Rindrankajy Mpitsara Tsipelina Malagasy

1. dotmg ( 26/11/2004 12:18)
Misy telo ankehitriny ny rindrankajy mpitsara (mpanitsy) tsipelina malagasy no fantatro. Ny tiako holazaina eto dia rindrankajy mitady ny diso tsipelina ao anaty lahatsoratra iray amin\' ny teny malagasy, ary manatsinkafona na manitsy izany (Hitanao ohatra rehefa manao Word dia tsipihiny menamena izay tsipelina diso @ teny frantsay ...) . Hanao dokambarotra ilay vao namboariko aho ity.
Ho an\' ny mpampiasa Linux aloha dia http://www.infogasy.net/forum/viewtopic.php?t=197
Ho an\' ny mpampiasa ny rindrankajy MS Word indray dia ao @ w w w . t e n y . o r g misy anankiray : http://www.teny.org/mg/atrikasa.html

Fa ilay namboariko dia ity :
http://malagasy.dotmg.net/malagasy/validator

Afaka mitsara ny lahatsoratra amin\' ny teny malagasy hita @ internet izy io (Asiana rohy hoe h t t p : / / malagasy.dotmg.net/malagasy/validator?check=referer fotsiny ao amin\' ny takelaka iray dia arahina iny, na koa alefa ny rakidaza teksta iray).

Mbola misy tsy mety fa amboarina miandalana.
novalian'i hery ny 07/12/2004 17:40
2. ikaretsaka ( 26/11/2004 22:48)
eny tokoa hoa .. mba nalaiko ilay izy kinanjo tsary nandeha
3. dotmg ( 29/11/2004 14:20)
Ny Linux ange noho izy opensource dia mba mora anaovana rindrankajy e! Mampiasa modules efa misy (aspell moa sa pspell sa bspell, fa misy spell izay) dia manampy toby fotsiny dia vita.
Ny MS Word noho izy be mpampiasa koa dia mora anaovana. Fa tsy mety tsara io version an\' ny veveve.teny.org io. Rehefa décompressé ilay rakitra (installé) dia mila config manuelle kely fa hoatran\' ny tsy mandeha @ rehetra. Mila afindra @ tanana ireo raki-daza.
Ny olana kely @ireo roa voalohany ireo koa dia toa somary betsabetsaka ihany ny tsipelina diso ao anatin\' ny tobiny, ary misy teny farany tsy hay koa aza.
Ilay farany no mety ho an\' ny mpampiasa Mac, na Win na Linux koa aza fa ny olana keliny dia izy en ligne, ka mila connecté @ Internet. Raha hitsara ity takelaka ity ohatra dia http://malagasy.dotmg.net/malagasy/validator?check=referer
4. fijo ( 29/11/2004 22:37)
misaotra aloha nihezaka nanao izany rehetra izany e.izay no efa mba tokony natao hatr\'izay.
5. hery ( 07/12/2004 17:40)
dotmg> tena tsy mety mandeha mihtisy ilay http : / / malagasy.dotmg.net/malagasy/ tsy haiko hoe nahoana...

Ok mila mi-pv kely angamba isika dia afindra toerana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3552