Mahereza ianareo dia mampamangy

1. gasy1zay ( 16/02/2016 15:23)
Noho ny fitadiavana sy ny asa aman'andraikitra dia mety tsy hanampotoana hiseraserana amintsika eto intsony ny tenako ka dia mametrabeloma sy maresaka ho antsika rehetra, misaotra betsaka an'i rhaj0 sy ireo namana tsy mino an'Andriamanitra fa ny fikirizanareo amin'ny hevitrareo dia manosika anay mino handinika kokoa ny tenin'Andriamanita ary hamaky baiboly misimisy kokoa. Miangavy ireo namana kristianina tsy mitovy fomba fijery handinika sy hamaky ny baiboly mba hahafantatra ny marina, aoka ny fampianarana voalazan'ny baiboly no raisina ho marina sy ekena fa tsy ny hevitry ny mpitory teny na mpitondra fivavahana izay mety hanana fijerin'olombelona tsy mifanaraka @ baiboly, izay tenin'Andriamanitra velona ho antsika kristianina.

Misaotra koa ny mpanangana ny tranokala nahafahantsika nandinika ny finoana an'Andriamanitra,
Andriamanitra anie homba sy hitantana antsika hatrany ary hampitombo ny finoanatsika aminy.
répondu par rbnir le 22/02/2016 18:12
2. rhaj0 ( 16/02/2016 15:45)
Izaho moa voasingana ao @ hafatra ka dia... dia mampamangy ao koa izany ry Gasy1zay a.

"Mino" aho fa tsy ny resaka teto no .. "mampitsoaka" anao :-)
3. gasy1zay ( 16/02/2016 16:54)

rhaj0:

Izaho moa voasingana ao @ hafatra ka dia... dia mampamangy ao koa izany ry Gasy1zay a.

"Mino" aho fa tsy ny resaka teto no .. "mampitsoaka" anao :-)


Tsara rehefa "mino" ianao rhaj0 a! Tena tsy ilay resaka no nampitsoaka ka, aza manahy.
4. Fiffi ( 16/02/2016 17:56)

gasy1zay:


Andriamanitra anie homba sy hitantana antsika hatrany ary hampitombo ny finoanatsika aminy.



Amen


mahereza hatrany gasy1zay...Ny Tompo anié homba sy hitahy anao lalandava.
5. gasy1zay ( 16/02/2016 20:20)

Fiffi:


gasy1zay:


Andriamanitra anie homba sy hitantana antsika hatrany ary hampitombo ny finoanatsika aminy.



Amen


mahereza hatrany gasy1zay...Ny Tompo anié homba sy hitahy anao lalandava.


Misaotra betsaka oh!
6. rhaj0 ( 16/02/2016 22:57)
Izaho indray maniry anao mba "handray an-tanana ny fiainanao" @ izay (fa tsy hametraka izany fiainanao... any ho any intsony).

Raha ny finoana/fivavahana nefa moa no tsapanao fa maha-salanitra ny fi(s)ainanao ao, dia manantena aho, fa raisinao ho "inspiration" fotsiny foana ihany izany, fa kosa, ny fi(s)ainanao, dia hamarininao @ fahalalana sy fahalalahan'izao tontolo izao.

Dia... mba mivanitiha moa eee... :-)
7. endriny ( 17/02/2016 05:34)
Veloma mandra-pihaona gasy1zay a...

Misondrota amin'ny avo indrindra ary e
8. RBNIR ( 17/02/2016 12:44)
rhaj0:

Dia... mba mivanitiha moa eee... :-)

Tsy mampivanitika hoy aho ny miheritreritra hoe raha ny baiboly no jerena dia ho maro dia maro no ho very any amin'ny helo sy Afobe noho ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra!!!

Mahereza gasy1zay a, enga anie mba hifankahita soamatsara any amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao isika!!!
9. rhaj0 ( 17/02/2016 12:57)
RBNIR:
...ho maro dia maro no ho very any amin'ny helo sy Afobe noho ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra!!!..

'nareo ho'a dia io tratra io kibokiboin'ny marina eto io foana eee... mahafinaritra kah.. :-)
10. tealala ( 17/02/2016 13:13)

RBNIR:

rhaj0:

Dia... mba mivanitiha moa eee... :-)

Tsy mampivanitika hoy aho ny miheritreritra hoe raha ny baiboly no jerena dia ho maro dia maro no ho very any amin'ny helo sy Afobe noho ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra!!!

Mahereza gasy1zay a, enga anie mba hifankahita soamatsara any amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao isika!!!


io ilay izy, nahary ny lanitra sy ny tany Andriamanitra :D, i RBNIR zao mba maneho hoe lanitra :D, dia i rhaj0 efa naneho hoe matérialiste dia tany izany :)
11. rhaj0 ( 17/02/2016 13:26)
dia ivanitihana tokoany anie ny eto fa i RBNIR koa no serieux lava ao @ n'a pas ao eee...

Jereo ange eee...
- i RBNIR tia ampiditra ahy sy Tealala ho anaty sobika iray: hoe mankany @ helo fa tsy mino an'i Jesosy
- i Tealala tia ampiditra ahy sy RBNIR ho anaty sobika iray: hoe samy noharian'ny Andrmntr'i RbNIR
- dia izaho tia ampiditra an'i Tealala sy RBNIR ho @ sobika iray: ny sobikan'ny Mpino..

Ka dia na ny vodi-tsobika azany manana ny tandrifiny, fa dia izay izany eee... :-)
12. RBNIR ( 17/02/2016 14:07)
Mahatsiaro tafiditra anaty sobika angah i rhajo? mampita tenin'Andriamanitra no ataoko dia ianao no mahatsapa na ao ianao na tsia....fa izaho mbola tsy mahafantatra mihitsy aloha hatreto hoe iza na iza marina no ho tonga any amin'ilay tany vaovao....;
13. RBNIR ( 17/02/2016 14:09)
Fa raha ny baiboly kosa aloha no jerena, dia ho maromaro ihany no tsy ho tonga any amin'ilay tany vaovao....
Satria : tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra....
Na ny kristianina aza angeh mbola b dia b ny hatahorana tsy ho tonga any e!!!
14. tealala ( 17/02/2016 14:12)
i rhaj0 a raha mamaky an'ity ianao dia iza izany no tena role amin'izy mianaka?
"Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra."
15. rhaj0 ( 17/02/2016 14:15)
eny ho'a... toa ny ao an-trano(nao) angamba io.. hozy i RBNIR mpandoatra loaka: izay tsy manao ny sitrapoko dia tsy mahazo ny kaoka, na ny zaza ao an-trano io, na ireo zaza TSY ao an-trano akoriny :-)
16. tealala ( 17/02/2016 14:15)

RBNIR:

Fa raha ny baiboly kosa aloha no jerena, dia ho maromaro ihany no tsy ho tonga any amin'ilay tany vaovao....
Satria : tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra....
Na ny kristianina aza angeh mbola b dia b ny hatahorana tsy ho tonga any e!!!

io ilay nofinofy notenenin'ingahy Marx "la religion est l'opium du peuple".
amin'ndy RBNIR izany dia namboarina ny tany dia rehefa simban'draolombelona dia anamboarana vaovao zareo avy eo.
17. RBNIR ( 17/02/2016 14:15)
Tsotra fotsiny e, mibebaha alohan'ny fotoana dia tanteraho avokoa ny sitrapon'Andriamanitra fantatrao alohan'ny fotoana (tsy misy mahafantatra).......

Dia minoa an'i Jesosy satria voasoratra hoe:
« [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] » (Mar.16:16)
Raha mahatsiaro tafiditra anaty sobika ianao dia tsy izaho velively no namatranao tao fa ny tenin'Andriamanitra dia "velona" hoy ny teny..

« Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. » (Heb.4:12)

Mahay mamanatatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo......tsy izaho fa ny tenin'Andriamanitra...
18. RBNIR ( 17/02/2016 14:21)

tealala:

i rhaj0 a raha mamaky an'ity ianao dia iza izany no tena role amin'izy mianaka?
"Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra."

Izaho no tenin'i Jesosy:« Izaho sy ny Ray dia iray ihany. » (Jao.10:30)

Andriamanitra (Ray) anie hoy i Jesosy tsy nibedy mihitsy na dia natao hoe Andriamanitra aza ny olona iray e!
Vakio ny tohin'ilay Jao.10:30

Fantaro tsara aloha izay ankasitrahan'Andriamanitra fa sao dia ho very irery ao ianao tealala a!!!
19. RBNIR ( 17/02/2016 14:22)
34 Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin’ ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra hianareo? [Sal. 82. 6] .
35 Raha ireny izay nanaovana izany tenin’ Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masina tsy azo foanana),
20. RBNIR ( 17/02/2016 14:23)
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Mat.22:29)

Raha ireny aza natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masina tsy azo foanana)....Maika fa i Jesosy tsy mendrika ny antsoina ho ambonin'izany va????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3569