Ny hiafarn'ny mpanao ratsy ao aorian'ny fahafatesana???

1. endriny ( 25/05/2015 05:21)
Mahalasa sainy ihany teny avoakan'ny olona sasany momba an'io. Hoy ry zareo: "ny mpanota, ny mpanao ratsy tsy voavela dia alefa any amin'ny lavaka mangitsokitsoka, tanin'ny haizina, afobe, tanin'ny fikotrohanify"

Dia mba zahao io voalaza io fa hitanao eo ny maha fampitahorana fotsiny izany helo sy afo be izany...

Taiza no nisy toerana misy afobe kanefa maizina?
Taiza isika no nahita toerana misy afo kanefa mikotro nify ny olona ao? Moa ve tsy any amin'ny tany mangatsiaka no misy ny fikotrohanify... Fa raha any Mahajanga hisananaka noho ny hafanana aza no atao...

Dia ilay jiolahy niara-maty tamin'i Jesosy anefa lasa any an-danitra hono... Hihihihy. Hay tsy vody fanjaitra indray...
répondu par endriny le 17/06/2015 14:15
2. rhaj0 ( 25/05/2015 13:03)
Io indray raha ny fahitako azy dia "fanirian-dratsy" no betsaka, ary natao ampiononana ireo resy fotsiny, fa ireo nanao ratsy re dia maty, dia vita dia basy, dia afa-maina izany eee...

Ohatra izao tadidiko ary tsy ho adinoko mihintsy ilay pretra Murphy mpanolana ankizy, efa noresahina teto. Dia efa no-confronter-n'ilay voaolana izao ilery, fa tena tsy rahirahiany. Dia ilay masera mpitaiza azy indray azany no nasiaka t@ ilay ranamana voaolana, hoe, efa antitra izy ary marary, ary mba katolika ve ianao? Dia maty tokoany ra-mpanolana taty aoriana, fa mbola namen'ny Leglizy ny voninahitra rehetra ihany.

Dia ho hoz'ianao izany hoe, fa rahefa mi-tapo an'i Piera izy dia tsy ho tafiditra @ vodi-fanjaitra ??? Mety izay no ampionona an'ilay voaolana, fa raha ny mpijery aloha dia hoe, tena enjeho h@ Vatican fa tsy tokony ho vitavita ho azy @ izao izany..
3. mpanompotsymahasoa ( 25/05/2015 15:20)
Jaona 3 : 3. Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra.
4. rhaj0 ( 25/05/2015 18:49)
"Raha tsy ateraka indray ny olona..." : io izany ny condition iray goavana, satria dia i Jesoa mihintsy no lazain'i Jaona fa "namaly" (sy niteny). Ka dia mitombo izany ny critetes hidirana any @ Paradisa, na koa, mitombo ny Kristiana TSY hahafeno ireo critereS..

Inona aby moa izao no criteres ny hidirana any ?
1- zanak'A.tra (taranaky ny taranaky ny vahoak'A.tra)
2- mino an'i Jesoa Kristy fa izy no "mpamonjy"
3- vita batisa
4- tsy nanota, na nanota fa efa nibebaka
5- misy exceptions, toa ilay "jiolahy teo ankavian'i Jesoa", na koa i Maria araka ny "immaculEe Conception", na koa ireo "Saints" izay efa tafiditra any, tsy miandry ilay jugement dernier, fa efa ao izao isika miteny izao..
6- dia io miampy hoe "nateraka indray" io izany...
7- ...


Ka ahoana ny faisabilitE an'ireo rehetra ireo raha @ cas-nao ao ??..
5. Strong3 ( 26/05/2015 10:41)
dia gagagaga ihany aho fa tena mahay mandahatra ireo kritéra ho an'ny olona te hoan'ny andanitra kay ny tsimisiAtra :p

faisablà ireo re ry rhaj0 ah ..!

efa vita ny antota-taratasy rehtra fa ny sonianao sisa no andrasana, nga misy zavatra sarotra fa ILAY HOE MINO NY ZANAKA SISA NO ANDRASANA

6. Strong3 ( 26/05/2015 10:57)

endriny:

Mahalasa sainy ihany teny avoakan'ny olona sasany momba an'io. Hoy ry zareo: "ny mpanota, ny mpanao ratsy tsy voavela dia alefa any amin'ny lavaka mangitsokitsoka, tanin'ny haizina, afobe, tanin'ny fikotrohanify"

Dia mba zahao io voalaza io fa hitanao eo ny maha fampitahorana fotsiny izany helo sy afo be izany...

Taiza no nisy toerana misy afobe kanefa maizina?
Taiza isika no nahita toerana misy afo kanefa mikotro nify ny olona ao? Moa ve tsy any amin'ny tany mangatsiaka no misy ny fikotrohanify... Fa raha any Mahajanga hisananaka noho ny hafanana aza no atao...

Dia ilay jiolahy niara-maty tamin'i Jesosy anefa lasa any an-danitra hono... Hihihihy. Hay tsy vody fanjaitra indray...


HIHIHIH...!

aleo azavaina sao mba hazava saina ianao ka hatakatra io reo fanotaniana toa mahalasa adala anao ka mahatonga anao niala andaharana tsy ho mpino intsony..

ny hoe farihy afo dia midikahoe gehenne dia toera-pandoroana
ny hoe afobe dia midika hoe hades dia toerana fifonjàna

Misy etapy ireo fa tsy teny iray akory, ka rehfa azaonao izay tranga roa izay vao ho AZONAO ilay resaka hoe ....

maninona no afobe nefa mangatsiaka
maninona no afobe nefa maizina sns ...

hihihi .... ny mahavoa anareo ange dia tsy vonona hitady ny marina fa ilay hifanaritaka eto fotsiny eh ;
dia aleo tsy omena zavatra be fa tsss
7. rhaj0 ( 26/05/2015 13:51)
Dia ataovy ao ihany no minomino foana ao ry Strong3.. Ohatra hoe, raha anontaniana ianao izao hoe, ary toatoa ny ahoana ny Anjely ? dia "mino" ianao Strong3 fa hoe, ny Anjely dia fotsy botabotakely.. tena izanhy hozy ny Baiboly!

Ka dia io izany ee... trandremo sao lasa gaigy rehefa andosiran'ilay Anjely eo.. esy eee....
8. endriny ( 26/05/2015 14:20)

Strong3:


maninona no afobe nefa mangatsiaka
maninona no afobe nefa maizina sns ...

hihihi .... ny mahavoa anareo ange dia tsy vonona hitady ny marina fa ilay hifanaritaka eto fotsiny eh ;
dia aleo tsy omena zavatra be fa tsss


Tsy hainao ve ny namely azy dia naverinao fotsiny ny fanontaniako. Taiza ianao no nahita olona manaingina rano eo ambony tokoana dia lasa mivaingana indray ilay rano?

Fa tsy molekiola mirehitra miodikodina a!
9. ichi ( 27/05/2015 11:19)
tsy ny baiboly ve no marina e
10. endriny ( 27/05/2015 12:20)

ichi:

tsy ny baiboly ve no marina e

Ao anaty baiboly ange izany lazaiko izany e... Tsy ao amin'ny testamenta taloha a, na ny evanjely ... Ny jiosy mantsy sy ny taranak'i Abrahama tsy mino izany afobe sy helo lazaintsika sy ampitahorana antsika izany...
11. Strong3 ( 29/05/2015 05:58)

endriny:


Strong3:


maninona no afobe nefa mangatsiaka
maninona no afobe nefa maizina sns ...

hihihi .... ny mahavoa anareo ange dia tsy vonona hitady ny marina fa ilay hifanaritaka eto fotsiny eh ;
dia aleo tsy omena zavatra be fa tsss


Tsy hainao ve ny namely azy dia naverinao fotsiny ny fanontaniako. Taiza ianao no nahita olona manaingina rano eo ambony tokoana dia lasa mivaingana indray ilay rano?

Fa tsy molekiola mirehitra miodikodina a!


lol... fanina nga no mihodikodina izato izy?? :-)
12. endriny ( 01/06/2015 04:39)
Inona no ahafanina ahy...

I Strong angamba no fanina fa tsy mahita hoax sy lainga aroso an-tsary anamarinana zava-diso intsony...
13. rekinbelo ( 02/06/2015 10:49)
Fa fahafatesana no tambiny ota, refa maty de tsy misy sazy mahazo ny olona tsony fa izy aza efa tsy misy intsony ko>
Rehefa atsanagana indray izy deo vao mifanazava izy sy ny Ray @ izay fotoana izay
14. Strong3 ( 02/06/2015 11:51)
fanina i endriny io zao :p
15. rhaj0 ( 02/06/2015 16:29)
rekinbelo:
Fa fahafatesana no tambiny ota...

Io indray k'lou dia finoanareo manokana anareo irery ao. Asa raha mba mi-click aminareo hoe, ianareo Kristiana IRERY ao ihany no mino fa "manota => fahafatesana".

Ny olona hafa dia TSISY an'izany hoe "manota => fahafatesana". Koa na ilay "manota" fotsiny azany dia efa (misy) tsy mihevitra izany concept-nareo ao izany..

Ny Atheista izao dia TSISY an'izany, fa dia rahefa reraka ny mekanika dia rava e.. vita. Maty.
Ny Bodista sy ny Amerindiana izao dia ... rehefa maty (reraka koa ny mekanika) dia mi-reincarner biby hafa.
Ny Ntaolo izao dia.. rahefa maty (reraka koa ny mekanika) dia lasa razana dia etsetra.

Eritrereto tsara ihany ho'a (fa tsy hoe rehefa atao pli-vava ny anao ao izany dia lasa marina) fa TSISY mino (toa anareo) izany hoe, ny fahafatesana dia satria nisy fahotana.
16. endriny ( 03/06/2015 04:56)

rekinbelo:

Fa fahafatesana no tambiny ota, refa maty de tsy misy sazy mahazo ny olona tsony fa izy aza efa tsy misy intsony ko>
Rehefa atsanagana indray izy deo vao mifanazava izy sy ny Ray @ izay fotoana izay

Izao no fanontaniako aminao aza
1) inona no fahotan'ny ondry sy ny osy ary ny omby ka mahatonga azy ireo ho faty, raha marina fa ny fahafatesana no tambin'ny ota? Inona no fahotan'ilay hazobe teto atsimo trano no maty ilay izy?

2) sao dia mba tsy haintsika mihintsy ny valin'ny fanontaniana hoe maninona no mety maty ny olona sy ny zava-manan'aina rehetra, dia tsorina fotsiny amin'ny hoe satria manota?

Hoy ilay mpampianatra izay: "Andao ekena fa tsy nanota ny olona izany dia tsy maty... Fa iza ary no afaka hieritreritra hoe misy olona voahitsaky ny silaindra dia miverina mitambatra indray ohatran'i Bob l'eponge?
17. rekinbelo ( 03/06/2015 05:30)
Tokony hiverina handinika baiboly kely mihitsy enao ry Enndriny fa betsaka zavatra tsy fantatrao momba ny baiboly sy ny fahafatesana zany ka>
Le baiboly mihitsy moa zany tena tsy azony 95% ny olombelona fa ataony Satana fanina daholo eee, de tsy mahita ny tena marina.
Aza miandry akaiky lotra anefa vao mandinika fa efa segondra no isaina sisa de vita ty fitondrany Satana sy ny olombelona ny tany ity
18. endriny ( 03/06/2015 06:45)
I Rekinbelo, efa segaindra maro izay no lasa ... Hihihihi sao mba diso aza ny famantaranandronao... Raha lany ny pila dia mba ilazao ihany.

Mba valio ao amin'ny baiboly aza ilay fanontaniako e...
19. bichette ( 10/06/2015 15:29)
tsy azo ampitoviana ny amin'ny "zavatra hita maso" ny resaka afobe sns, satria alohan'izany rehetra izany, tsy ny nofontsika no any amin'ny afobe fa ny "ame" !
20. endriny ( 15/06/2015 14:52)

bichette:

tsy azo ampitoviana ny amin'ny "zavatra hita maso" ny resaka afobe sns, satria alohan'izany rehetra izany, tsy ny nofontsika no any amin'ny afobe fa ny "ame" !


Mba jereo ihany ho'a ny kolotsain'ny tena tompon'ity Atra tompoina ity. Israelianina ry zareo, ary ho an'ny Israelianina dia ny olona nanao ratsy teo amin'ny mpiaramonina dia tsy mendrika ny alevina fa doroina atao lasa lavenona na sira hoy ny sasany... izay no nadikan'ingahy Paoly sy Jaona ho lasa afobe..

Raha ny fanahy tokoa no lasa any amin'ny afobe araka io nofinofy io. Iza no efa nahita fa mampijaly ny fanahy ny afo?

Mahay mampiresaka a...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2353