RY MALAGASY (HEBREO) AZA MATORITORY INTSONY!

1. STViha ( 09/08/2016 20:06)
"Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" hoy i IESHUA ao @ Lioka12/31, hain'ny MALAGASY na HEBREO tsara mihitsy ny nampihatra io Didy lehibe mikasika ny fitiavana ny namana io na ny fitiavana ny Tanindrazana mihitsy aza. Ohatra t@ alalan'ilay hoe "Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana". Hevero @ izany anie ny maha HEBREO antsika e! Saingy tototra izany ankehitriny hany ka tototra niaraka t@ izay koa ny fahendrena napetrak'ELOHIM tao anatin'ny MALAGASY. (Mandatsa-baratra, manasitrana, mamaky rano, sns...). Tsy ny faniriana hampandroso an'Israël ara-javatra no tsy nisy tao anatin'IESHUA izay antony anisan'ny namonoana Azy, tena nanana faniriana nivaivay hampandroso mihitsy Izy saingy ny ara-panahy aloha no nosahaninY voalohany araka ny Matio 6/33 . Hoy isika angamba hoe: "sarotra tanterahina izany", sarotra tanterahina tokoa izany raha @ hafa firenena satria tsy natao ho azy fa HEBREO no nilanzan'i IESHUA io teny io.
Io no tsy maintsy arahina ry havana HEBREO raha te ho tafavoaka ny firenena ; ary na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy aharihary eto @ firenena izany TENA FAHAMARINANA izany. Jereo anie ao @ Jaona 6/63 : "Ny fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa na inona na inona. Ny teny izay nolazaiko taminareo dia FANAHY sy FIAINANA" . Tsy fiainana any an-danitra mihitsy na ihany no lazainY amin'izany fa ny ety an-tany izay mahafatifaty antsika indrindra, ka inona moa ny soa mbola hihoatra an'izany hoe azo ALOHA ny fiainana MANDRAKIZAY any an-danitra dia avy eo miadana ara-nofo ety an-tany?
Koa araka izany na iza manam-pahendrena sy fahalalàna ary tampo-pahaizana indrindra maneran-tany handroso hevitra ho fampandrosoana sy ho fanarenana ity firenentsika HEBREO ity dia ho zava-poana sy misambo-drivotra koa izany raha tsy ny TENY sy BAIKO avy @ IESHUA no mialoha izany. Noho izany ndao hataontsika lakilosy manaitra ny fanahintsika hiverenana @ ELOHIM amin'izay izao hisatra mampihitsoka lalandava ny firenentsika izao ary hiara -hanaiky fa ny ara panahy ALOHA no fototra hahafaka ny HEBREO ao anaty lavaka.
répondu par RBNIR le 28/09/2016 10:54
2. psni ( 22/09/2016 19:06)
BSR !

AZA taomina ho lasa sinagogan ny satana n oln e ! fa mba mamoaka toko sy andininy ihany enao d ny dikanzay mba mahay mamaky baiboly ihany ko ahoana ary no tsy hafataranao le teny ao am apokalipsy we SINAGOGAN NY SATANA izay mitomany ny tenany ho jiosy d mbla misy ko ao am baiboly ao am romana hoe RAHA NY @ FILAZANTSARA D FAHAVALO NY JIOSY . Zany hoe sad ho ataonao sinagogan ny satana ny olona no sady ataonao fhavalon ANDRIAMANITRA ve ??? mba mandiniha ihany e .sady aza taomina hanompo andramanitra tsy izy ny olona fa zany ieshua zany d ts iza f jesosy , jesoa , jésus , zeus ihany zany .iray ihany ireo samy tsy izy .

mahaiza manantona ny marina andovana ny lanitra d ho lasa mpisoron ny AVO INDRINDRA TAHAKA ANAY .

D izay no hitaomako anao hihaino ny radio 97.2 fm na ny rtvyahoshuah.com fa io ihany no mitory ny fahamarinana sy lalana tokana atongavana any andanitra

3. rhaj0 ( 22/09/2016 19:18)
no-blocker-n'ny antivirus-ko ny rtvyahoshuah.com fa mampidi-doza hono.
Tandremo ianareo tsy manana anti-virus fa hamosavian-drizareo ireo eo.
(tsy mila lazaina akory ny fitaka be vava anjonoiny anareo @ izao yahochouachoua-ny izao)
4. psni ( 22/09/2016 19:21)
sady ahoana mo no hatonganao any an andanitra nefa ny mpisorona oh nay ihany no afaka makany fa tsy ny mpitandrina didy folo ? mapme b enao an

aza mitomany hebreo zany ry hafa firenena a

ary ny amin ireo lalana nolazanao hoe notenenin YAHOSHUAH ahitsiko aloha ianao f YAHOSHUAH no izy fa ts zany ieshua zany fa ts ataonao anzny ieshua anarandemony zany ny anaran i YAHOSHUAH D zao : nanazava ny mikasika ireo didy ireo izy fa ts niteny hoe tandremo ny hafa firenena fa ts nisy malagasy teo n frantsay na hafa firenena ka itonatonana @zany

ary ze mitomany hebreo d ts lasa any an danitra izany satria ts mpisorona ianareo f ny mpisorona ihany no makany apokalipsy 5:10

henoy ny radio hff 97.2 fm sy ny rtvyahoshuah.com
5. psni ( 23/09/2016 18:47)
VALINY HO AN I RHAJO

ary matahotra . fa inona ity fanahy osa ity ? zao fotny no lazaina aminao mato mivavaka d ho any an danitra ry ny tnga any an danitra d mpisorona APOKALIPSY 5:10

asevo azavain ieshua anao ary ny maha mpisorona anao @ ty didy folonao ity ? fa ra voavalinao io d tsara fa ra tsy vohavalinao d harao ny rtvyahoshuah d debloquéo le anao
fa ts manao fmba sarimbavy zany

fa ra mba hiaraka amzany ANDRIAMANITRA izany ihany d le mahery arahina . ny anay ilay mahery fa ny anao ty saro tahotra
6. endriny ( 24/09/2016 08:28)
Psni efa nahita ny lanitra no mitompoteny fatratra amin'ny lanitra e? Sa nampahitan'ny nofy ihany koa?
7. tealala ( 24/09/2016 14:02)
hebrio ve ny gasy?
8. psni ( 24/09/2016 16:45)
VALIN I RAJHOO

nantany enw hoe ef nahita ny lantra v za ? D NY VALINY: tena efa voasoratra ao ny anarako ary assurré 100 pour 100 mitsy zany e donc efa ao za
9. psni ( 24/09/2016 16:50)
bjr

VALINY HO AN I TEALALA

hebreo dia hebreo . gasy dia gasy fa tsy hebreo . ny satana no mitaona ny hafa firenena ho jiosy satri voalza ao am bokin ny apokalipsy fa sinagogan ny satana izay mitomany ny tenany ho jiosy

henoy ny radio hff 97.2 d jereo ny rtvyahoshuah.com
10. psni ( 24/09/2016 17:31)
VALINY HO AN I rajhoo

psni tena efa voasorata ao andanitra ihitsy fa mandova ny lanitra za , ary efa ao ny anarako , ka ra ho avy ny andro ialako ety d efa assurré fa makao z sady efa ao sahady

VALINY HO AN I tehalala

tsy hebreo ny gasy fa ny hebreo no hebreo
11. psni ( 24/09/2016 17:32)
VALIN I RAJHOO

nantany enw hoe ef nahita ny lantra v za ? D NY VALINY: tena efa voasoratra ao ny anarako ary assurré 100 pour 100 mitsy zany e donc efa ao za
12. RBNIR ( 28/09/2016 10:54)
Faly misera namana,
Jesosy tsy nandrava didy izany,
Ireto no porofor (marobe izireo)

1- Rehefa nentin'ny Fanahy Masina nankany an'efitra i Jesosy ka nalain'ny devoly fanahy dia notaomin'ny devoly handika ireo lalàna fahiny...
Izao anefa no nataon'i JEsosy :
« Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly* fanahy.[*Devoly = mpiampanga, na mpanendrikendrika] » (Matio 4:1)
« Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana. » (Matio 4:2)
« Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto. » (Matio 4:3)
« Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3). » (Matio 4:4)
« Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly, » (Matio 4:5)
« dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). » (Matio 4:6)
« Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). » (Matio 4:7)
« Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, » (Matio 4:8)
« dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao. » (Matio 4:9)
« Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13). » (Matio 4:10)

Hitantsika araka ireo fa "tsy nandrava ny lalàna izany i Jesosy fa nanantanteraka azireo...

2- Nitandrina ny Sabata koa IZY....« Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. » (Lioka 4:16)

3- Nampianatra ny olona hitandrina ny Sabata ihany koa IZY: « Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Hebreo 4:9)

Amin'ny dikanteny katolika amin'ny teny angilisy dia tena teneniny mazava hoe Andro fahafito no resahina vakio ato

9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people,

4 Hoy ihany koa IZY HOE « Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; » (Matio 23:2)
« koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. » (Matio 23:3)

Inona moa no lazain'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo? Moa tsy ny didy sy ny lalàna va?

Dia hoy Jesosy hoe koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo;

5 Ireo mpianatra dia tena nanaraka marina tokoa ny tenin'i Jesosy :
51- Mpianatra vavy (tamin'ny andro nahafatesan'i Jesosy)
« Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty. » (Lioka 23:55)
« Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna. » (Lioka 23:56)

Araka io hita io dia rehefa maty Jesosy dia hita fa mbola nitandrina ny Sabata ireo mpianatra vavy ireo...

52- Ireo mpianatra lahy : « Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany zara-tanin'i Makedonia izany sady zana-panjakana*; ary nitoetra teo amin'izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay. [* Gr. kolonia] » (Asan'ny Apostoly 16:12)
« Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo. » (Asan'ny Apostoly 16:13)

Araka io teny io dia rehefa tonga ny Sabata dia mba nanao otran'i Jesosy ihany koa ireo mpianany lahy (nanantona fitoerana Fivavahana)

Farany ireto no Fehiny:

Jesosy mihitsy eto no miteny : « Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)


Teto indray kosa dia ny apostoly paoly :

« Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. » (Romana 3:31)


Ny dikan'ny hoe sanatria izany angamba dia efa fantatsika tsara namana,

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5841