Mafana fo sy tarihin'ny fanahy (asa fanompoana)

1. mangakely2016 ( 07/09/2016 05:09)
Salama daholo !

Mba mangitikitika ahy ity fampianarana noraisiko t@ mana isan'andro ity ka mba tiako hozaraina amintsika:

Atao ahoana kay no manavaka ny asa fanompoana :
- @ hafanampo
-@ fitarian'ny fanahy?
raha izaho manokana izao dia mihevitra fa noho ny vavaka ataotsika no mahafana fo antsika anao asa fanompoana ka aaka miaraka izy roroa fa tsy mifanipaka akory.

Mankasitraka antsika izay terem-panahy hamaly an koa hanoro hevitra.

répondu par rhaj0 le 09/09/2016 13:13
2. endriny ( 08/09/2016 04:56)
Rehefa ahitan'ny fiangonana na ny mpitondra fivavahana tombony ilay tranga dia fitarihan'ny fanahy izay.

Fa rehefa mahamentra azy kosa ny ataontsika dia lazainy fa entin'ny hafanam-po fotsiny isika

Andry Rajoelina ampitahaina amin'i Pety Rakotoniaina

Na Ravalomanana (fahiny) ampitahaina amin'i Ratsiraka (2002)
3. mangakely2016 ( 08/09/2016 05:48)
Misaotra indrindra.

Ka raha ohatra hoe tsy miantefa @ fiangonana avy hatrany ilay asa fa @ madinika ohatra?
Azo lazaina fa tarihin'ny fanahy ihany ve izany?

4. endriny ( 08/09/2016 06:14)
Ka raha ny izy aloha. Ny olona mafana fo dia olona tia manao zavatra izay arahina fihetsika mavitrika sy mahery ary mila angovo.
Ny hoe entanim-panahy indray dia matetika ireo manao asa milanto toa ireo mpanoratra, mpiantsa tonokalo, mpihira, mpitia, mpalahelo.
Ka raha miantra olona ianao mety sady nentanim-panahy ianao no netanim-po. Ohatra hoe mamonjy olona maratra ao anaty fiara, na manala olona niaram-boina ao anaty rano...
Fa raha eo amin'ny finoana indray dia. Ilay vehivavy janga tonga nanome rano an'i Jesosy ohatra netanim-panahy... Dia navelan'i Jesosy izy avy eo hanasa ny tongony tamin'ny ranomasony.
I Petera saika hanavotra an'i Jesosy mba tsy ho samborina ka namoaka sabatra ohatra nentanim-po, ka nampatahotra an'i Jesosy sao tsy tanteraka ilay fanaovana sorona ny ainy.. Dia nasainy nijanona i Petera
5. mangakely2016 ( 08/09/2016 07:34)
Mazava tsara.

Raha ohatra izany ka mifanaraka @ sitrapon'Andriamanitra dia na Entanim-po na entanim-panahy dia mety avokoa.

Ny fo entina manao an 'ilay asa no jeren'ny TOmpo
6. rhaj0 ( 08/09/2016 11:10)
Ny fahazoako azy, dia hotry ny hoe,
- rahefa "mety" ny natao, izany hoe, mahomby na tsara ny vokatra, dia lazaina fa "notarihin'ny Fanahy mihintsy eee...".
- Fa raha sanatrian'izany ilay natao io ka nitondra tamina TSY fahombiazana na ratsy ny vokatra, dia ... "pempoina" hoe, "toa nentanim-po fotsiny eee...".

Ohatra hoe, nikezaka nazoto be nianatra nanao fanadinana. Raha afa-panadinana, dia hobiana hoe "notarihin'ny fanahy mihintsy eee..."; fa raha tsy afaka kosany, dia hadrohadroina hoe, "nentanim-po tao fotsiny eee...".
7. mangakely2016 ( 08/09/2016 12:29)
Raha izay voalaza izay zany dia azo lazaina fa eo @ilay olona nandray an 'ilay asa no itsarana fa
asan'ny fanahy na asan'ny fihetseham-po tsotr'izao ihany.

Rariny tokoa raha mitondra vokatra satria ny zavatra rehetra atao miaraka @fanahy (dia hombanY mandrakariva)

Misaotra :)
8. rhaj0 ( 08/09/2016 13:06)
mangakely2016:
Rariny tokoa raha mitondra vokatra satria ny zavatra rehetra atao miaraka @fanahy (dia hombanY mandrakariva)

Hotry ny mampalahelo ihany, fa izay (rehetra) TSY "mitondra vokatra" ve izany dia TSY "nombaNY" ??

Mampalahelo satria, izaho aloha dia ontsa fo @ ireo TSY "mahita vokatra" (tsara) nefa nikezaka t@ fo (sy saina) madio... nefa izany izany dia TSY "nombaNY" hono.
9. mangakely2016 ( 08/09/2016 13:37)
Fihevitro manokana ihany.

Fa afaka maneho ny hevitrao ianao k
10. rhaj0 ( 08/09/2016 13:45)
.. ka dia "aza voany" ihany izany eee... TSY vitan'ny hoe, TSY nahomby ny natao (t@ fo madio sy mafana), fa mbola ampiana koa hoe, "TSY nombaNY" izany.
11. mangakely2016 ( 08/09/2016 13:53)

Ohatra ny hoe somary "ETANIM-PO" tampoka izato valinteny rhajO :)

Ny vokatra angah moa tsy mifono hevitra maro?

Mety tsy nahomby t@zavatra iray ny ezaka tsara natao t@ fitarihan'ny fanahy fa ny vokatra (na lesona) azo tsohahina dia ny Fikirizana bebe kokoa na Fanantenana bebe kokoa sns...

Tsy anajarako angamba ny milaza ny anton'ny mahavokatra sy tsy mahavokatra ny asan'ny tsirairay satria ny fihevitro tsy FihevinY koa aleo entina hotsakotsakoina daholo izany rehetra izany. Any anatin'ny teninY no mety hahitana valiny mahafa-po ho antsika rehetra.

Mirary soa

12. rhaj0 ( 08/09/2016 14:46)
Izany hoe, raha ny fahazoako azy, dia (mety) "TSY nombaNY" izany ilay "vokatra ratsy farany", fa "nombaNY" kosa ny zavatra hafa t@ natao tao. Dia izay "zavatra hafa nombaNY" izay no tadiavina ho hita "ao anatin'ny teniNY".
13. endriny ( 09/09/2016 11:10)

mangakely2016:

Raha ohatra izany ka mifanaraka @ sitrapon'Andriamanitra dia na Entanim-po na entanim-panahy dia mety avokoa.


Fa ahoana ary no ahalalantsika hoe sitrapon'Atra ilay zavatra natao? Tena tsy mety azoko mihintsy, satria isika ihany no mitsara ny vitantsika fa mbola tsy nahita an'Atra niteny aho hoe: "Mety retsy ny nandakan-dry an'ilay olona mamo an-tatatra teo a"
14. mangakely2016 ( 09/09/2016 12:30)
Endriny:

Inoako kosa angamba fã fandakana olona zany tsy Ho sitrapony mihitsy e. Ao Amin'ny teniny (baiboly) ihany no misy ny sitrapony fã io teny anefa tsy mora ny mahazo azy. Ny tsotra i.drindra sy azo antoka angamba d ny manontany tena foana alohan ny hanaovana asa hoe Jesoa vê hanao anty asa ty Sá tsia ? ... Satria hoy izy hoe. "izay mino Ahy, ny asa ataoko no ataony Koa....."



15. rhaj0 ( 09/09/2016 13:13)

mangakely2016:
manontany tena foana alohan ny hanaovana asa hoe Jesoa vê hanao anty asa ty Sá tsia ?

Dia mba tantarao hoe ry Mangakely2016 ny "valin-teny" renao??

Ohatra ve hoe, tonga dia raikitra ao an-tsainao (naraikitr'i Jesoa), ny toatoa ny hoe:
- Aza Anaovana Asa Soa, Aza Vonjena, Ireo Viavy Malagasy Miisa 10 Isan'Andro Izay Maty Eo Am-Piterahana Na Eo Am-Panalana Zaza
- Aza Anaovana Asa Soa, Aza Ampianarina, Ireo Tanora Malagasy 25%-n'ny 15-24 Taona, Izay Tsy Mahay Mamaky Teny
- Aza Anaovana Asa Soa, Aza Ampiana, Ireo Malagasy Miisa 8 @ Gasy 10 Izay Latsaka Anaty Fahantrana Lalina (extreme pauvrete)


Dia izay no TSY irobohanao.. satria ngo dia mahita ny salanisa ianao, dia "entin-kafanam-po" ao, nefa avy eo, TSISY vokany satria "TSY nombaNY" ???

Satria mantsy izany ny naha-latsaka ireo olona ireo an-katerena, dia cheminement izay "nombaNY".


[size=8](fanamarihana: ireo salan'isa ireo dia voaangoko atsy @ ilay bilaogiko, araka ny tatitry ny gazety)[/size]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.585