Izao, ilay zaza nirina nefa tsy nateraka

1. tsikyrazaf ( 23/04/2004 11:20)
Tsiky Razafinirina no anarako saingy tsy ho ateraka mihitsy aho. Ny raiko nampanantena ny fisiko saingy nolaviny aho dia zaza hafa no naterany.Ny reniny, voton'alahelo dia eo am-bavan'ny fahafatesana.
Tao anatin'ny fitiavana no natao ho tanterahina aho saingy indrisy...ho nofy sy mety ho tantara sisa ny ahy sy ny an'ny reniko.
novalian'i vahona ny 07/05/2004 23:08
2. alz ( 23/04/2004 11:27)
Tsy mazava amiko le resaka.

Tsiky (razaf), efa henonao ve le "tsiky dia ampy"?

3. tsikyrazaf ( 23/04/2004 11:52)
Bonjour,

Mon papa a promis mon existence mais ne veut plus de moi

Ma maman est malade de chagrin et est en train de mourir…

Moi, Tsiky RAZAFINIRINA, j’aurai ressemblé à cette petite fille si j’avais pu exister mais je resterai un souvenir pour papa et une image dans l’âme de maman.

Mon plus beau souvenir : avoir été un beau projet au cœur d’une Histoire d’Amour entre papa et maman…

Mon plus grand regret : rester au stade de projet, ne jamais pouvoir être concrétisée…
4. aladin ( 23/04/2004 12:20)
oh!pauvre de toi!
tsiky ah mba jereo ihany kosa ny lafy tsaran'ny fiainana e!
5. oully ( 23/04/2004 12:27)
Ndryyyy! mampalahelo. Mazava ny tian'ny mpanoratra ambara eh! efa niverimberina teto ihany io resaka fanalan-jaza io fa dia atsipy ny teny any am-pon'ny hendry sy ny manan-tsaina ary ny mahay mitia.
6. booboo ( 23/04/2004 12:31)
oh là !
7. samoina ( 23/04/2004 12:35)
Teneno Maman fa mbola ho avy hoe ny tsiky hafa fa mitrakà hatrany ! Mbola tsy ampy tsara ilay fitiavana matoa nesorina ny Tsiky. Na koa antony hafa izay papa sy Maman ihany no mahalala izany fa aza hanomezan-tsiny azy loatra Razafinirina a !
8. tsikyrazaf ( 23/04/2004 12:43)
Tsiky m'a été promise et ce fut un autre enfant d'une autre femme qui a vu le jour. Ma Tsiky a cessé d'exister comme moi je cesserai de l'être
9. hendry ( 23/04/2004 13:39)
Raha tsy diso fandray aho dia tsy nateraka zany ilay Tsiky, nefa toa manana anarana?
Tsy vitsy ny toa anao. Ny lesona azo tsoahina dia ity: tsy tokony hino be fahatany zay lazain´ny lehilahy ny vehivavy fa manadihady tsara vao manapa-kevitra ny ho bevohoka, arovy ny tenanao, mampiasà fitaovana.
10. ramoul ( 23/04/2004 14:06)
Tsiky ton histoire me fait pleuré(sniff).aza malahelo fa mbola hisy tsiky foana ny hipotra amin'ny fihainanao.
11. alz ( 23/04/2004 14:21)
Tsy misy zavatra azoko ty resaka ity!!!!!!!!!

Raha resaka fanalan-jaza dia tokony hoe : inona ny mahatsara sy maharatsy ny fanalan-jaza?
Inona ny fian-tsaikan'izany amin'ilay vehivavy manala? amin'ilay lehilahy? sy ny sisa.
amin'ilay embryon?

Na resaka mazava, fa ôtran'ny miolana re resaka!!!!
12. pitchou ( 23/04/2004 14:40)
aza mamoy fo @zany ka! raha miandry ao ilay tsiky d andraso @endrika mirana ny ahatongavany, d tazony ho anao irery: nahazo fitia double be izao ianao izany! raha tsy misy tsiky efa miandry ao d mitsikia fa hitsiky koa ny fiainanao e! aza manaiky ho resin'ny hankasomparana izany mihitsy !
13. jhouhlambout ( 23/04/2004 14:50)
Mampalahelo be izany, kanefa ny fiainana anie tsy voatery handeha araka izay niriana e!
Dia tsy hiady ve i Tsiky fa hanaiky ho resy fotsiny, tsia takio ny zoanao! Ady ny fiainana: zany lazaina @ Mamanao!
14. booboo ( 23/04/2004 15:01)
ny tsara indrindra niarahanao t@ Tsiky no tadidio. Tsy mora satria tsy maintsy hitamberina ao koa ny ratsy fa ezaho ho ny tsara no mahazo laka sy manan-danja kokoa !
15. peluche ( 24/04/2004 11:57)
hafa kely le tantara-nao
16. ikaretsaka ( 25/04/2004 20:56)
somary niolaka kely be (nefa tsy teny gasy) jereo Gasy tia miolakolaka ary @ kolontsaina fa azo ihany t@ farany
17. fijo ( 27/04/2004 21:58)
mampalahelo mampisaina ilay izy ka dia samia maka izay azony raisina e.
18. rfanjav ( 30/04/2004 14:16)
Ilay zaza nirina nefa tsy nateraka ahoana e?!!!

tsy nateraka ianao ka maninona no misy eto izao ? sa fantome le Tsiky Razafinirina eto?

aza mba mampiesona wa !

sa za koa no tsy mahazo izay resahanareo ?
19. hendry ( 30/04/2004 17:55)
Zany ndrindra anie no nahatonga ahy hiteny tery aloha hoe "Raha tsy diso fandray aho dia tsy nateraka zany ilay Tsiky, nefa toa manana anarana?"
Asa koa na zaho aloha no diso fandray fa ny fahazoako azy dia bevohoka ilay reniny ary nanala zaza satria nilaozan´ilay rainy. Dia mba ampitenenina zany ilay zaza nalàna e! tsy teraka akory. Sa ve tsy zany ny tiana ambara?
20. jhouhlambout ( 30/04/2004 18:42)
Izay ilay antsoin'ny vazaha hoe: Pérsonnification: ampindramina aina(na koa saina) ny zavatra iray(hazo,saka,voalavo,alika,ny maty...) ka ampitenenina sy iresahana. Ny olombelona anie tsy lany imagination mihintsy e! brrrr....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2309