Misy fiangonana hoe tsy mankalaza ny fety sy ny fomban'izao tontolo izao

1. endriny ( 01/06/2015 04:51)
Fa inona ilay hoe fomban'izao tontlo izao? Tena tsy mazava mihintsy...

Ao ampiangonana anefa nisy fampakaram-bady... Nga moa ny fanambadiana tsy fomban'izao tontolo izao? Na any amin'ny rany tsy kristianina aza dia misy fombam-panambadiana daholo... Fa mba resaka iny

Fa dia hoy ilay olona tsy mba mpanaraka ny fetin'izao tontolo izao hoe: "nahafinaritra be ny fiangonana omaly fa nankalaza ny fetin'ny reny dia nomena tsodrano manokana ny reny." Izany hoe fombam-bahiny dia nentina tany. Fa io olona io raha vao maheno hoe alahamady be, dia manao hoe: poa poa Jesosy o, alaviro ny ratsy aho...

Dia izany tokoa ny hoe ny an'ny tena ratsy satrisa ngilo fa ny an'ny vazaha indraina fa tompon'ny vola hoy ilay namana iray izay
répondu par endriny le 09/06/2015 16:46
2. gasy1zay ( 01/06/2015 18:37)

endriny:

sao dia mba tokony alefa lavidavitra kely ny fikarohana ataonao ry endriny mba hahalala hoe avy aiza ity alahamady ity? ny henoko manko toa avy any @ tany arabo koa izy io an!
3. rekinbelo ( 02/06/2015 10:47)
Fomba nizao tontolo izao daolo refa tsy nataony mpanara-dia an'i Jesosy,
tafiditra oa fetin'ny reny, fetin'ray, fanakalazana ny nahaterahana, krismasy, taon-baovao,
mivavaka@ jesosy, fomban-drazana koa tsy atao ny tena kristianina zany
4. Tefigasy ( 02/06/2015 14:12)
rekinbelo:

Fomba nizao tontolo izao daolo refa tsy nataony mpanara-dia an'i Jesosy,
tafiditra oa fetin'ny reny, fetin'ray, fanakalazana ny nahaterahana, krismasy, taon-baovao,
mivavaka@ jesosy, fomban-drazana koa tsy atao ny tena kristianina zany

Jesosy sy ny mpanaradia Azy taloha tsy nanao internet ka inona no ataonao eto ? Sa ianao koa tsy tena kristianina ? hihihihihi
5. endriny ( 03/06/2015 05:14)

gasy1zay:

sao dia mba tokony alefa lavidavitra kely ny fikarohana ataonao ry endriny mba hahalala hoe avy aiza ity alahamady ity? ny henoko manko toa avy any @ tany arabo koa izy io an!

Samy manana ny taom-baovaony daholo ny eran-tany fa ny antsika izany ny Alahamady, izay tsy tian'ilay kristianina namako satria tokoa mamofompofona Silamo ilay anarana fiantsoana azy.

Ny namana kristianina sasany ange entim-po fotsiny: "tsy ilaina ny fiainan'izao tontolo izao, ny mianatra, ny dokotera, ny famindrana ra ... Any an-danitra ny paradisa ary ny tenin'Atra no ivelomana" Kanefa ry zareo raha va mandray bola faran'ny volana tonga dia hena iray kilao ... Dia ahoana za izany, tsy aleo ve manao maty refona izany dia mba miala amin'ity fiainan'izao tontolo izao ity malaky....
6. gasysud ( 03/06/2015 06:20)
[dailymotion]http://www.dailymotion.com/video/xdlwsx_aina-quach-itv-telessonne_music[/dailymotion]

Tefigasy
rekinbelo

Fomba nizao tontolo izao daolo refa tsy nataony mpanara-dia an'i Jesosy,
tafiditra oa fetin'ny reny, fetin'ray, fanakalazana ny nahaterahana, krismasy, taon-baovao,
mivavaka@ jesosy, fomban-drazana koa tsy atao ny tena kristianina zany

Jesosy sy ny mpanaradia Azy taloha tsy nanao internet ka inona no ataonao eto ? Sa ianao koa tsy tena kristianina ? hihihihihi

Mbola azo ampiana ihany ny lisitra. Ny tena kristianina koa izany:
-tsy tokony handeha fiara sy hanaraka code de la route rehefa ndeha hivavaka
-tsy tokony hanaraka ny fifampirarahana ara barotra, Banky, JIRAMA, paositra sy ny fifandraisandavitra, sns...

7. rhaj0 ( 03/06/2015 12:51)
Ahoana kosany azany no asianareo mafy i Rekinbelo e... mba miady mafy ny mitady AZY toa anareo ihany izy, nefa dia toa esoesonareo izany izy, raha ny fahatakarako ny resakareo.

Raha hozy i Tefigasy ohatra hoe, "inona no ataonao eto" @ interinety eto, raha ohatra ka "tsy nataony mpanara-dia an'i Jesosy" ny interinety...

Io ange azo afototra aminao koa ry Tefigasy e.. maninona ianao mitavana sy mikatsentsitra ny vokatry ny "fikarohana sy fisainana siantifika", nefa manipinipy tanana any an-danitra fatratra rahefa manilika ny "fikarohana sy fisainana siantifika" izay manelingelina ny finoanao an-dRabaibla ?

8. Tefigasy ( 03/06/2015 13:55)
rhaj0:

Io ange azo afototra aminao koa ry Tefigasy e.. maninona ianao mitavana sy mikatsentsitra ny vokatry ny "fikarohana sy fisainana siantifika", nefa manipinipy tanana any an-danitra fatratra rahefa manilika ny "fikarohana sy fisainana siantifika" izay manelingelina ny finoanao an-dRabaibla ?

Fa iza no nanao ny saina mba hikaroka ? Ny siansa sa ny vokatry ny siansa sa Ilay tsy hinoanao ny fisiany ? Ary Iza ihany koa no tokony hinoana ny mpamorona sa ny noforonina ?
Ka mitsetsitra ny vokatry ny siansa aho sa ny siansa no mitsetsitra ny saina nataon'ilay Mpamorona ?
Mbola afaka hitarina lava be io fa raha misy trano be iray eo, ny anjara sy hain'ny siansa dia ny manadihady ny momban'io trano be io fa miteny aminao aho fa tsy ho vitany hoporofoina hatramin'ny farany ny niavian'io trano be io ary rehefa tsy voaporofony dia hakondranana no miteny hoe tsy misy mpanao io trano be io fa tongatonga ho azy teo fotsiny !!! Miteny aminao fotsiny aho fa na io volondohanao io aza tsy hainao ny zavatra namoronan'ilay mpamorona azy maika fa .......
Ary raha ny baiboly no ezahinao toherina amin'ny siansa dia ho fotsy eo fotsiny ny volonao izay efa fotsy ho azy rahateo foana ihany koa moa !
9. rhaj0 ( 03/06/2015 21:40)
Tefigasy:
Iza ihany koa no tokony hinoana ny mpamorona sa ny noforonina ?

Hay moa aminareo tokoany dia IZY daholo no mamorona ny zava-drehetra. Ka IZY izany no namorona ny ordinatera sy ny antsibe h@ interinety sy ny route nationale... satria IZY no namorona ny olona namorona an'ireo ?

Aoka ho'a ry Tefigasy.. araka ny hadrohadroko t@ Strong3 hoe, IZY avy koa izany no manesika ny rivotra fohanao ao izao io ao @ oronao ao ?...

Tefigasy:
Ary raha ny baiboly no ezahinao toherina amin'ny siansa

Io indray dia tsy ho sasatra ny mamerina aho hoe, TSY manohitra ary TSY manamarina ny Baiboly re ny Siansa eee... Efa nahita scientific paper ve ianao, ka ny hanao an'izany no venti-dresakany ?

Ohatra.. ianao Tefigasy ve efa nahita fikarohana siantifika manohitra na manamarina ny hoe:

- mitaingina rahona isika rahatrizay mankany @ paradisa (satria i Jesoa nitaingina rahona nony niakatra tany taloha) ?

- na koa hoe, tena nisy ary voaporofo ny espece hoe "Angelina", izay toa olona miankajo rebareba fotsy, manana elatra-na lolo, ary misy vy kiboribory volamena mihazohazo eo ambony lohany; Dia ny "Devolino" indray dia miboridana, dia manana elatra-na ramanavy, ary misy tandroka sy rambo maranitsa beuh ooo...

- hisy kipantsina mikipantsipantsina, ary hisy trompeta mitrompetapeta aoriana kely ao, ka hamoha ny avy ao ambany rangolahy ??

- na ilay mampivanitika be, ilay nolazain'i Jesoa hoe, "famantarana fotsiny ihany rahefa miraraka ety an-tany ny kintana" ?

Efa lehibe ianao izao re ry Tefigasy a... ka aoka ho'a fa mijery anao annie ho'a ny Ankizy ee...

Sa inona no tianao Tefigasy lazaina fa hoe "toherin'ny siansa" (na hoe nohamarininy) ???
10. Tefigasy ( 04/06/2015 04:54)
rhaj0:

Hay moa aminareo tokoany dia IZY daholo no mamorona ny zava-drehetra. Ka IZY izany no namorona ny ordinatera sy ny antsibe h@ interinety sy ny route nationale... satria IZY no namorona ny olona namorona an'ireo ?

Rom.11:36 "Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao , ary Izy no mihazona azy , sady Izy koa no antony ."
Na dia tsy nahary ny fahafatesana aza i Andriamanitra rehefa niteny Izy hoe ho faty ianao raha ....dia ho faty ianao izany !

rhaj0:

Ohatra.. ianao Tefigasy ve efa nahita fikarohana siantifika manohitra na manamarina ny hoe:
- mitaingina rahona isika rahatrizay mankany @ paradisa (satria i Jesoa nitaingina rahona nony niakatra tany taloha) ?

Satria tsy ho vitan'ny siansa hazavaina izany ka aleony mipetraka tsara, fa ireo minia ny tsy finoana ny fisian'Andriamanitra sisa no midingin-drambo amin'ny petra-kevitra kely marefo !
rhaj0:

Efa lehibe ianao izao re ry Tefigasy a... ka aoka ho'a fa mijery anao annie ho'a ny Ankizy ee...

Tsy misy hidiran'ny fahalehibeazana ny finoana fa na izany aza hoy Jesoa hoe : Lazaiko aminareo marina tokoa : Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza , dia tsy ho tafiditra aminy akory .
11. endriny ( 04/06/2015 05:02)
Ary fa angaha tsy Atra indray no nanome antsika ny fahafatesana ho tambin'ny ota ry tony e?

Dia ianao ve izany mbola tsy mino fa borirory ny tany. Mbola misy zorony efatra ary mbola misy anjely miambina isaky ny zorony araky ny bokin'ny fanambarana?

Mino ve i Tefigasy fa 7 poa poa dia vita izao rehetra izao, ary tamin'ny andro faha7 dia niala sasatra Atra. Izany hoa mety reraka ihany koa kay Atra.

Dia hitan'ny olombelona ireo andro nanamboarana ny tany sy ny lanitra ireo dia nosoratany. Izany hoe natrehany maso...

Aoka marina
12. Tefigasy ( 04/06/2015 09:25)
endriny:

Ary fa angaha tsy Atra indray no nanome antsika ny fahafatesana ho tambin'ny ota ry tony e?

Ity teny ity ve no tianao ampahatsiahivana ahy : Fa fahafatesana no tambin'ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezampahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
Fa eritreretinao ho iza no niteny an'ity manaraka ity ary :
fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao . (Gen.2:17)
Tenin'Andriamanitra daholo ireo, saingy raha mba nahay nankatoa ny tenin'Andriamanitra ny olombelona dia tsy nisy fahafatesana teto ambonin'ity tany ity. Tsy noharian'Andriamanitra mba ho faty ny olona fa nohariany mba hifanatrika Aminy ka izay no hilazana hoe tsy avy amin'Andriamanitra ny fahafatesana fa safidin'ny olona mihitsy ny ho faty.
endriny:

Dia ianao ve izany mbola tsy mino fa borirory ny tany. ....

Dia lazaiko anao fa ny baiboly mihitsy no manambara fa boribory ny tany ka inona no antony tsy hinoako ny tenin'Andriamanitra ?
endriny:

Mbola misy zorony efatra ary mbola misy anjely miambina isaky ny zorony araky ny bokin'ny fanambarana?

Ny bokin'ny fanambarana dia nosoratana tamin'ny fomba fanoratra apokaliptika ka be dia be ny hevi-teny fonosiny. Ohatra fotsiny hoe zorony efatra, anjely miambina sns. Mila fandalinana ireny fa tsy raisiraisina comme ca fotsiny.
endriny:

Mino ve i Tefigasy fa 7 poa poa dia vita izao rehetra izao, ary tamin'ny andro faha7 dia niala sasatra Atra. Izany hoa mety reraka ihany koa kay Atra.

Tsipiho tsara ny hoe "niala sasatra" soratanao sy ny hoe "nitsahatra" ambaran'ny baiboly. Tsy mitovy ireo ary samy hafa be mihitsy. Ny sabata dia midika hoe fitsaharana fa tsy hoe fialana sasatra. Tsy miala sasatra r'ise ireny olona mandeha miangona isak'alahady ireny fa vao maika aza manao asa fanompoana a, indrindra moa ny mpitandrina ary tsy toerana fialana sasatra ny fiangonana.
endriny:

Dia hitan'ny olombelona ireo andro nanamboarana ny tany sy ny lanitra ireo dia nosoratany. Izany hoe natrehany maso...

Tsy voatery hoe nanatri-maso vao afaka manoratra !
13. rhaj0 ( 04/06/2015 12:57)
Tefigasy:
Tsy misy hidiran'ny fahalehibeazana ny finoana...

Raha hoy ianao hoe, araka ilay nolazain'i Jesoa, dia hoe, "famantarana fotsiny ihany rahefa miraraka ety an-tany ny kintana" ? Izany hoe, miraraka sahala @ voanjobory ety an-tany ny kintana, na hoe, miraraka sahala @ zavatra-nalatsaky-ny-vorona, ary aorian'io dia mbola hisy famantarana #2, mety hoe mikipantsipantsina ny kipantsina. Marina raha tsy na ny ankizy eny @ garabola azany tsy ho ganga hoe inona koa ity lazain'i bainina ?

Efa "lehibe" zareo dia "TSY hino" anao intsony re ry Tefigasy a... (izay ilay hoe "misy hidiran'ny fahalebeazana ny finoana).

Ka dia eo ianao izany hihomehezan'ny ankizy ao, @ izany zavatra-nalatsaky-ny-vorona anao ao izany kouh...
14. Tefigasy ( 04/06/2015 13:23)
rhaj0:

Efa "lehibe" zareo dia "TSY hino" anao intsony re ry Tefigasy a... (izay ilay hoe "misy hidiran'ny fahalebeazana ny finoana).

Ka dia eo ianao izany hihomehezan'ny ankizy ao, @ izany zavatra-nalatsaky-ny-vorona anao ao izany kouh...

Tsy mahagaga izany satria ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra (I.Kor.3:19) ary ny adala no manao anakam-po hoe : tsy misy Andriamanitra. (Sal 53 : 1) nefa mbola mandany andro amin'ny olona mpanaradia an'ilay Andriamanitra tsy hinoany.
Ka tsy hay na lehibe marina ve zareo sa adala hoy ny baiboly fa na zazakely aza manambaka azy ireo raha izany !
15. rhaj0 ( 04/06/2015 13:32)
Hay moa toatoa izany tokoany ilay izy.. Raha miteny i Jesoa hoe "kintana miraraka", dia TSY midika an'ilay "kintana miraraka" araka ny "fahendren'izao tontolo izao" izany, fa .. tena parabole tsy takatry ny "adala"...

ka tsisy n'inon'inona takatra na mila takarina izany izay resak'A.tra sy izay ataony rehetra, fa dia "minou fotsy" eee... tsy mila adi-hevitra tsy mila kabary, tsy mila miasa saina.. fa "ho fotsy eo fotsiny ny volonao" hoz'i Tefigasy izay.

Raha izay no safidinao ao, dia reveo ao izany kouh... fa izaho ndeha hiara-hivanitika miaraka @ ankizy :-)
16. endriny ( 06/06/2015 04:56)

Tefigasy:

Ity teny ity ve no tianao ampahatsiahivana ahy : Fa fahafatesana no tambin'ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezampahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
Fa eritreretinao ho iza no niteny an'ity manaraka ity ary :
fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao . (Gen.2:17)
Tenin'Andriamanitra daholo ireo, saingy raha mba nahay nankatoa ny tenin'Andriamanitra ny olombelona dia tsy nisy fahafatesana teto ambonin'ity tany ity. Tsy noharian'Andriamanitra mba ho faty ny olona fa nohariany mba hifanatrika Aminy ka izay no hilazana hoe tsy avy amin'Andriamanitra ny fahafatesana fa safidin'ny olona mihitsy ny ho faty.

Hahahaha... dia nisafidy ny ho faty koa ve ny alikanay sy ny sakanay ary ilay hazo be teto atsimon-tranonay?

Tefigasy:

Dia lazaiko anao fa ny baiboly mihitsy no manambara fa boribory ny tany ka inona no antony tsy hinoako ny tenin'Andriamanitra ?

Aiza ao amin'ny baiboly no misy an'io? Koa naninona no nodorana velona I Bruno Giordano (1600). Nampijaliana tsy navela raha tsy nifona tamin'ny Papa I Galileo? Dia diso ve ry Daniela raha nilaza fa raha mianinkazo ianao dia mahita ny faran'ny tany (sa nianin-kazo hafa mihintsy koa Tompokolahy Daniela) Dia diso ve ny Fanambarana milaza fa misy anjely mijoro amin'ny zoron'ny tany efatra. Sa ry Jaoba miteniteny foana rha milaza fa an'ny amin'ny farany avaratra dia tapitra ny tany ka zava-poana no tsinjonao avy eo amin'ny faran'ny tany?

Aza manamarin-tena fa aleo miaky fa diso toa izay manamarina ny hadisoana...

Tefigasy:

Mbola misy zorony efatra ary mbola misy anjely miambina isaky ny zorony araky ny bokin'ny fanambarana?
Ny bokin'ny fanambarana dia nosoratana tamin'ny fomba fanoratra apokaliptika ka be dia be ny hevi-teny fonosiny. Ohatra fotsiny hoe zorony efatra, anjely miambina sns. Mila fandalinana ireny fa tsy raisiraisina comme ca fotsiny.

endriny:

Mino ve i Tefigasy fa 7 poa poa dia vita izao rehetra izao, ary tamin'ny andro faha7 dia niala sasatra Atra. Izany hoa mety reraka ihany koa kay Atra.

Tefigasy:

Tsipiho tsara ny hoe "niala sasatra" soratanao sy ny hoe "nitsahatra" ambaran'ny baiboly. Tsy mitovy ireo ary samy hafa be mihitsy. Ny sabata dia midika hoe fitsaharana fa tsy hoe fialana sasatra. Tsy miala sasatra r'ise ireny olona mandeha miangona isak'alahady ireny fa vao maika aza manao asa fanompoana a, indrindra moa ny mpitandrina ary tsy toerana fialana sasatra ny fiangonana.

O rey olona e ilay 6/7 ange no nanontaniako anao fa tsy ny hoe niala sasatra e. Tsy ilay kankana fa ny elefanta no tao anaty laza Adina

endriny:

Dia hitan'ny olombelona ireo andro nanamboarana ny tany sy ny lanitra ireo dia nosoratany. Izany hoe natrehany maso...

quote=Tefigasy]
Tsy voatery hoe nanatri-maso vao afaka manoratra !
[/quote]
Hihihihi .... izay no maha boky artifisialy azy... Dia oviana tao amin'ny Genesisy aza ianao no nahita fa ilay mpanoratra dia nitantaran'Atra sy Anjely ny nanamboarana ny tany sy ny lanitra ary ny eo aminy e?
Dia mino izany ianao fa ny tany no namboarina talohan'ny masoandro araka ny Genesisy?
17. Tefigasy ( 08/06/2015 11:32)
endriny:

Hahahaha... dia nisafidy ny ho faty koa ve ny alikanay sy ny sakanay ary ilay hazo be teto atsimon-tranonay?

Hay moa nivadika saka sy alika indray ny resaka, hahahahaha marina, ny fahafatesan'ny alika sy ny saka no andaniana andro eto !
Gen.1:28 "Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe :(...) ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany ."
Tefigasy:

Dia lazaiko anao fa ny baiboly mihitsy no manambara fa boribory ny tany ka inona no antony tsy hinoako ny tenin'Andriamanitra ?

endriny:

Aiza ao amin'ny baiboly no misy an'io? Koa naninona no nodorana velona I Bruno Giordano (1600). Nampijaliana tsy navela raha tsy nifona tamin'ny Papa I Galileo? Dia diso ve ry Daniela raha nilaza fa raha mianinkazo ianao dia mahita ny faran'ny tany (sa nianin-kazo hafa mihintsy koa Tompokolahy Daniela) Dia diso ve ny Fanambarana milaza fa misy anjely mijoro amin'ny zoron'ny tany efatra. Sa ry Jaoba miteniteny foana rha milaza fa an'ny amin'ny farany avaratra dia tapitra ny tany ka zava-poana no tsinjonao avy eo amin'ny faran'ny tany?

Aza manamarin-tena fa aleo miaky fa diso toa izay manamarina ny hadisoana...

Voalohany, tsy izaho no nandoro velona an'ilay olona nolazainao eo ambony io aloha, fa izay nandoro azy velona hanontaniana azafady ! hihihihihi, diso fiantefa ilay fanontaniana.
Faharoa, averiko ihany fa ny bokin'ny daniela sy ny bokin'ny fanambarana dia nosoratana tamin'ny fomba fanoratra apokaliptika ka ny teny tsirairay izay ambarany dia misy heviny lalina avokoa fa tsy raisiraisina tahaka izay hamakiana azy fotsiny. Io baiboly io mila ny Fanahy Masina hitarika fa raha tsy izany dia .....
Fahatelo, omeko ihany ny sopapa amin'ilay maha-boriobry ny tany araka ny baiboly : [It is] he that sitteth above the circle of the earth na ihany koa hoe C'est lui qui est assis au-dessus du cercle de la terre ao amin'ny bokin' Isaia no misy an'io fa jerijereo ao ny toko sy ny andininy !
Farany, Tsy fanamarinan-tena akory izany sa tsy misy an'io ny baiboly mba vakivakianareo any ?
endriny:

O rey olona e ilay 6/7 ange no nanontaniako anao fa tsy ny hoe niala sasatra e. Tsy ilay kankana fa ny elefanta no tao anaty laza Adina

Mbola hahahahaha ihany, hay moa laza adina izany no valiana eto, dia ianao izany no mpanadina ahy ny mikasika ny baiboly ? mbola lavitry ny afo ny fatana raha izany,teny mivandravandra be ao anaty baiboly toa io ambony io ary tsy hitanao ny fisiany !
endriny:

Hihihihi .... izay no maha boky artifisialy azy... Dia oviana tao amin'ny Genesisy aza ianao no nahita fa ilay mpanoratra dia nitantaran'Atra sy Anjely ny nanamboarana ny tany sy ny lanitra ary ny eo aminy e?
Dia mino izany ianao fa ny tany no namboarina talohan'ny masoandro araka ny Genesisy?

Ny finoana r'ise tsy ho hain'ny siansa hazavaina mihitsy a, na ataonao inona na ataonao inona, teny indraim-bava an'i Jesoa Kristy dia nahasitranana aretina maro, sns ...... Dia anjaranao no maka izay tandrify anao sy manary izay tsy metimety aminao fa tsy misy force-na koa io
18. endriny ( 09/06/2015 16:46)
Angaha moa misy miteny hoe hazavao ara-tsiansa ny finoana e. Ny siansa tsy lainga foronina ka hoe mino ianao tsara tsy mino ianao bien.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1795