Tsy mahavita 2e mandat foana ny mpitondra
1. hery
(
27/09/2025 06:18)
Amin'izao situation izao dia sarotra be ny hino hoe hahavita 2e mandat koa Rajoelina raha tsy hoe hampiasa herim-pamoretana tanteraka.
Dia lasa ihany ny saina hoe fa maninona izany ny mpitondra eto Madagasikara no tsy mahavita 2e mandat intsony?
Matetika ny filoha lany eto Madagasikara amin'ny mandat voalohany dia mitonona ho mpamonjy satria nivoaka tao anaty korontana. Be dia be ny fanantenàna apetraky ny vahoaka aminy, ary izy rahateo moa mampanantena zavatra betsaka. Be mpitia be izy izany amin'iny vao miditra eo amin'ny fitondrana iny. Ny olana nefa dia tsy ny hanatanteraka ny fampanantenana nomeny no mahamaika azy fa ny ho marin-toerana sy ny haharitra eo amin'ny fitantanana. Hamafisiny daholo ireo fototra hampaharitra azy, toa ny tafika, ny andrim-panjakana. Tsy laharam-pahamehana intsony ka tsy vita mihitsy ireo zavatra nampanantenainy nandritra ny fifidianana ka manomboka leo azy ny vahoaka. Eo am-pelatanany anefa ny vola sy ny fahefana ka vitany soa amantsara ny mandat voalohany ary lany amin'ny mandat faharoa izy (na tamin'ny hala-bato na tamin'ny fampiasana vola mihoa-papana). Miditra mandat faharoa izy dia mbola nanatanteraka ireo fampanantenàna vaovao indray. Dia eo no manomboka kivy ny vahoaka dia mikomy satria tsy ny vendrana ihany no voafitaka indroa amin'ny fitaka mitovy. Tsy vitany intsony ihany koa ny mifehy ny tafika sy ny andrim-panjakana, dia rava ilay fitondrana. Dia indro tonga indray ny mpamonjy manaraka... dia toa izany foana.

répondu par RBNIR le il y a 21 jours
2. Azrael666
(
27/09/2025 17:39)
Nataoko ihany zoky Hery ny tsy hino théorie de complot fa tena lasa complotiste tanteraka aho a! Aiza ve ka dia misy famotehana économie Malagasy sy crise tsy ahoan-tsy ahoana eo? Misy mi-financer ireo mpandroba ireo, misy mpaniraka ireo amiko! Ankoatra izay dia tena mino aho fa feno olon-dratsy eto Madagasikara. Za ndray aloha dia tsy miraharaha loatra na hahavita 2eme mandat Rajoelina na hiongana eo no eo aza, fa ny tena mampanontany tena ahy dia hoe iza loatra ilay mi-tirer ficelle ao ambadimbadika ao? Samia mivavaka fa tena efa guerre civile izao, ary afaka hetaheta amin'ny ran'ny Malagasy i Losifera.
3. jhouhlambout
(
10/10/2025 08:43)
Izay ilay hoe : "Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory aty ambanin'ny masoandro. Raha misy zavatra azo lazaina hoe : He ! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin'ny andro talohantsika ihany izany. Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan'izay handimby azy." (Ecclésiaste 1:8)
4. RBNIR
(
il y a 21 jours)
Salama daholo!
Misy zava-miafina otran'izao mba tiako hozaraina aminareo (na kristiana na Tsia).
Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; Lio.4 : 6
Ny fanapahana rehetra (ny fanjakana rehetra tsy ankanavaka io) Efa natolotr'Andriamanitra azy (ny devoly).
Ilay voasoratra ato...
ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin'ny hazo fijaliana ny Tompon'ny voninahitra. I Kor.2 : 8
Hoy Jesosy Kristy Tompo...
Jesoa namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako. Jao.18 : 36
N'y tena mpanompony tsy miady fanjakana @ izao tontolo izao....
Saika hataon'ny olona mpanjaka i Jesosy Tompo dia izao no nataony .
Ary rehefa fantatr'i Jesoa fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.Jao.6 : 15
Raha tena te ho mpanompony ianao dia mandehana tahaka Azy araka ny voasoratra hoe...
Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. [*Na: Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika: Izay etc] I Jao.2 : 6
Avelao ho an'izao tontolo izao izay an'ilay mpanapaka izao tontolo izao ..
Fa izay te hozanak'Andriamanitra kosa...dia katsaho ilay fanjakana (tsy ETO an-tany) fa Ilay nampanantenaina ary voasoratra fa tsy MBA ho Rava fa haharitra mandrakizay....