tsy fahasambarana no tadiaviko?

1. stephan ( 29/06/2005 11:45)
Ao amin'ny hiran'ny Ainga dia misy teny manao hoe: tsy mitady olona hahasambatra ahy aho fa olona iray hotiaviko. Ahoana ny hevitrao amin'izany?
novalian'i fijo ny 12/07/2005 22:30
2. booboo ( 29/06/2005 12:03)
io lé oe tsara kokoa ny manome noho ny mandray. Zay fahazoako azy.
3. ari.malala ( 29/06/2005 14:32)
mahasambatra kokoa ny mitia noho ny miandry tiavina.
4. welie ( 29/06/2005 15:46)
Na dia misy aza ilay fiteny hoe "Aleo tiana toy izay tia" (tsy tadidiko tsara le izy :roll:) dia hafa ihany ilay sentimaka azo rehefa hoe ianao izay no tia olona... (l) :-P
5. fijo ( 29/06/2005 20:16)
welie za koa io no hevitro.na dia virja aza aho.
6. dadabe ( 30/06/2005 01:13)
he he he ra virja a!!:°)
zah klou de zao no hevitro:manome izany no safidiny de tsy miandry valiny izy ( mianatra manao fitiavana agape zany izy e)nefa zah mino fa karazana fika fotsiny zany mba hisarihana ny olona hitodidoha any maminy,de rehefa ao ianao tsy maintsy misy takalony foana ny zavatra rehetra e:D
7. ari.malala ( 30/06/2005 05:58)
dadabe:

de rehefa ao ianao tsy maintsy misy takalony foana ny zavatra rehetra e:D



tsy voatery! azo atao tsara mintsy ny mitia na manome tsy miandry valiny.
8. hery ( 30/06/2005 05:59)
izaho koa d'acc amin'i ari.malala... andramo tsy omena izy dia ho hitanao fa mbola manome ihany. Izay no ahafantarana ny tena fitiavana.
9. xxx ( 30/06/2005 06:44)
Ohatra ny hitako tsy possible zany fitiavana tsy misy valiny izany. Du moins, tsy mety haharitra ela. Raha ianao irery no tia fa tsy ilay iray (na ilay iray irery fa tsy ianao ) dia tsy hitako ny mahafitiavana azy
10. majesty ( 30/06/2005 08:09)
miombon-kevitra @ ilay tonon-kira mintsy aloha ny tenanay satria raha misy olona tia anao sady afaka ny hanome fahasambarana anao nefa tsy tinao akory dia inona no dikany.Fa mety tsy ho vitsy aloha ny olona manaiky an'izany @ izao fotoana izao satria saika efa lasa materialista avokoa ny ankamaroan'ny sipa ankehitriny.:roll:
11. ari.malala ( 30/06/2005 08:29)
xxx:

Ohatra ny hitako tsy possible zany fitiavana tsy misy valiny izany. Du moins, tsy mety haharitra ela. Raha ianao irery no tia fa tsy ilay iray (na ilay iray irery fa tsy ianao ) dia tsy hitako ny mahafitiavana azy



tsy possible ho anao izany fa ho an'izay miaina azy sy mahatanteraka azy possible tsara mintsy! fantatro izay lazaiko satria iainako.

12. fafa ( 30/06/2005 08:37)
Ny fahazoako le hira de zao: le mitia olona 1 elabe toa tsy de possible loatra (tsy maintsy misy fanitsakitsahana kely foana, du moins, zay fantatro hatr@zao aloha e! sa efa nisy tena oe iny tokana iny tena mandrakizay doria amen????:roll:), de zay no mahatonga azy mitady olona "hotiavina mandritra ny fiainana e"
13. stephan ( 30/06/2005 08:42)
Raha ny fahazoako azy aloha ilay fahasambarana voalaza io dia ilay materialy izay!

moa tsy manambara ny tena fitiavana ve ilay tononkira ammin'izay fotoana izay?

sa afa-miaraka ve ny fitiavana sy ny matiera?
14. majakely ( 30/06/2005 08:45)
Stephan+tsy mazava amiko ny tianao hambara sy hanontaniana !hazavao hoe azafady??
15. stephan ( 30/06/2005 08:50)
Araka ny fiheverako ilay tononkira izany dia hoe tsy ianao manana fiara na trano na harena no mahasambatra ahy fa raha ianao manaiky hotiaviko, nefa ny tena fitia mifamaly... milaza ny fiainam-pitiavana lalina fa tsy ireo izay mahafatifaty ny zaza tsy ampy taona rehefa tongavana fiara eo akaikin'ny sekoly ny tononkira. mbola tsy azo ve?
16. welie ( 30/06/2005 09:55)
ari.malala> ie marina mintsy fa izay miaina azy mahatsapa tokoa!

dadabe> Tsy hoe fika zany kosa io ka!

Oupsss... ary kay moa nga izany ve io hira io e? :lol: Tena tsy arako fa io sombiny io ihany no hamaliako le resaka! :-)

17. ari.malala ( 30/06/2005 10:24)
Olona nijaly ara-pitiavana mitaraina @ Andriamanitra hahita izay ho anjarany no tena tian'ny tononkira ambara. Dia ilay hoe "tsy olona iray hahasambatra ahy no tena iriko TOmpo fa olona iray hotiaviko mandritra ny fiainako" indray dia toy ny midika hoe tsy mampaninona ahy na tsy mahazo hasambarana ara materialy ary aho, (trano, vola be, fiara...) fa olona hotiaviko hizarako ilay Fitiavana avy Aminao Andriamanitra , izay omena ahy.

18. clerahari ( 30/06/2005 10:25)
hafahafa be ny hoe tsy mitady fahasambarana eto an-tany asa alohae tsy za
19. xxx ( 30/06/2005 11:43)
Samy manana ny fahasambarany io: ny an'ny sasany vola (materialy araka ny voalaza teo) ny an'ny sasany fitiavana, ny an'ny sasany revy sy ny sisa fa mety hahita eto antany kah! arakarak'le hasambarana zany e!
Ny an'le hira zany zao hasambarana hoazy le hitia an'le oul 1 io mandritra ny fiainany
20. stephan ( 30/06/2005 14:30)
Misaotra an'i ari.malala nilaza ny anton'ny hira. Nanoratra ity ato manko aho satria nisy niady hevitra tamiko nilaza fa tsy eken-dry zareo io andalana iray io. Dia aleo mba horesahintsika koa e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5468