namana mitady hira

1. xxx ( 24/05/2005 08:22)
Manolotra ny arahaba tompoko.

raha mba misy mahalala tsara ny tonon\'ilay hira hoe \" vavaka ho an\'i Neny\",dia hisaorana indrindra raha mba afaka mametraka azy eto fa tena mba tiko hampianarina ny zanako, indrindra izao ankatoky ny fetin\'ny Reny izao, izay mendrika indrindra iny hira iny.
Dia misaotra indrindra amin\'ny fahasahiranana.
R.A.
novalian'i rantylahy ny 29/04/2012 12:29
2. ari.malala ( 24/05/2005 08:55)
Hotahiana anie i neny
Zay nitondra folo volana
nahitako ny masoandro
Sy ny kintana amam-bolana
Dia i Neny izay nanoro sy nampianatra ahy nivavaka
Noa angatahako @ Ray ny fitahiana tena miavaka
Ny masonao mpanambitamby lamosinao mpibaby
Ny tratranao fiondanana nahitako fiadanana
Hotahiana anie r'i neny ireny rehetra rehetra ireny
Ivavahako mihintsy ny any ambony mba hitahy
Ireo molotrao izay sasa-mitsiky sy manoroka ahy
Mbola hotahiana koa ireo masonao manganohano rehefa misy alahelo
Dia toy ny dobo feno rano...
Ny masonao mpanambitamby lamosinao mpibaby
Ny tratranao fiondanana nahitako fiadanana
Hotahiana anie r'i neny ireny rehetra rehetra ireny
Ivavahako mihintsy mba ho heno hatrany an-danitra any
Ny ahavelomanao r'i neny
Ka hateza sy haharitra
Satria raha eo ianao fihantana fitosiana
Fa ny kamboty mbola kely no tena fara fahoriana

Mihirà finaritra dia miarahaba sahady tratry ny fetin'ny Reny. :)

3. lanto ( 24/05/2005 09:23)
An'i ANDRIANARY RATIANARIVO ve io ? izay hono manko no tadiaviny:)
Merci ari.malala !
4. ari.malala ( 24/05/2005 09:27)
Lanto> raha tsy diso aho, io ihany no haiko hoe vavaka ho an\'i neny ny tonony ka, de rian! :)

5. xxx ( 24/05/2005 21:13)
sao dia kosa lay hoe : "Sambatra aho ry Neny.... eo anilanao. Tsy vola mora tola no asetriko an'izany...
Ry Neniko oo..hmmmmmmmmmmmmmm"
fa dia tsy haiko tsuanjery ny tonony e fa dia ialana tsiny.
6. ari.malala ( 27/05/2005 05:41)
xxx> azoko an-tsaina ilay hira teneninao fa tena tsy tadidiko! andraso rehefa tadidiko dia omeko eto ihany. :)

7. dadabe ( 23/06/2005 15:01)
zah kou tsy mahay kle :cry:
8. fijo ( 23/06/2005 19:40)
eeee sambatra i neny izany misy manome hira
9. dadasy ( 26/06/2005 07:34)
Tena ity le farany ity koa no tadiaviko raha sandra mba hitanareo, vavaka ho an'i neny no lohateniny ary hiran'i Rami Franck izy io, le hoe "sambatra aho ry Neny ... eo anilanao ..... zao no andro sarobidy eee. de misaotra @ fifanampiana e :)
10. dadabe ( 27/06/2005 15:43)
:-@:-@
11. ari.malala ( 28/06/2005 05:40)
dadasy:

Tena ity le farany ity koa no tadiaviko raha sandra mba hitanareo, vavaka ho an'i neny no lohateniny ary hiran'i Rami Franck izy io, le hoe "sambatra aho ry Neny ... eo anilanao ..... zao no andro sarobidy eee. de misaotra @ fifanampiana e :)



ndraso fa raha tadidiko de omeko eto ihany, tsy mampanantena nefa aho an! :)
12. dadabe ( 28/06/2005 15:54)
13. fijo ( 28/06/2005 21:53)
za ihany ampanantenana ka
14. dadabe ( 29/06/2005 02:09)
:Dhe he he zandry io a
15. ari.malala ( 29/06/2005 08:27)
ampanantenaina hira anie zany ê! :)
16. fijo ( 29/06/2005 19:39)
hay moa an,
aoka moa be dada an
17. dadabe ( 05/07/2005 02:45)
zah konkou mba omeo hira:wink:
18. ari.malala ( 05/07/2005 06:01)
alefaso ny titre ny hira tadiavinao ka raha ananako de omeko ko! :)
19. ari.malala ( 05/07/2005 11:34)
Fa ty tena resaka serieux, raha mba misy manana ilay hiran'i Billy Ocean, "Rose" dia mba omeo azafady! Misaotra mialoha.

20. ari.malala ( 05/07/2005 12:51)
ari.malala:

Fa ty tena resaka serieux, raha mba misy manana ilay hiran'i Billy Ocean, "Rose" dia mba omeo azafady! Misaotra mialoha.





Aoka ihany ndray ê! efa nahita ê! :) zafady fa ôtrany we nananihany ê!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2297