Fa dia maninona loatra ee!!

1. ainaheri ( 10/07/2005 15:48)
T@ herinandro aho nandalo tany @ aeroport Ch.de Gaulle nisy dossiers tsy maintsy nalefa eo @ 50grs
eo ny lanjany ra ho hisy fa zara2 tsy hitomany vao lasa lay izy,fa zay gasy niangaviana d tsy nety doly!!fampitony no nandray fa ra tsy zany tsy lasa fa
ny enina teo aloha d nanda ankitsirano zao mampala lay toetra!!
novalian'i sonwin ny 15/07/2005 14:24
2. fasaly ( 10/07/2005 17:18)
ka lay gasy rehetra anie tsy tsara loha otranao dooly e! misy miavona , miangetsana, manambany sns...amy tsy antony e!
3. mpanakiana ( 10/07/2005 19:22)
elà te hanambitamby reny gasy marary kibo reny ko!!
tsy nampitondraina vaza aaa
4. fasaly ( 10/07/2005 20:05)
non!
lay vazaha koa anie tsy sahy amilay resaka terroriste ity e! efa nampitondra enveloppe dossier maika be koa zà indray mandeha fa tsy nisy nety ry zareo! mi comprendre ihany zà raha amzay,
5. zefalah ( 11/07/2005 00:29)
io no tsy hitoviza-sika @ comorien.
nefa sika gasy manakiana an'reo comorien reo..
reo anefa mahay mifanampy sy mifanohina..
ra resaka gasy alo tena marina,tsy atokisana.
indrindra fa ny gasy aty hivelany aty.
ary ra mbola gasy iany no ianteheranao de eo enao no raisina....aleo maka namana afa..akotrany gasy,ra aty hivelany...
6. dadabe ( 11/07/2005 03:49)
:°):°)soa ihany zah fa sinoa kle
7. fasaly ( 11/07/2005 10:54)
dadabe:
nareo koa ve mifankatia be any chine any???
8. fasaly ( 11/07/2005 10:56)
ainaheri:
mitadiava steewarts amy manaraka de reny mitondra foana matetika e!
9. kally ( 11/07/2005 15:04)
Izaho kosa tsy manome tsiny izay tsy mety mitondra na gasy na vazaha na inona, aiza moa no ahalalany fa dossiers marina ny any anatin'iny? Aiza no hahitany raha vovoka fotsifotsy ohatra?Mino aho anefa fa raha avy teny Ivato nankany Paris dia mety nahita bebe kokoa ianao.
10. kally ( 11/07/2005 15:06)
Izaho kosa tsy manome tsiny izay tsy mety mitondra na gasy na vazaha na inona, aiza moa no ahalalany fa dossiers marina ny any anatin'iny? Aiza no hahitany raha vovoka fotsifotsy ohatra?Mino aho anefa fa raha avy teny Ivato nankany Paris dia mety nahita bebe kokoa ianao.
11. nikopol ( 11/07/2005 15:24)
za tsy fantatro na ratsy loha na tsia fa za kosa tsy hitondra zavatra olona tsy fantatro zany na gasy na vaza.

Tsy misy hidiran'ny toetra io fa tandrametaka zany mandefa zavatra (dossier) important amin'ny olon-tsy fantatra izany ; aiza ny halalako na inona na inona ny ao anaty dossier ao? nga refa gasy no manome de azo antoka 100% ?

Fepetra itambaran'ny vol rehetra eran-tany ny tsy mandray entana na zavatra ampitondrain'olona. Misy entreprise isankarazany (DHL,...) sy ny sisa manao izany avec assurance.





12. mandrindra ( 12/07/2005 08:45)
marina ny ano ra nikopol
13. sasa ( 12/07/2005 10:27)
dadabe:

:°):°)soa ihany zah fa sinoa kle



kay ve elah sinoa e, kely maso an


14. jhouhlambout ( 12/07/2005 13:11)
ainaheri:

T@ herinandro aho nandalo tany @ aeroport Ch.de Gaulle nisy dossiers tsy maintsy nalefa eo @ 50grs
eo ny lanjany ra ho hisy fa zara2 tsy hitomany vao lasa lay izy,fa zay gasy niangaviana d tsy nety doly!!fampitony no nandray fa ra tsy zany tsy lasa fa
ny enina teo aloha d nanda ankitsirano zao mampala lay toetra!!



Ka misy koa anie ny gasy parano é, tsy fantany marina izay tena tianao atao ary matahotra izy hoe sao misy zavatra tsy mazava ao. Ny sasany indray matahotra sao very ilay izy ka lasa miantefa aminy ny sazy sy ny sisa.:@
15. zandrikely ( 12/07/2005 18:25)
za ry zareo mitondra fa tsy misy blem a fa ny ahy no mba angatahiko dia ilay olona no miantso ahy fa tsy za ndray no andeha hitady azy , sokafana eo imaso eo ilay ttasy dia hiaramijery e , za ko mba nanatitra olona teny roissy omaly fa tena ny 90 isanjaton'i gasy miavona nefa enao mba cool zany , tsy maninona e , boribory ny terrain an ,
16. fasaly ( 12/07/2005 20:10)
marina mintsy zany, betsaka mintsy ny gasy miavona indrindra fa aty andafy aty, asa maninona, zà koa aloha mitondra e! tsy olana io, savaina marina fa zay kelke grames ve hanakory amzany eo!
17. sariaka91 ( 12/07/2005 21:59)
Ieeeeeeee

Izaho koa dia 100 % toa an'i zandrikely. Asaiko sokafany hijereko ny ao anatiny dia rehefa azoko antoka entiko ny ttasy. Dia ilay destinataire no maka azy any amiko fa tsy izaho no hanatitra azy any aminy. Izaho dia vonona be hanampy ny hafa fa ny olona betsaka ny mihevitra fa rehefa disponible sy tsara fanahy ianao dia tsy intéressant... Hafahafa ! Rehefa mba manakadresaka @ samy gasy eny @ bazar any Cachan dia misitasintaka ery ny sasany. Ny vhv moa indrindra indrindra. Tanpi!!
18. kally ( 13/07/2005 07:12)
Fa inona aloha ity lazainareo hoe gasy miavona e? Hoe tokony vao mahita gasy ve ilay olona dia hisariaka sy hitsikitsiky be sa tonga dia hanaka-dresaka be fa raha tsy izay miavona sa inona no ilazanareo fa miavona ilay gasy, ohatry ny tsy azoko.
Satria raha izaho ohatra mankeny @ aéroport ohatry ny mitovy @ miandry taxi-brousse eny Anosibe ihany, samy gasy ny eo dia samy miandry f'inona moa no ho lazaiko sy ho resahiko eo,mamaly tsiky raha misy mitsiky na miarahaba fa ankoatr'izay mifampijerijery.
19. pitchou ( 13/07/2005 08:19)
zà akoa aloha dia tsy mitondra mihitsy raha tsy zavatra fantatro tsara hoe inona e! na taratasy aza, ary hitako sy jereko tsara vao manaiky aho! sao higadragadra foana eo! ary jamais taratasy mihidy!
Efa nisy nampitondra fanafody ahy, fa notakiako ny ordonnace dia nojereko tsirairay ny fanafody vao nanaiky aho! angah enao afaka hiala hoe nampitondrain'olona ity raha sanatria zavatra voarara no hitan'ny polisy eny aminao?
20. fasaly ( 13/07/2005 10:45)
kally:
lay gasy miavona rehefa hitsiiana na harabaina de tsy mamaly fa mianjona be,
zà mantsy tsotra be zay ihany ka tsy sahy intsony almin'izy ireny.
mba hafa ihany anie ny aty andafy hoe samy aty ve de!!!! fa marina io ka! nefa anie tsy hagataka aminy mintsy e! juste hoe amy maha samy gasy no hi sympathisé-na alors tanpi araka ny filazan'ny sariaka. izahay aty belgik aloha hafa e! tsy otrani'zay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3747