(Raikely na Renikely) sy ny Zanaka tsy naterany?

1. Raseman ( 23/06/2005 15:59)
Indraindray, eny matetika mihintsy aza no tsy mifankahazo am-po ny zaza iray sy ny renikeliny na ny raikeliny, hany ka miteraka korontana foana eo anivon'ny tokantrano izany, inona ary no tena anton'izany e?:evil:
novalian'i fijo ny 30/06/2005 20:24
2. fasaly ( 23/06/2005 16:37)
ny fankahalàna tsotra izao hoe tsy ahy ity fa ny ahy ihany ny ahy, eo amy gasy io mbola miterak olana ba fa amy vazaha mandeha ho azy ny nakabeazany.
fa raha amiko manokana de tsy hanelingelina ahy mintsy ny zanaky kala hafa.
3. Raseman ( 23/06/2005 18:45)
ka ra toa anie vonona ny hitia ny olona iray na de efa manan-janaka aza 'lay olon-tiany, dia tokony ho vonona koa izy hitia ny zanan'lay olontiany e, satria raha tsy izany dia misy fitiavantena goavana be 'zany ao.
4. sorom ( 23/06/2005 19:19)
Misy an'ilay antsoina hoe "zana-baratra" amin'ny teny gasy ka alalino kely hoe...
5. fijo ( 23/06/2005 20:02)
fasaly ndry aloha milay e.hummmmm
6. rurik ( 24/06/2005 07:12)
ka ny sasany koa tsy dia avy amin'ny renikely ihany fa ilay zaza, ohatra renikely -tian' ilay zaza ho izy ihany no hotiavin'ny rainy ka mialona ny toeran'ny renikely ka na manao ahoana aza ny renikely hitiavana azy dia tsy misy dikany .
7. majakely ( 24/06/2005 08:10)
ye marina koa ny an'i Rurik!
8. routa ( 24/06/2005 09:27)
zaho zao de notaizany reny kely fa zao mafy be ka !
nefa misy mahatsara azy hiany ko eo @ fitaizany .
Ny fiangarana moa de eo fona iny e! matetika de lasa fankahalana fa @ lafiny iray tiko hiany ny nataony fa nahafahako nivoatra teo @ fiainako .
zany hoe lasa najary nahay niasa ny raharaha tsy mitsoka tsony aho fa efa fanaoko taloha ny fiafiana,
le hoe zanabatatra > tsy rehefa zanabady de zanabaratra daholo an!
9. ari.malala ( 24/06/2005 10:02)
Matetika refa tonga ny tena zanak'ilay vadikely de ankahalaina na aifikifika ny zanabady, fa misy koa na izany aza avy @ le zaza ny tsy fifankahazoana (renikely sy zanabady matetika): ohatra, nisarabelona ny RAR de ny an'ny zaza ny reniny ihany, (mazava loatra) de na manao ezaka b tahaky ny in az le renikely de miasa jamba rafozana, fa misy koa renikely de tena mampihatra ny maharenikely azy mintsy (indrindra raha efa maty ny reny niteraka ilay ankizy ka izy mananjanaka....) mandeha daolo izao karazana latsa rehetra izao, hatr@ oe ndeha fohazy ny reninareo raha afaka mifoha... (zavatra efa itako aby ireo)
10. dadabe ( 24/06/2005 10:31)
zay marina zany!!
11. routa ( 24/06/2005 12:11)
Rehefa tao mahatsapa ny nanjo fa ny tsy tao hiany no aoka atao hoe aza mahazo ny nahazo anay
12. stephane197 ( 24/06/2005 16:08)
ilay teny hoe Kely Kely io mihitsy no betsaka no tsy mahazaka dia tonga ny fifandirana. Ra ovana hoe RaiBE na ReniBE indray angamba mety hisy ny fiovana,satria midika zavatra ngeza be ireo.
13. sipagasy ( 25/06/2005 08:00)
ka ny raiBE & reniBE anie efa misy tompony e! hihih
14. fasaly ( 25/06/2005 09:38)
fijo:
aoka wa marina fa tsika mbola virja an!izany hoe
mbola tsy misy zaza zany de mbola tsy manana io blem
zana-baratra io e! sa ahoana hoozy toi....
15. fasaly ( 25/06/2005 09:41)
routa:

Rehefa tao mahatsapa ny nanjo fa ny tsy tao hiany no aoka atao hoe aza mahazo ny nahazo anay



routa :
fantako tsara ka! zà koa vécue kely ihany
ka haiko tsara..... fa ny fiainana ndraindray lakalaka e! ka mivadika ny globy.
16. dadabe ( 25/06/2005 10:38)
humm zany a!!

ary intelligennt mihitsy ity fasaly marina mou oo:wink:
17. mirabel ( 25/06/2005 16:22)
aza manody e fa mbola hivadika ny rasa any aoriana satria boribory ny tany
18. routa ( 25/06/2005 18:52)
fasaly>zany mihintsy tena marina zany tsy hampoizina tokoa ny fivadiky ny fiainana .Nefa moa tsy hitehirizana alahelo zany fa isaorana Andriamanitra fa samy hafa ny nitondrany ny olona rehettra.De tiavina tsara izy ireny na izany aza.
19. majakely ( 27/06/2005 10:24)
Misy koa anefa indraindray tsy ny renikely na ny raikely no manao ratsy ilay zaza ;fa mety mba miteny izy ,na masisika fotsiny fa mety naditra be ilay zaza ohatra!!!
,,,, dia tonga dia valin'ilay zaza boiraingina fa hoe :tsy reniko ianao na raiko ka hiteniteny ahy eo!

Nefa raha ny reniny na ny rainy niteraka azy mety tsy ho valivaliny toa izany , na tsy mampaninona azy akory !!!!Mafimafy kokoa ny mahazo azy ireny indraindray an(renikely,raikely)!
Misy anie RAR niteraka izao nefa dia masika amin'ny zanany e! Toa ny tsy naterany mihitsy fa ampijaliny na darofany ny zanany ka pira nohon'ny renikely na raikely e!Zah efa nahita!
20. fasaly ( 27/06/2005 16:06)
manjakely: ka izany indray efa zavatra hafa ndray zanany zao ve de darofany raha aty zany de efa gadra ny RAR n'ilay zaza satria afaka toriana, fa entre ny ilay renikely sy ny zanakely no tena maharary rehefa misy fiangarana sy ny latsalatsa sy ny zavatra rehetra mankarary fo tena tsapa mintsy hoe....
routa:
izaho indray alony tsy mamaly ratsy ny ratsy fa ny hamapatonga saina azy no tadiavina de maivana ny fo sy ny fanahy avy eo e! ary marina mintsy fa tena mivadika ny fiainana , ka izany no tsy hanaovandratsy sy tsy hambanimbaniana ny olona indrindra fa ny mavomavo e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2838