valala any atsimo

1. ikotofetsy ( 17/03/2005 00:46)
Mampalahelo fa dia tratran'ny valala indray ny faritr'i Toliary II Ankehitrio.

Enga anie ka tsy fihatsaram-belatsihy fotsiny ireny fanaovan-tsonia ny fifanarahana "Kyoto" momba ny tontolo iainana.
...
Kay moa efa fihatsaram-belatsihy ilay izy fa ny loto ateraky ny orinasa eto an-toerana aza odian-tsy jerena. Vao maika ampiana ny fanamboarana simenitra etsy Ambohimanambola, izay azo antoka tanteraka fa handoto ny rano sotroin'Imerina.
2. ravatorano ( 17/03/2005 06:37)
valala v no niandohan ilay resak dia niafara amin ny rano sotroin Imerina tsy azoko ?
marina fa mirongatra indray ny valala any atsimo ary efa miezaka mamehy ny tsy hitaran izany ny mpamono valala.Ny mahagaga ahy fotsiny dia izao fantatra fa misy essaim any ary naninn no tsy novonoina fa navela nanidina.? ny atodin ireny valala ireny no tokony fongoriny mba tsy hiverenany intsony.
Tsy ho ela dia hahazo fanaovana simenitra vao2 tokoa ny eto Antananarivo, ekeko fa handoto ny tontolo iainana io nefa maro anie ny tekinisianina b diploma ao amin io fitondrana io na ireo ao amin ny commune antananarivo na ny faritany na ny regiom mihitsy aza nefa dia nanaiky ry zareo ka ataoko fa mety hisy fomba hafa hiarovana ny ton tolo iaina sy ny manodidina izany.
enga anie ^:^
3. fijo ( 17/03/2005 23:07)
asa aloha fa dadanay efa niasa tany amboanio mahajanga ,izay mpanao simenitra fa tsy dia tsapa na hita io fandotoana io e.
4. Nananie ( 18/03/2005 16:34)
Ary ny wa ny tsy azoko dia we avy aiza ireny valala ireny e?
5. iartistika ( 18/03/2005 18:09)
avy any ehhh,avy any ananona any... :roll:
6. ravatorano ( 22/03/2005 07:27)
misy andiambalala efa ela b no nisy teto ary tany amin ny faritra atsimo no nisy azy.Ny atodiny izany tsy maty fa dia rehfa tonga ny fotoana mahafoy azy dia iny ndray ry zareo no miala any.
Misy milaza koa fa misy andiambalala avy atsy afrika atsimo na mozambika tonga hatraty amitsika
izay no azo amaliana an i nananie
7. sonwin ( 22/03/2005 14:19)
Misy ihany koa ny resaka tombotsoa ao anatin'ny valala, misy projet natsangana hiady amin'ny valala, ary azahoana fanampiana avy any ivelany izy io, koa raha sanatria ka maty daholo ny valala dia tsy hisy intsony io fanampiana io ka ho betsaka ny very asa sy tombontsoa, ny tena atao izany an, tsy mamono valala , fa mampihena valala. Azo atao nge ny mamono ny atodim-balala e, fa hodiana tsy hita ,amin'izay misy vonoina indray refa fohy ry zalahy..dia toy izay hatrany hatrany.
8. kitjo ( 23/03/2005 05:41)
Marina dol znay fa io farany io koa no tena marina satria misy mahazo tombotsoa
Tsisy ny vokatra aveo fa lanin valala dia mahazo tombony ny mpanao varomaizina sy ny mpanafatra sns...

Mety ho possible mitsy koa ny hoe zraeo mitsy aza no mahatonga anreny any tsy hay. Mety ny zezika mody hafarana no efa misy atodim-balala...aiz ano ahalalana anzany.

Resaka simenitra, tsy tokony ho olana zany fa efa mianatra anzany ry zareo @resaka evacuation sns.
9. fijo ( 23/03/2005 21:49)
aiza kosa le.ny olana tamin'ny ady tamin'ny valala dia izao.le fanafody nampiasaina taty dia fanafody efa tsy ekena intsony ny ampiasaina azy aty europa.ary nisy olana be io tany alemana satria nisy nitory"wwf" ilay mpamatsy vola iny ady natao iny ,satria nividy io fanafody io.dia natsahatra teo aloha.tsy nitoy ilay ady.dia nanana fotoana nifankatiavana ry valala dia izao fa tonga ny taranany
10. sonwin ( 24/03/2005 15:43)
Ao anatin'ilay politika ts hahaomby ny ady atao amin'ny valala mihitsy iny resaka fanafody fa hita fa ts mamely iny. Tsy ny valala nge no tena cible tamin'iny fanafody iny fa ny crevette n'ilay orinasa iray tao Atsimo tao e..advers natahorana tamin fotoan'androny ilay ranamana dia naripaka ny crevette-ny nefa mody hoe valala no vonoina. Dia niova ny mpitondra, ny projet ady amin valala mbola eo ihany. misy dia misy tokoa ny fanampiana ary mbola mitsangana ny komitim-pirenena miady amin'ny valala...nefa ry zareo tsy mamono valala fa miady amin'ny valala fotsiny, dia ny valala hatrany no mivoaka mpandresy.
11. fijo ( 24/03/2005 23:16)
andao ary hifidy valala be mandry indray amin'ny manaraka e
12. iartistika ( 26/03/2005 08:27)
ny valala tsy indroa mandry am-bavahady ko!
13. dadabe ( 26/03/2005 12:53)
"...valala be mandry elah (2)..rahoviana ihany kay vao valala be mifoha.." sareraka :wink:
14. iartistika ( 27/03/2005 13:17)
valala be mifo ry zalahy... :roll: :-D
15. fijo ( 29/03/2005 21:47)
ka mbola miandry le andro hifoazana ko
16. sonwin ( 30/03/2005 20:57)
any bevalala izany mahita izay tadiavina momba ny valala e
17. iartistika ( 01/04/2005 16:40)
ie,de valala iray hifanapahana rôfa tonga any...
18. fijo ( 01/04/2005 21:43)
valala iray hifanapahana ,sipa iray hatao ahoan izany le
19. iartistika ( 03/04/2005 13:41)
ny tapany ambony an'ny fijo de ny ambany anà! =))
20. fijo ( 05/04/2005 21:35)
de mifamadika avy eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2068