafika dia niainga avy tany amin'ny tananan'ny dakoma mba hilazana fa ady sivily indray iny. rehefa mitady ho maro izy dia ny hisetrasetra ihany no mahamaika. naninona no tsy nolazain'ny rfi izany? sa vaovao tsy tokony holazainy?
16. fafa ( 23/08/2005 08:42)
Tsy mino zay lazain'ny Rfi ko aloha aho e! tsy marina daholo akory zay avoakany mpanao gazety rehetra io!
Asa na efa henonareo koa fa be de be anie ireo dakoma tsy manana papiers ara-dalàna no mipetraka eto @ntsika!
Iny ady tany Mojanga iny aloha henoko fa ny marina momba azy tsy haiko loatra
17. fijo ( 23/08/2005 21:53)
marina koa fa nynanmpihorohoro ny merina tao mahajanga tamin'ny 2002 dia ry zalahy avy ao labatoira.izany hoe ny tananan'ny koma.ka inona,fa mila ady foana ry zalahy,nefa rehefa voa dia malaky mitoreo.
18. zama91 ( 24/08/2005 15:05)
.Ka izao anie voalaza fa ny fanjakana malagasy dia nihaiky fa 300no maty,ary ny RFI tsy mitovy an'i MBS na radio tsioka vao,mba miheno matetika aho fa juste no voalazany.Ary ny dakoma misy mahatsara azy ihany ny nanafahaizana azy saingy tsy ny rehetraka kosa eh,raha ny fianakavianareo ve no ataon'olona aza lambo toa izany tsy mba halahelo kely ihany kosa
19. fijo ( 24/08/2005 21:09)
zama ve aloha efa niara niaina tamin'ireo???? izay no tiako ho fantatra.fa raha niara niaina tamin'ireo tsy hiteny izany.
20. jentilisa ( 25/08/2005 15:31)
rfi ranamana mankahala gasy a! milazà amiko ingahy filazana zavatra tsara nataon'ny gasy voatantarany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0083