aina sa vola

1. tenio ( 20/07/2004 15:21)
Halina ny andro tamin'izay, teo amin'ny 1 maraina teo ho eo. Iny rangahy iray somary efa mamomamo midoladola hamonjy fodiana, avy nisotrosotro satria avy nandray karama.
Kinanjo anefa nony tonga teo amin'ilay kihon-dalana somary maizimaizina iny, dia indro nisy feo nibetroka avy ao aoriana:"Aina sa vola razoky e!" . Nitodika ny anao lahy ka indro tovolahy ranjanana efa-dahy manodidina azy miaraka amin'ny antsy lava lela. Tokana moa ny aina ka dia nomena ny vola kely karama mba tany am-paosy.
Avotra aloha teo, dia nanohy ny diany ihany rangahy, kinanjo efa ho zato metatra tsy ho tonga ny trano dia nisy nanakana indray: "Aina sa vola ra-dada an!" Dia hoy ny anao lahy namaly: aina leitsy sisa fa ny vola efa lasan'ny namanareo tatsy aloha tatsy. :lol:
novalian'i fijo ny 09/11/2004 00:14
2. olly ( 20/07/2004 16:38)
:lol: raha tsi olona mamo marina tsy hanao izany !
3. wawawa ( 20/07/2004 17:18)
4. tolotra ( 20/07/2004 17:20)
tsy ratsy ka! milay kah! tohizo iahany fa milay e!
5. ari.malala ( 21/07/2004 05:37)
:-D :-D Mahereza ihany misotro toaka ê!
6. jhouhlambout ( 21/07/2004 07:01)
:-D
7. tenio ( 21/07/2004 08:44)
Tohiny:
Nony tonga tao an-trano anefa dia indro ramatoa miandry eo afovoan-trano miaraka amin'ny tahon-kofafa. Mbola saika hipetraka haka aina rangahy sady hitantara ny nanjo azy dia tonga ny fanontaniana: "Aiza ny vola??" hoy ramatoa. "Lasan'ny mpanendaka" hoy rangahy niboredika. Hanky va re hoy ramatoa: "laninao tany amin'ny toaka sy ny vehivavy tany ny vola ka hoe lasan'ny mpanendaka a lasan'ny mpanendaka, heverinao fa adala angaha izaho ka hino an'izany? Inona izao ny heverinao fa hamelomana ireo zaza ireo: hovokisana inona ny zaza aminao? bozaka an? Lehilahy tsy vanona an" sady nanomboka ny vely kofafa sy ny vono nataon-dramatoa. Daka izao, vono izao, "mifona e, mifona e" hoy rangahy." Tsy misy izany mifona mifona izany" hoy ramatoa sady mitohy ny vely kofafa.
:lol:
8. olly ( 21/07/2004 10:01)
:lol: hay ve mbola nisy tohiny e ! neveriko d'efa najedakiry zalahy ary leiry teo ... ooozzzyyy mampalahelo indray :lol:
9. ramoul ( 21/07/2004 20:24)
tena mampalahelo ndray lery fa sady efa vôendaka mbola vôlakon' ny mpanendaka de mbola vôlakon' madama inahy avy eo.
Tandremo ny tôka am' manaraka razoky é! :-D :-D
10. pitchou ( 22/07/2004 17:49)
soa ary fa mbola fantany ny dikan'ilay fanontaniana hoe "aina sa vola"! loza raha tena efa lasa lavitra lery de mamaly hoe aina sa vola d inn koa, i grity sa rasoa mbela tery fa pede daholo! nenà i ramatoako miandry ahy ao an-trano! aina sa vola a aina sa vola!
11. tolotra ( 23/07/2004 14:24)
ary rah hoe sady tsy misy vola no tsy misy aina fa matoutou! mety itsoaka ry lerony a! tandremo iany io mndeha alina io oa!
12. leonardodicaprio ( 13/10/2004 15:21)
ra za razoky mamomamo dia,teneniko hoe,aleo aloa ny volako ateriko any aminy fianakams,dia miverina aho omeko ny aiko?
13. bekorontana ( 06/11/2004 11:47)
tenio, aina sa vola!!!!!!!!! :twisted:
14. fijo ( 09/11/2004 00:14)
samy tiakoletsy wa ireo ka aleo miara mirevy a.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.15