Ny Nofy... sy ny Faminaniana

1. rhaj0 ( 14/09/2016 12:17)
Inona moa ny Nofy..

Rahefa matory isika, dia misy dingana (stades) maromaro lalovantsika, ary rahefa tonga @ ilay hoe "sommeil paradoxal", dia eo no mivoaka ny Nofy. Raha taitra tampoka eo isika, dia eo no tadidy ilay nofy. Fa raha tsy taitra moa, dia very any iny izany. Miverimberina eo @ io sommeil paradoxal io isika mandritra ny alina (mi-cycle efa ho in-3 h@ 6, manao sommeil lent/sommeil paradoxal/...).

Ka rahefa ao @ ilay "sommeil paradoxal" ny tena, dia eo no votsotry ny ati-doha daholo ny fitazomana na fifehezana (controle) ny vatana sy hozatra aman-tsaina (afa-tsy ny maso sy ny sex).

Eo izany isika izao.

Ka ilay vatana sy hozatra aman-tsaina dia manana tadidy (memoire), traikefa, eritreritra, revirevi-mitsangana, ets... Izany hoe, raha atao kisary izany, dia toa sobika misy singan-javatra maromaro (pieces-na puzzle).

- Mandritra isika mifoha, dia voafehin'ny ati-doha ireo singan-javatra ao @ sobikantsika io, ary mandeha @ lojikany ny fiainana.
- Fa rahefa ao @ ilay "sommeil paradoxal" kosany, dia TSY voafehiny.

Koa raha atao kisarisary izany, dia toa ny hoe, rahefa ao @ sommeil paradoxal isika, dia azo atao hoe, mihontsana indray mandeha ny sobika, ary dia misy kisary avoakan'ilay puzzle. Dia io kisary io ilay Nofy.


[size=8](tambatambatry ny resaka reko tetsy sy teroa ireo)[/size]
... Ka manaraka tsara ve k'lou nareo hatreo eee.... :-)
répondu par rhaj0 le 30/09/2016 10:55
2. rhaj0 ( 14/09/2016 15:51)
Ka ndao atao kivalavala.

1- afak'omaly dia nihontsana ilay sobika, ary dia ny sarin'ny rahalahinao sy ny vadinao no tafatsoropaka teo @ puzzle.

2- omaly indray anefa, dia ny sarinao sy ny vadin-drahalahinao no tafatsoropaka teo.

Ka dia ahoana izany.. Raha kingakinga ianao hanao "interpretation des reves", ka hoe

1- afak'omaly dia namitaka anao Ivadinao
2- ary omaly dia nofitahinao Ivadinao

dia.. ahoana? Dia "tena izay" tokoany ve no dikan'ireo nofinao tao??

Sa ahoana no fandraisanao ny resaka eto?

3. endriny ( 14/09/2016 16:35)
Fa faminaniana kosa tsy nofy e? Sa ahoana hoy ianareo...

Mijery ny zava-misy isika dia mandalina kely dia afaka mamantatra ny ho avy (Maminany ny ho avy)

Fa tsy hoe hiraraka ety an-tany ny kintana dia mitondra PARAETOILE rehefa mivoaka ny trano dia tsy maninona
4. rhaj0 ( 14/09/2016 16:57)
Tsy haiko tsara, fa (ny an'ny kristiana ohatra) ilay "faminaniana" ve tena hoe, mitokona teo amorom-patana teo bainina, dia mitsako vilona teo, dia ... tampoka teo, dia.... mIlaza "faminaniana" ???

Na izany na tsy izany, ny fahatakarako azy, dia misy olona (kritiana?) koa milaza fa "hitany t@ Nofy" ilay "faminaniana" lazainy io.

5. endriny ( 14/09/2016 17:15)

rhaj0:

mitokona teo amorom-patana teo bainina, dia mitsako vilona teo, dia ... tampoka teo, dia.... mIlaza "faminaniana" ???
"hitany t@ Nofy"


Ka atao ahoana fa izay no nasesiky ny mpitondra fivavahana tao an-tsaintsika e... mpitondra fivavahana izay mahalala ihany koa fa tsy izay no tena zavamisy... saingy raha hain'ny olona daholo ny zavamisy, iza indray no andeha atao ondry...

HItany amin'ny NOfy, dia ahoana raha nofy ririnina.

Rehefa nanorim-ponenana teo amin'ny tany lemaka akaiky renirano ny Israelita, dia nahatakatra I Noah, fa na rahoviana na rahoviana tsy maintsy ho safotry ny rano ny Tanana. Dia nanomboka nanao lakana izy.

Ry zareo tao Saodoma, isaky ny alina manao afo anafanana korana foana... Ka izay milalao afo hono mbola ho main'ny afo. Dia may ry zareo.

Dia mirary fiononana feno ho an'ireo mponin'i Mahavelona (Foulpointe) tamin'ny nahamay ny Tanana indray. in-droa may izay io Tanana io fa mbola tsy nisy fepetra noraisin'ny fitondrana mihintsy. dia ho may fahatelo arak'ilay faminaniana hoe jamais 2 sans 3
6. rhaj0 ( 15/09/2016 14:39)
Iverenako indray ity....
rhaj0:

Ka ndao atao kivalavala.

1- afak'omaly dia nihontsana ilay sobika, ary dia ny sarin'ny rahalahinao sy ny vadinao no tafatsoropaka teo @ puzzle.

2- omaly indray anefa, dia ny sarinao sy ny vadin-drahalahinao no tafatsoropaka teo.

Ka dia ahoana izany.. Raha kingakinga ianao hanao "interpretation des reves", ka hoe

1- afak'omaly dia namitaka anao Ivadinao
2- ary omaly dia nofitahinao Ivadinao

Eo izany mazavabe fa "interpretation" an'ilay puzzle no atao. Ka dia hitanao fa raha ny marina, dia tena TSISY idiran'izay mifampiditra ao akory, araka ilay "puzzle" tafavoaka avy t@ sobika teo, tena tsisy ifandraisany @ zava-misy n/m/hiainana.

Dia hita @ izay "interpretation" atao koa, fa dia (mety) ho lasa negative, ary negative @ n'a pas, ny vokany. Manimba ny fifandraisana, mandrava fanambadiana na ny fiaraha-monina sns...

Ka io "interpretation des reves" io hono no nametrahan'i Mahomet fampitandremana. Ao @ fampianaran'ny Moslimo ao, dia hoe, raha hanao "interpretation des reves" ao ihany hono ianao, dia ... "mivavaha" aloha.

Ny fampitandremana ankehitrio kosa, dia hoe, raha hihaino ireo mpanao "interpretation des reves" ihany ianao, na dia efa kOpy azany ianao fa "interpretation" (subjective) ilay izy, dia mba mailomailo tsara azany, hoe,
- ngo dia misy "conflit d'interet", izany hoe, misy interet-n'ilay olona ny mi-influencer anao (nisy nanome 3V izy... na hoe, manamafy ny sezany sy fihinanany ny finoanao izay lazainy)
- olona TSY manana mauvaise intention no miresaka aminao

Satria mantsy ny mpanao "interpretation des reves" dia zareo psy koa.
7. rhaj0 ( 15/09/2016 18:08)
Inty indray misy kisarisary hafa azahoana mahazo ny hoe Nofy..

Toa ny rahefa manao scrabble indray ohatra. Ao @ sommeil paradoxal-nao ao izany ianao, dia nahazo vato ananki-7. Dia ho avy ny "mpahay azy" hilaza ary hamaritra teny iray.

Dia tena izay tokoany ve ny aminao? sao kosa... créativité-n'ilay "mpahay azy" fotsiny iny?

T@ ilay fandaharana t@ radio reko mantsy, dia nitantara ny Nofiny ilay ramatoa. Dia avy ilay "mpahay azy" (psy ilay iray ity), namariparitra ny "mety" ho dikany, araka ny "fahalalana @ ankapobeny momba ny Nofy". Saingy nisy zavatra iray tao @ ilay Nofy no TSY @ ilay fahaizan'ilay mpahay azy. Ilay ramatoa afrikana. Ilay psy tandrefana. TSY takatr'ilay psy ny teny iray fa maika ny hiresaka izy. Nefa ilay teny dia manoritra "dadarabe". Nony takany fa izay ilay izy, dia vasoka be teo izy, satria dia tena TSISY dikany mihintsy ilay nofariparitany teo.


[size=8]Fanamarihana: eto @ "Fivavahana/Finoana" no iresahako an'ity... satria takatrareo fa ho akisako any @ toeran'ny Nofy eo @ Fivavahana (kristiana) ny resaka rehefa avy eo....[/size]
8. rhaj0 ( 15/09/2016 18:38)
@ ilay interpretation hoe, ianao no mamitaka an'Ivadinao, sa(tria) Ivadinao namitaka anao, dia hitabe fa dia lasitra iray ihany ny rezonema natao. Sa fidifidiana hoe, ilay faha-2 kosa tena TSY izy eee...

Ilay izy, raha ny fahatakarako azy ho'a, dia nihontsana ny sobika tao @ sommeil paradoxal tao, dia io no tafavoaka, ka dia izay izany... fa "tena tsisy ifandraisany @ zava-misy n/m/hiainana", rahefa afaka mifehy ny sobika sy ny puzzle ny ati-dohanao rahefa mifoha ianao
9. rhaj0 ( 20/09/2016 16:58)
Ka ao @ Baiboly ao, dia misimisy ihany no hoe, "noresahin'Andtrmna tao @ nofiny tao".

Sao misy mahalala an'i Daniela ohatra ny eto? Dia inona no nofiny, izay nolazainy fa i Andmntra no niresaka taminy tao?
10. rhaj0 ( 20/09/2016 17:08)
ah.. hitako ny nofy (adala) an'i Daniela

Daniela 8:20 Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’ i Media sy Persia.
21 Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’ i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ ny masony dia ny mpanjaka voalohany.

Ka nanofy ondrilahy sy osilahy hono i Daniela, dia avy eo, nolazainy (inoy-tsy-asiana-adi-hevitra) fa "anjely" no nanao "interpretation des reves" taminy, fa ireo ondrilahy sy osilahy ireo dia mpanjaka, hozy ny mpanao interpretation des reves, dia ny anjely.
11. rhaj0 ( 21/09/2016 00:01)
Ny nofin'i Josefa indray hono dia toa izao indray

Matio 1:20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho taminy tamin’ ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak’ i Davida, aza matahotra hampakatra an’ i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ ny Fanahy Masina...


ka io izany ilay "inoy-tsisy-adi-hevitra" ??? Sao kosa, i Matio no mampionona an'i Josefa-cocu @ io, na indray, i Josefa-cocu mampiono-tena no tantarain'i Matio??
Sa i Matio no mampandry ny adrisa be mandry, ary mbola mandaitra ny abobo h@ izao.

Tena tsotsotra be mihintsy izany tonga dia manao befilaza hoe "nisy anjely niseho t@ nofy" ilay izy. Dia ilay mpino-mpihaino @ io dia mitelina tsisy saina miasa mihintsy hoe, inona tokoany anie izany hoe "nofy". Raha misy olona miresaka toa izany ve izao tsy lazaina fa hoe adala ee ???

Asa izao raha toa izay koa no fampiresahana ataon-dry Mailhol mbamin-dry Herinirina, hoe, nisy Anjely niseho taminy koa t@ nofy tao, dia iny tokoany dia minobe daholo ireto mpanaraka azy dia mainkohoka ao... Izay ve ry RBNIR?? i Profeta Tsaratsara moa no efa nilaza tsara toa io, ka hoe, sitrana tsara hono ny cancer tsara nahazo azy.


Fa io fanosehana Anjely ao anaty nofy io moa dia efa fatao hatrany @ Eksodosy 3
2 Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin’ ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana.



Fa raha @ izao 2016 izao ka takatrao ny @ Nofy, dia ... kOpy ianao izany fa ... ireo olona fahiny, rahefa manofy, dia koditra, satria tsy takany hoe inona koa izany, ary dia akapokapony ho Anjely sy Jehovah no miteny ao anatin'ny nofiny ao.

Dia izany ve dia mbola taritaritinao h@ izao 2016 izao kosa eee ???
12. endriny ( 21/09/2016 04:54)

rhaj0:

ah.. hitako ny nofy (adala) an'i Daniela

Daniela 8:20 Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’ i Media sy Persia.
21 Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’ i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ ny masony dia ny mpanjaka voalohany.


Ny an-dry zareo mantsy izany ny ondry sy ny osy no biby tsara indrindra tamin'izany satria izay no biby tsara tarehy indrindra tany an'efitra, ka dia nanomezan-danja ireo mpanjaka ny ondry sy ny osy. I Jesosy aza nantsoina hoe zanak'ondrin'Atra.

Ary tamin'izany dia ny bibilava sy ny taranany no biby ratsy indrindra tany an'efitra, mbola ratsy noho ny amboadia, dia izay nofy rehetra misy an'i bibilava sy ny karazany dia nolazaina fa devoly avokoa na avy amin'ny demonia tsotra izao.

Fa mba betsaka ihany koa tamin'ny nofiko no tanteraka a, ka mpaminany koa ve izany aho?
13. rhaj0 ( 21/09/2016 12:35)
Ka io izany raha atao kisarisary, dia hoe:
Ilay borikilahy no nanonofy ondrilahy sy osilahy
Ka ny mpanjakan'i Grisia no lazaina fa hanao coup d'état


Fa dia averiko ihany fa dia... kOpy ianao izany fa ... ireo olona fahiny, rahefa manofy, dia koditra, satria tsy takany hoe inona koa izany, ary dia akapokapony ho Anjely sy Jehovah no miteny ao anatin'ny nofiny ao.
14. rhaj0 ( 21/09/2016 19:28)
endriny:
Fa mba betsaka ihany koa tamin'ny nofiko no tanteraka a, ka mpaminany koa ve izany aho?

Izaho tena tsy mba nanana nofy tanteraka. Nefa tena tsaroako izao hoe, nanofy aho hoe nahazo lotto ary lasa millionaire... tena raha tanteraka io nefa, tena veloma lava ry said homard :-)
15. rhaj0 ( 23/09/2016 16:30)
Efa noresahina teto @ seraserantsika ihany kay ity nofy ity...

Ny psy aloha dia milazalaza izao fa ...
https://www.psychologytoday.com/blog/sleep-newzzz/201505/how-do-scientists-study-dreams

Ny fahazoako ny ataon'ny psy ao, dia mijery ny nofy sy ny toetran'ny vatana (sy saina). Fa kosa, TSY nahita mihintsy aho psy nilaza hoe, ilay "nofy" iny dia lasa "tanteraka" aoriana.

Ohatra ny vokatry ny fikarohana dia hoe: "Traumatized children and adolescents overall report a significantly higher number of nightmares". Fa TSISY nilaza mihintsy fa "tanteraka" ilay "nofy ratsy" teo taty aoriana.


Ary ny neuroscientist indray koa ohatra dia ...
http://www.scientificamerican.com/article/the-science-behind-dreaming/
Dreams seem to help us process emotions by encoding and constructing memories of them. What we see and experience in our dreams might not necessarily be real, but the emotions attached to these experiences certainly are. Our dream stories essentially try to strip the emotion out of a certain experience by creating a memory of it. This way, the emotion itself is no longer active. This mechanism fulfils an important role because when we don’t process our emotions, especially negative ones, this increases personal worry and anxiety.

Ny fahazoako an'io ihany, dia TSISY milaza mihintsy fa izay "nofy" teo dia (ho) tanteraka. FA ilay fifandraisan'ny nofy sy izay emotion ao aminao ao no halalinina.

Ka io izany, raha ny fahazoako azy ho'a, dia mihontsona ny sobika, dia mivoaka eo @ puzzle eo ny emotion sy memory anao tao. Dia izay. Fa izany TSY midika mihintsy hoe, ilay sary mivoaka @ puzzle ao dia (ho) tanteraka. Fa kosa, ny fandalinana izany puzzle (na nofy) izany, dia ahafahana mahita hoe, inona no mameno ny sobikanao ao (emotion/memory/...)

16. rhaj0 ( 24/09/2016 12:38)
Raha fehezina izany dia

- raha manao "interpretation" ny siantista, na ny psy, dia ny ahalalana ny fandehany (processus) ary koa ny votoatiny (ireo puzzle-na memoire/emotion) no halalininy. Izany dia ny mba hanampiana ny hanatsara (na hanarina ny tsy mety) @ fiainan-draolona

- raha manao "interpretation" ny mpambotry ny namany, toa ireo charlatan mamahan-dalitra, na ankehitrio io na taloha (ohatra ny tao @ Baiboly), dia lazainy fa mahita "fambara ny ho avy" hono izy, ary izany dia hihatra ary ho tanteraka, tahaka izay "hita" (na ilay no-interpreter-na) tao @ ilay Nofy teo.

Iverenako sy amafisiko (foana) fotsiny ny @ ireo Mpino, na Kristiana na ny hafa finoana, fa... ireo olona fahiny, rahefa manofy, dia koditra, satria tsy takany hoe inona koa izany, ary dia akapokapony ho Anjely sy Jehovah no miteny ao anatin'ny nofiny ao.

17. endriny ( 27/09/2016 04:51)
Inona no maha samy hafa ny nofy atoandro sy ny nofy ririnina?
18. rhaj0 ( 27/09/2016 10:56)
Ilay "nofy atoandro" raha ny fahazoako azy, dia ilay mandrevirevy, mamoromporona sy mamboaboatra zavatra imazinera ao, ka hoe, ataoko an'izao ny izao, ary dia tena lasa @ izao. TSISY lojikany... na hoe, misy lojika-na mpandrevirevy ny resaka amboarimboarina ao.

Raha ny fahatakarako azy, dia izay indrindra no fataon'ireo (manondro-tena ho) "mpaminany" (ao @ Baiboly, na ny toa an'i Herinirina).

Fa io moa, rahefa arahiny "feo mafy" sy averimberina, dia tena ... lasa mino tokoany ny zavatra noforomporoniny teo i Rampaminany.. Dia ny "te-hino" koa moa be dia be, ary dia lasa hotry ny mba tena marina ilay revirevy noforomporonina namboaboarina tao.



Ilay "nofy ririnina" indray, raha ny fahazoako azy, dia... rahefa ririnina moa, mangatsiaka, dia mora taitra avy @ ilay sommeil paradoxal, ary dia tsaroana ilay nofisina teo. Fa matetika loatra angaha no taitaitra @ torimaso noho ny hatsiaka, ka dia lasa maromaro ny nofy tsaroana. Dia io hita io fa dia "nofy ririnina" tokoany ilay izy: tsisy idiran'ny paiso @ laisoa... sahala @ nofy rehetra ihany.

19. endriny ( 30/09/2016 04:14)
Ka ilay faminaniana ve nofy atoandro sa nofy ririnina?
20. rhaj0 ( 30/09/2016 10:55)
Raha ny fahatakarako azy aloha, ny faminaniana dia "nofy atoandro". Resaka noforomporonina, dia namboarimboarina mba hifanaraka @ izay revirevy ao. Sahala @ i Rowling manoratra ny tantaran'i Harry Potter ihany io.

Satria... taiza no nisy "lojika" teo @ firohizan'ny nofy, averiko indray, teo @ firohizan'ny (tantara anaty) nofy ho'a, ka hoe, tena nifandraika @ hiainana ? Ilay singan'ilay puzzle, dia ireo memoire/emotion/... dia (mety) zava-m/nizy, fa ny firohizan'ireo singa ireo, ny fitambaran'ireo ho lasa tantara, eo no tsisy lojikany.

Tantarao ohatra hoe ny nofinao farany..

Izaho izao nanofy hoe, napetrako tatsy ho atsy hono ny fiara (hotry ny any Dago ilay toerana, nefa izaho izany aty Kanada), fa nony niverina aho, dia nanjavona ilay izy, ary tena lasa gaigy kely mihintsy aho tanaty nofy tao. Dia maninona? "fambara" ve izany, sa "faminaniana" fa ho very tokoany ny fiarako?? Na hoe, tena hiverina any Dago aho izany atsy ho atsy?? Sa asiantsika kely creativitE kely indray io, ary dia hoe, ohatra hoe, "faminaniana" izany fa ho very ny ... alikako?? Sa hoe, hanambady ny zanako?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1682