chichi tany mada

1. fijo ( 26/07/2005 20:18)
momba iny resaka fandalovan 'ny filoha frantsay tany mada iny dia gaga aho.satria raha nihaino RFI aho dia fanaratsiana gasy no resaka be tao.
mba hitako tamin'ny vaovao TF1 anefa ny alina,toa mba resaka misy fanantenana be no tao.
ka gaga aho hoe fa io RFI io ve nisy zavatra tena natao azy tao,sa ahoana no dia mankahala toa io izy.
novalian'i fijo ny 11/08/2005 20:35
2. aristar ( 27/07/2005 05:24)
Faha ka ange rehefa miresakan'ny situation économique na sanitaire catastrophique any Dago ny journaliste-ny RFI dia nanaratsy e ! Ao @ Hotel Hilton fotsiny izy izany noho hanao reportage ! Izaho dia faly naheno an'i Chichi niresakan'ny blocage insurmontable nandritra 25-30 taona, jereo ny masoko sy andalina ny momba ny événement t@ 1947
3. Merlo ( 27/07/2005 06:01)
Ekena tokoa aloha hoe ilaina ny miresaka
ny tsy fetezan-javatra misy eto madagasikara kanefa raha ny fahalalako ky RFI dia misy fankahalana olona no tena antony mahatonga azy hanao ireny
koa amiko aloha raha izay ataon'io radio io dia tsy dia mahagaga loatra.
Nefa raha izany aloha dia tsy anjaran'ireo mihitsy ny hitsikera ny fianan'ny firenentsika tahaka ireny.
4. ainaheri ( 27/07/2005 07:32)
fijo>io resaka nanomboka t@ deba niala iny io
nga tsy tadidinareo lay mpilaza vao2 n' rfi saika
novonoin'ny mpomba andra8 t@ reny grevy ireny
nalefany vao2 taty mihitsy mba ho hitan'zao tontolo
@ zay ko mo ra8 tsy dia mafana loatra @ frantsay ireo
de logique be lay fanaratsiana
5. Mifenty ( 27/07/2005 07:49)

delestage le
6. sipagasy ( 27/07/2005 08:08)
mmhhhhhh, ny ahy ny tena nampalahelo ahy dia na ny filohantsika aza dia "ni minimiser " ny raharaha 1947 fa nga izy tsy mba zanaka MLAGASY e!??? na de mpiray tanindrazana aza izahay???? mampalahelo ity fiarovana ny rambo tsy ho tapaka ity kannnn:evil:
7. pika ( 27/07/2005 09:23)
raha tena hendry tsy tokony ho tezitra @ filazana ny .... na hita aza fa manindrona izany aza no tokony hieritreretana ....
8. scorpion ( 27/07/2005 10:51)
rfi?..tsy mihaino kay za
9. isrine ( 27/07/2005 13:47)
tara indray za t@ ilay hoe " chichi" ... hihihi
mety noho ilay mpampita vaovao ny RFI tsy maintsy niala tany dago iny no mahatonga an'ny RFI hankahala an'i mada. sa ve niverina any ihany ilay rangahy iny.
10. Veloo ( 27/07/2005 16:58)
Eeeeeeee aza taitra fotsiny e.. i ra8 mahay ny ataony na dia lembenan'i ra chichi aza. Izy efa bonne be amin'ny zamerika e.. Hatram'izay tsy nahavita ka rehefa itany fa hinamana amin'ny sasany ny gasy zay vo taitra.:wink:
11. fijo ( 27/07/2005 20:11)
aristar sy ny namana sasany.manaiky tsikera aho ary misy ny mahatsara azy.fa ilay fomba filaza azy tao amin'ny RFI dia tena hita fa misy fankahalana.mino aho fa zavatra mora tsapaina izany.
i TF1 koa anie mba nilaza fa tany anisan'ny mahantra eran tany mada e,saingy,nolazainy koa ny fahavononan'ny olona hiasa sy ny zavatra efa niova nisy tao.fa iry voalohany dia tena tsy nisy hafatsy ny fanaratsiana fotsiny.
mba diniho raha hanao resaka momba an'ny paris dia tsy hiresaka hafatsy barbes sy ny manodidina azy?????
ary raha hiresaka an'ny marseille dia tsy hampiseo sary hafatsy ny manodidina ny centre bourse sy quartier capucin sy ny quartier nord?????? aoka isika tsy hanaiky ataon'ny olona resaka toa io e.mbola maro koa anie ny vazaha matory eny ambanytetezana aty e.
12. aristar ( 27/07/2005 22:39)
fijo ! ny iray ange radio dia ilay hafa TV ary tsy mitovy mihintsy ny fomba fiasan\'ny journaliste @ ireo media roa ireo. Iray minitra na roa minitra fotsiny dia tssy afaka mandalina be dia maka lafina iray ohatra ny aran\'toekarena. Raha voyage touristique noho nandehan\'i Chirac tany Dago dia ny plage-ny Nosy-Be noho niresahan\'ny journaliste-ny RFI. Nahita reportages betsaka aho momba ny quart-monde ary tsy mihevitra mihintsy aho hoe fanaratsinan\'ny frantsay na anglisy na ny amerikanina faha izany noho anisan\'ny raharahan\'ny journalistes misikotran\'ny zavatra tsy mety faha tsy hitantara ny train tonga @ny ora tokiny hatongavany fotsiny. Misy @ itsika ange mandray tsy raisina aohotran\'ny tsopolotr\'antitra dia faly fotsiny hoe gasy ka manja, on est au pays du moramora dia rehefa misy manindry eo @ ny marary dia tokony mieritreritra faha tsy mahalasa lavitra ange ny ambompo
13. fijo ( 28/07/2005 04:16)
aristar,ekeko wa ny tsikera,raha tsikera mitondra soa.fa raha fanaratsiana kosa,tsy azoko leferina.ny ataon'ny RFI dia tsy tsikera fa fanaratsiana.
raha misy olona manao fandaharana,ka sady mampiseo ny tsy mety ,no maneo koa ny efa niova dia tsikera izay ,ka ekeko,fa raha tsy manakambara hafa tsy ny zavatra ratsy,dia fanaratsiana izay.nahoana ny TF1 izay tsy namoaka reportage fohy noho ny azy no nahita fa misy ny zavatra niova??????
aminareo izany rehefa miresaka mada dia tokony zavtra ratsy foana no resahina?????? mahazendana.
14. aristar ( 28/07/2005 05:50)
tsy hoe rehefa miresaka an'i Dago dia tokony zavatra ratsy foana no resahina fa rehefa misy miteny ny zavatra tsy mety dia tokony tsy entin'mpofona. Betsaka koa ny reportage momba ny zavatra soa an'i Dago faha matetika @ ny info dia rehefa misy zavatra tsy mandeha tsara an'i Dago izay voa miresaka an'i Dago sahala ny tany hafa lavitra rehetra
15. fijo ( 28/07/2005 21:12)
fa i aristar ve tsy mahita mihintsy hoe ny RFI dia manaratsy foana??????nefa ny rehetra aza efa mahatsapa an'io.mba fantatra kosa ny vaovao sy ny fanaratsiana e.
16. mandrindra ( 29/07/2005 08:40)
Izaho aloha tsy miahino RFI ka tsy haiko izay voalaza tao.
fijo, inn ary no tokony ataontsika raha toa ka izany fanaratsina izany no ataony, tokony hanaovana taratasy ve izy miaraka amin'ny sonia maromaro sa tokony hanaovana lahatsoratra amin'ny gazety hoe mpanatsatso, na zavatra hafa koa.Aleo mihetsika raha azo atao toa izay misubir fotsiny e.
17. pitchou ( 29/07/2005 14:47)
ka tsy haiko r'ireto fa t@ crise 2002 ireny moa dia romotra daholo ny gasy teto tana sy ny manodidina mpihaino RFI fa vaovao lainga be daholo no nalefany e!
fa mety ny gasy mihitsy no tsy tian-drizareo
18. Veloo ( 29/07/2005 17:56)
Pitchou a, ka efa oe vovidy ny RFI kou... tsy ho ti gasy mihitsy:wink:
19. fijo ( 01/08/2005 21:51)
mandrindra,ny tsar dia ny mamaly azy angazety koa.efa manao an'i moa ny gazety gasy sasany.
pitchou,za koa mahita hoe ny gasy mihintsy no tsy tiandry zareo.
20. Veloo ( 02/08/2005 20:15)
andao ry reto tolomina a @ izay tsy miteny ratsy an'ny gasy intsony a:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1029