firariantsoa!!

1. Strong3 ( 31/12/2015 08:33)
DIA MIRARY SOA ANTSIKA MPISERA REHETRA EH!!

ny ady hevitrao adihevitra fa ny mahaolona dia mahaolona

ho ambinina noho ny tamin'ny taona lasa anie isika rehetra amin'io taona vaovao io eh!

na dia samy manana ny mpanambina azy aza de tsy maninona fa tongava aminao araka izay inoanao

na ny fahaizanao na ny Atra ivavahanao na ny razanao ...sns

fa ny zavadehibe dia enao velona amin'ny fo madio sy lavitrin'ny tsy fiadanana ! :-)
répondu par Strong3 le 04/01/2016 12:01
2. bor2lais ( 31/12/2015 10:57)
Misaotra e !
Dia ny Tompo anie hiaro ana(re)o, na mivoaka (ny taona 2015) na miditra (ny taona vaovao 2016) !
:-)
3. rhaj0 ( 31/12/2015 14:24)
Misaotra @ firarian-tsoa ee...

Dia iriana manja ny fiainana, na ilay fiainana tena izy, ary indrindra koa, ilay "fiainana" ao @ imagination-n'ny tsirairay ao, hoe salanitra daholo isika rehetra eee... na ny mpino na ny tsy-mpino, na ny judeo na ny kristiana, na ny TJ na ny mpanaraka an'i Episcopo sy Tsaratsara ary Herinirina, na ny moslimo na ny hindu sy bodista...

Dia mba lazalazao ihany koa hoe inona ny resolution 2016-nareo ao eee... Ny ahy efa ato.. ny tolo-kevitro :
http://forum.serasera.org/forum/message/m5672ec369414d
4. tealala ( 31/12/2015 14:54)
Dia mirary soa sy fahasalamana ary fahombiazana be dia be ho antsika rehetra ihany koa e.
5. RBNIR ( 31/12/2015 15:27)
Dia mirary soa ho an'ny rehetra ihany koa,

Irariana mba hiposaka amin'ny tsirairay "ny mazava" ka samy handeha ho amin'ny fahazavana daholo ny rehetra manomboka amin'ity taona vaovao 2016 ity,

Hitahy ny rehetra anie IZY!!!
6. SYLLA8 ( 01/01/2016 04:16)
msaotr e! de samy ho tahian Andriamanitra aby tsika :D
7. Strong3 ( 04/01/2016 07:45)
Ekou de miarahaba eh!

tafita soa iny taona lasa iny daholo eh !

tsy ny ezako na ezakao moa izany fa noho ny mbola tsy fahasimbana nahazo ny aina , eo koa ny finoana fa notahian-Janahary eh (eo moa ny hoe samby amin'ny zanahariny ka tsy dia asiana resaka be iny... :-) )

fa dia faly mahita anareo mbola eto amin'ny serasera eto ... mitomboa fahasoavana sy fahasalamana avitana adidy sy andraikitra ary fahasambarana araka izay irinareo eh!

tia antsika Jesosy :-) ; zany moa rhaj0 be an'i Jesosy ôh!!
8. rhaj0 ( 04/01/2016 11:29)
O r'ingahy iroa a... ao @ imagination-nao ao ve dia miara-midola izany izaho sy Jesosy? main dans la main, sa bras dessus bras dessous?

Eny azany fa tsy mampaninona ahy izany, fa raha izay no mampitsikitsiky anao ao, dia ok izany eee :-)
9. Strong3 ( 04/01/2016 12:01)
ka araho fotsiny izay mba lazaiko eh... midira ao amin'ny imaginationku aloha toi eh hihihih

mba vanitika parti de nouvelle an 2016 eh , sa eefa niamatotra ny havana :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2838