fanontaniana manitikitika

1. booboo ( 28/06/2004 11:34)
inona no maha malagasy anao ?
novalian'i kitjo ny 01/08/2004 12:17
2. fijo ( 28/06/2004 21:20)
ny fombako sy ny fisainako.ary ny taniko sy ny teniko.
3. ikaretsaka ( 28/06/2004 21:39)
manana ny tebniko sy ny taniko aho.. io no maha malagasy aho.. sy ny fiheverako (merci fio)
4. fifi ( 29/06/2004 07:51)
fa ny firaisan-kina eo @ samy gasy koa no tena ahitana fa malagasy
5. kally ( 29/06/2004 08:21)
Ny sinoa sy ny karana koa mahay miray hina raha tsy diso aho.
6. mabloo ( 29/06/2004 08:26)
ny fomba fisaianako no mahagasy ahy na aiza aho na'aiza tsy hiova io!!
7. fijo ( 30/06/2004 05:08)
samy mahay miary hina fa ny teny sy ny taniny no hiavahana.
8. mimich ( 30/06/2004 07:41)
teny, tany, fomba amam-panao
9. booboo ( 30/06/2004 10:01)
ary ho an'ireo oul teraka ivelan'i M/car, na efa ela nipetrahana ivelan'i M/car ka efa nandray ny fomba amam-panaon'ilay pays ? inona no mbola maha gasy azy ireo ?
10. fijo ( 30/06/2004 23:10)
raha zaza teraka taty aloha dia tena tsy hita loatra intsony io maha gasy azy io e.ireny dia zaza very.azafady fa izay no hitako fa marina.
11. ikaretsaka ( 01/07/2004 03:49)
dia ahoana iznay ranjandrinay? nefa izy miteny gasy sy misaina gasy?
12. mimich ( 01/07/2004 07:56)
arakaraky ny finakaviana io ka! rehefa tena miezaka ny mampahafantra azy ny taniny sy mikolokolo izany ao an-tsainy ny Rr de mety hety ihany fa marina aloha io tenin'i fijo io hoe raha zaza teraka tany dia sarotsarotra ihanynny tena hifotorany @ maha-malagasy azy satrai ny fiaraha-monina anie no mamolavola ny olona e
Mety misy embona sy hanina ilay mahamalagasy ao fa ny fisainanay mbola mi domine kokoa ny an'izay tany nahalehibe.
Tena hitako io satria izahay izao avy any @ sisiny fa lehibe teto dia hitako hoe voafiehiko kokoa ny fiainan'ny fiaraha-monina eo.
13. fijo ( 01/07/2004 19:49)
ikaretsaka izy tsy teraka tany ary mbola mahafehy tsara ny teniny.sy ny fisainana gasy.tsy mitovy amin'ireo izay teraka sy lehibe tany ary metsy tsy mbola nahita an'ny mada akory.
io voalazan'i mimich io indrindra.ny mampalahelo dia "very" wa satria ny ao tsy tena mandray ny tena,ny any amin'ny tena nefa tsy hay koa.
14. ainakelyio ( 15/07/2004 08:06)
Ny maha- gasy ny olona iray dia izao ihany : hainy ny fombafomba rehetra misy eo @'nby taniny , voafehiny ny fiteniny ary tena saro-piaro izy @'izany fa tsy hoe gasy aho nefa rehefa miteny dia vary @'akotry be tsy roa aman-tany ny ao an-dovia sy miakatra @'ny sotro ;ny itafy koa dia anisan'ny maha- malagasy ny olona iray satria ny fitafy gasy dia tena maontina ary tena miavaka fa tsy misy ny lamaody ifaninanana fa dia izay hita fa mety sy maha- mendrika ihany ,ny fiteny tsy hadino sao dia hoe :...........;ireo teraka sy monina aty an-dafy indray dia izao tsy dia azo atao ho malagasy intsony izy ireo satri efa lmiaka ny zo aty ary koa efa niaina ny fiainana taty ka sarotrarotra ho azy ihany ny hiteny hoe malagasy ary koa ny hiaina ny fiainana malagasy ohatra ho @'izany ny fisakafoana tsy mitovy satria taty izy nihinana paty isan-kariva nefa eto dago dia vary y laoka foana.OK.
15. methode ( 15/07/2004 08:41)
Misy karazany maromaro ny maha-malagasy: Malagasy ara-pirazanana (ray aman-dreny gasy); malagasy ara-pitenenana (Gasy na vazaha mahafehy ny teny malagasy); Malagasy ara-pomba amam-pisainana (gasy na vazaha mahafehy ny fomba sy miaina ny toe-tsaina Malagasy, miteny na tsy miteny gasy); Malagasy ara-taratasy (Nationalité Malagasy, miteny na tsy miteny Gasy); mbola mety misy hafa ihany koa!! Samy milaza ny tenany ho malagasy daholo ireo ary mirehareha amin'izany, saingy tsy Malagasy tena feno!! Misy vazaha farantsay anefa ohatra tena mahafehy tanteraka ny teny gasy ary mampiasa ny ohabolana sy sarin-teny isan-karazany, manana diplôme ambony momba ny teny malagasy, saingy tsy manana nationalité malagasy. Izy no mety ho Gasy kokoa noho ny Malagasy sasany!!
Amiko dia mbola ezaka ny tena maha-Malagasy ka ny ahazoana ireo rehetra ireo no tena tanjona!! Izay ianao vao tena afaka milaza fa Malagasy feno!!
16. pitchou ( 17/07/2004 15:58)
ka ny ahy alou d ny fiaviako sy izay rehetra ao amiko no mahamalagasy ahy e! sarotra be le fanontaniana ko! satria to otran'ny nandray kolontsaina hafa koa ty zaho rehefa tena nandini-tena!
17. sipagasy ( 25/07/2004 16:08)
tena mila fandinihana lalila ilay fanontaniana fa sao dia hoe Malagasy ihany aho ity fa tapany fotsiny kay :!:
18. kitjo ( 26/07/2004 02:38)
Fonony fotsiny aza no atahorana @ sasany ka!
Ny etikety efa nataony vazaha aby....hihiiih
19. booboo ( 26/07/2004 08:30)
methode>ekena tanteraka
20. kitjo ( 01/08/2004 12:17)
methode> tena marina!
ARy izay no ankasitrahana ity "site" (tranonkala moa sa inona?) ity fa manampy antsika rehetra hahatratra an' ireo tanjona ireo na tsy tanteraka aza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5425