Miantso kila ny Papa

1. endriny ( 11/04/2016 15:07)
Dia tsy haiko ry zareo na mihena ny mitombo ny isan'ny mpiangona kristianina eto an-tany na tsia. Fa ny hitako eto Madagasikara aloha dia mitombo ny isna'ny fiangonana, nitarina daholo ny ankamaroan'ny fiangonana, ary feno hatreny an-tokotany izay fiangonana lalovana amin'ny arabe rehefa alahady.

Vao tsy ela akory ny fanambaran'ny Papa ny fandraisany ireo Homo. Vao tsy ela akory no nilazan'ny Papa fa tokony omena famontsoran-keloka ireo mpanala zaza (izany hoe mahazo manala zaza amin'izay izany). Dia izao indray lasa mahazo miverina miangona daholo indray ny katolika nisara-bady rehetra.

Giravy be ilay fifaninana amin'ny fitadiavana ondry ho volosana ry zareo a.

Izany hoe ny Papa ihany, aray raha azoko dia izay lohan'ny fiangonana ihany izany no mandrafitra izay rehetra atao hoe fepetra hidirana any amin'izany fanjakan'ny lanitra mandrakizay izany.

SOa ihany aho fa eto an-tany ary faly amin'ny tany ipetrahako
répondu par endriny le 07/06/2016 14:24
2. rhaj0 ( 11/04/2016 15:51)
Io efa noresahina tatsy, fa efa h@ voalohan'ity taona no efa nitsapa rano i Ramirez ee...


rhaj0:
http://www.cnn.com/2016/02/03/health/zika-tests-catholic-position-on-birth-control/index.html
"whatever you (..) decide to do, we will walk with you,", hozy ny olombe Ramirez ao @ CNN

N'inon'inona ataonao, dia ... miraikitra mampiaraka aminao foana ihany i Ramirez eeee

hi hi hi.. siligaoma Ramirez.. matahotra ny ho very kill...
3. endriny ( 13/04/2016 05:32)
Efa noresahina tao tokoa saingy ity tamin'ny herinandro ity dia manamafy ilay taloha.

Izany hoe ny olona ihany no mamaritra ny atao hoe Atra sy ny fanjakany
4. rhaj0 ( 13/04/2016 16:50)
endriny:
Izany hoe ny olona ihany no mamaritra ny atao hoe Atra sy ny fanjakany

hi hi hi.. efa izay foana ilay izy eee..

- efa h@ Paoly, olona, izay mamaritra toa rambon'osy ny @ Jentilisa/Jiiosy ohatra, ary nefa dia lazainy fa Andrmntra no nilaza azy izany, dia mino daholo ny olona tao @ vohitrakely.

- ka h@ John the Elder, mamaritra toa rambon'osy manao faminaniana ao @ Apoks, ary nefa dia lazainy fa Andrmntra no nilaza azy izany, dia mino daholo ny olona tao @ vohitrakely.

- ary io dimbiasin'i Vatican sy ny dogme be dia be ao... immaculée conception eee... h@ fampianarana sy ny fahasalamanm-bahoaka dia fariparitany ao.



F"izao TSISY ao anaty vohitrakely intsony, ary dia kOpy ny olona fa i Raosy sy ny Rambony foana anie izany mamariparitra ao; ary pire, omaly toa hafa, dia androany toa hafa. Fa maninona no ovaina, f'angaha izy io tsy hoe omaly-androany-mandrakizay-doria-amena...

Fa mahavariana, fa ilay botokely mampita ny fampianarana azany mba tonga saina hoe, ahoana koa no hiovaova ity lesona ampitaina; fa i debabe angaha mihetsi-bolomaso akory mamariparitra dogme sy fampianarana... omaly toa hafa, dia androany toa hafa.
5. endriny ( 29/04/2016 04:47)
Rah mahazo misaraka amin'ny vadiny amin'izay izany ny Katolika, dia averina tsy ho olo-masina intsony I Victoire Rasoamanarivo. Satria ny naha-olomasina an'io razana io noho izy niaro ny fanambadiana, ka tsy nety nisaraka tamin'ny vadiny na dia mafy teo aminy aza ny nataon'ny vadiny sy ny fianakaviany azy
6. endriny ( 07/05/2016 09:05)
Eny amin'ny gazety eny dia izao no lohateny tamin'ity herinandro ity: "TSY NITSITSY TENY MIHINTSY NY EVEKA NAMPITANDRINA SY NILAZANA NY TSY FETEZANA ETO AMIN"NY FIRENENA"

O rey olona e, iza no rebirebena sy ampandriana adrisa amin'ity fanambaran'ny Eveka ity.

Iza no tsy nahalala fa ireto Eveka ireto ihany no nahatonga izao fahantrana tsy toko tsy forohana izao?

Fa taiza ny Eveka tamin'ny fanonganam-panjakana 2009? Moa ve tsy ireo no teo an'ilan'ny mpanongana, nitondra ity Firenena ity tamin'ny kizo. Dia ankehitriny mamelon-kira famendrofendroana.

Fa taiza ny Eveka tamin'izay 7 taona nandrotehana an'ity haren'ity Madagasikara Malala ity ho an'ny tontakely sy ny Jiolahy?

Sa ve efa lany ny paiso an-kady dia tonga eo amin'ny tsotsori-mamba isarahana indray. Dia mitady soavaly vao ho taingenana indray.
7. rhaj0 ( 07/05/2016 13:16)
Ny tena mamparikoriko @ ilay izy anie, dia zareo (Eveka) ireo angaha hihaino anao akoriny ry Endriny. @ eveka sy ny katolisisma, TSY mila mihaino anao vahoaka izy, fa Andmntra (imaginaire) no henoiny.

Fotsy rora eo fotsiny ianao, fa izy dia tena convaincu, satria nobitsihan'Andrmntra tao @ vavaka lavereny nataony tao, fa tena araky ny sitrapon'Andrmntra daholo ny maha-"teo an'ilan'ny mpanongana, nitondra ity Firenena ity tamin'ny kizo" an-drizareo Eveka ireo, ka h@ fijerevany (sy nitsofany rano) ny "izay 7 taona nandrotehana an'ity haren'ity Madagasikara Malala ity ho an'ny tontakely sy ny Jiolahy"

Ary tena mampavaky vava mihintsy, fa marina ny lazainao, fa tena izao tokoany no ataon'ireto Eveka ireto:
endriny:
mitady soavaly vao ho taingenana indray.
8. endriny ( 10/05/2016 15:07)
Indro fa mitsangana ary I Rajoelina a
9. harenadanny ( 01/06/2016 15:09)
ka ts aleo ve ny fiangonana no mitombo isa sy feno rehefa lahady! sa aona? aona ary nareo raha mahita an tsiafahy sy atanimora fena hatrena an'arabe?
10. endriny ( 06/06/2016 15:17)

harenadanny:

ka ts aleo ve ny fiangonana no mitombo isa sy feno rehefa lahady! sa aona? aona ary nareo raha mahita an tsiafahy sy atanimora fena hatrena an'arabe?


Eto Madagasikara dia izao 70%n'ny olona migadra, ary efa ho 100%n'ny olona migadra eto Antananarivo dia Kristianina avokoa.

Ary eto Antananarivo sy Antsirabe ary Fianarantsoa no betsaka gadra indrindra.
11. rhaj0 ( 06/06/2016 16:07)
Ka andeha ho any Vatikanina hono i OMAR (mpanohana mpanongam-panjakana). Dia hitondra mofo miverina izany izy eee...

http://www.newsmada.com/2016/06/06/mgr-razanakolona-au-vatican-la-rupture-ou-la-paix-avec-le-regime/
12. endriny ( 07/06/2016 14:24)
Efa manomboka tsy mahomby ny soavaly betongotra koa... tsy maintsy miantso paompie ihany e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3276