Mpifankatia: Ilaina ve ny mifamaly...

1. jhouhlambout ( 10/07/2005 09:53)
... sa samy mitahiry ny alahelony ny tsi-1-1 mba tsy hisy gidragidra?
novalian'i fijo ny 09/08/2005 20:27
2. fasaly ( 10/07/2005 10:21)
tsy tsara ny mitahiry ny alahelo fa manjary mankarary fo! aleo mifampiresaka, ilaina dia ilaina ny dialgue eo amy couple mba hampizotra ny fiarahana sy ny fitiavana mba tsy hisian'ny olana be miavotra loatra, raha afaka ny alahelo de ho maivana ny olana rehetra ka miverina amy laoniny ny rehetra.
3. dadabe ( 10/07/2005 12:48)
raha zah kalou de tiko be ilay tonga dia regler-na eo no eo e!! na hisy kombaka aza tsy olana fa zah tsy mba mitahiry alahelo zany ,ary ny ahytsy haiko izany miatsara velatsiny izany fa tonga dia vavany foana e hehehe
4. booboo ( 10/07/2005 13:09)
Tsy voatery hifamaly ange fa mifanazava milamina fotsiny. Io tsy mifampiteny io manimba sy mandrava io kouh !
5. mpanakiana ( 10/07/2005 15:35)
aza miteny enao fa tahirizo ao ny anao ee
d itanao ny vokany.Io otrany nify sy lela
ihany ao ambava aza mbola mifanaikitra knou!
ra tsy miady ko tsy mifankatia eeee
6. yonikafopl ( 10/07/2005 18:18)
ilaian ny adiady kely njainjay , asiana piment kely amzay hummmmmmmmmm

Fa ny fifanazavana ihany no mahatsara fihavanana sy fitiavana. Aleo tonga de mitsotra se mamoaka ny ao am-po.:)
7. zefalah ( 11/07/2005 00:14)
tena ilaina ka...ra tambitamby isan'andro anie mandrerake...mandrary makaleo...asina ady sy fifandirana kely ..fa tsy atao bedabe a..mandrary mampisaraka ndray...
8. jhouhlambout ( 11/07/2005 09:17)
Ka zay mihintsy, manjary misaraka avy eo na regler-na na tsia ny olana.... tsisy fika zany?
9. fasaly ( 11/07/2005 11:04)
zà koa aloha otran'ny zefalah e! raha milamina loatra de tsa tiko ndray fa somary asiako drame kely de amin'iny mahafinaritra rehefa milamina ndray.
10. moi ( 11/07/2005 14:50)
Raha tsy miady hono tsy mifankatia !

Ny olona tsy miady (nefa misy olana) dia fandriam-pahalemana no misy fa tsy fitiavana mitombina tsara.
11. ari.malala ( 12/07/2005 11:58)
ilaina ve ny miady? tsia, tsy ilaina ny miady fa mifanazava milamina, samy mamoaka ny ao am-pony, dia vita eo.

Ka zay mihintsy, manjary misaraka avy eo na regler-na na tsia ny olana.... tsisy fika zany?


tsy voatery misaraka ka! refa reglé ny olana de milamina, anjaran'ilay mpifankatia indray no mahita we efa tsy lasa tsony d misaraka ry zareo.

fa nahagaa ana enao ra jhoul an, enao mpanome torohevitra ndray ty no mametra-panontaniana... :)
12. jhouhlambout ( 12/07/2005 12:36)
Ka mba ahazoana hevitra anie é!
13. fijo ( 12/07/2005 21:41)
za aloha tsy tia ady ka manahirana ahy ny hifandramatra eo e.
14. cocorie ( 13/07/2005 06:00)
fijo a! tsy miady anie fa ilaina ny mamoaka ny hatezerana e! manjary mivadika lolom-po sy fiatsaram-belatsy iny dia mandrava ny efa naorina, elà zany de mandefitra foana raha misy tsy mety ataony i arimalala ohatra, tsy miteny mihitsy, ereto ary ny an'elà koa, tandremo nefa so mamoy fo, fa tsy hitako ze amonjena,:roll:
15. ari.malala ( 13/07/2005 09:39)
ccorie>:) fa in no tsy nety nataoko an'i fijo aky? :-D sa v ry malala sanatria efa nisy?:roll: za alo tsy nahatsiaro ê! :) Fa zao, le we miady anie wa tsy ilaina le miady ê! miafanazava we zao no tsy tiako, tsy voaterya anaty fahatezerana no anaovana an'zay, ny tena tsara aza refa tena tony vao miresaka fa manjary mifandratra de zay no miteraka an'le we mandrava izay efa naorina. :)
16. jhouhlambout ( 13/07/2005 10:29)
Ka raha eo @ ilay fifanazavana no mipoitra ny ady?
17. fasaly ( 13/07/2005 11:00)
de tsy maintsy mipoaka aloha ny ady sy ny taimbava rehetra fa avela samy manàla ny fony eo de mifanantona avy eo de milamina ihany e! de somary manao hoe de milamina foana io:*:*:*:*
18. fijo ( 13/07/2005 21:51)
ka izay mihintsy ry cocorie an.eo amin'ilay fanazavana no tonga le ady dia izay
19. ari.malala ( 14/07/2005 06:15)
raha eo @ ilay fifanazavana no mipoitra ny ady d tsy maintsy toko mahay mifandefitra ko! Ohatra we refa mivazavaza ny 1 d mangina ohatra ny 1 raha tsy zany d henjan-2 ny tady d tapaka, avy eo manenina!
20. fasaly ( 14/07/2005 07:09)
marina zany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1877