Mba misy fiangonana mahafoy ny rakitra indray alahady ve hanampiana ireo mosary any Atsimo

1. endriny ( 24/03/2015 12:47)
Mahonena zareo, fa misy fikambanana (ONG) roa lehibe tantanin'ny fikambanam-pinoana miasa any Androy, saingy tsy afaka manome hono ry zareo raha tsy mahazo ny vola natokana ho amin'ny vonjy taitra avy amin'ny USAID a. Fa ny vola misy eo aminy, vola natokana hamitana ny tetikasa fampandrosoana fotsiny...

Dia gaga aho...

Koa mba misy fiangonana ve afaka manome ny rakitra indray alahady ho an'ny kere? Sa koa hoe ny volam-piangonana ho fanatevenana ny fanjakan'Atra...?
répondu par endriny le 02/04/2015 14:53
2. Tefigasy ( 24/03/2015 12:52)
endriny:

Koa mba misy fiangonana ve afaka manome ny rakitra indray alahady ho an'ny kere? Sa koa hoe ny volam-piangonana ho fanatevenana ny fanjakan'Atra...?

Tongava any aminay mivavaka raha te handray anjara ianao fa ny ao aminay manao ary tsy vao indray mandeha fa efa maromaro ihany izay. Sady tsy ho fanampiana mandalo fotsiny fa miezaka mihitsy ny hanorina fiangonana mipetraka any amin'ny faritra tena sahirana any atsimo any mihitsy. Tsy ho lazaiko mivantana eto kosa aloha ilay fiangonana mba tsy hisian'ny ........ fa aleo message prive no hanomezako azy anao raha mety aminao.
3. endriny ( 24/03/2015 15:52)
MIsaotra amin'ny fanasana, saingy ny fanampiana angamba no ahatongavako any fa tsy ilay hoe hivavaka loatra...

Tsy hitako mantsy hoe iza no fikambanana mba tena miahy ny Malagasy sahirana izany.. Pere Pedro sy ireo ankany fitaizana zaza kamboty sy kilemaina angambany...

ILay fanjakana toa ny haka vato tamin'ny fifidianana ihany no nalehany tany dia iny izy no lasa naka ATR 2, dia nitaingina ilay ATR ho any Nosibe... Fanjakana Mampihomehy...

Izaho aza moa mibalaoasy eto fotsiny koa koa..

Mazotoa zareo a
4. shala ( 25/03/2015 08:46)
sarotra be ny anao an'izany raha tsy misy solotena avy any ohatra tonga ao@ilay fiangonana angataana fanampina.ary mino aho fa tsy misy andaha anzany ny fiangonana.
Tao ampiangonanay zao d rakitra faharoa dia natokana ividianana gasoil itroana anle rano t@traboina be teo aloha teo.maik moa fa sakafo hoan kere zany.
5. Strong3 ( 25/03/2015 08:56)
tena marina fa samy maika amin'ny mahamaika azy ny fiangonana ka tsy misy mitsinjo ireo kere

__ inona no mety tena antony ry endriny?
6. Tefigasy ( 25/03/2015 09:29)
shala:

sarotra be ny anao an'izany raha tsy misy solotena avy any ohatra tonga ao@ilay fiangonana angataana fanampina.ary mino aho fa tsy misy andaha anzany ny fiangonana.
Tao ampiangonanay zao d rakitra faharoa dia natokana ividianana gasoil itroana anle rano t@traboina be teo aloha teo.maik moa fa sakafo hoan kere zany.

ny tena kristianina dia mandray iraka, manao mission, fa tsy miandry rindrina efatra tsy hihetsika fotsiny r'ise a! Ilay olona ary ve efa sahirana, ny ho ataony sakafo aza tsy misy dia iza no mbola andrasanao ho tonga angataka eo ambavahadim-piangonanao indray, hisy ve ? Anjaranao no miala eo amin'io toerana misy anao io, mandeha manatona ireny olona ireny satria izay ihany koa no iraka nampanaovin'i Jesoa mandehana any amin'izao tontolo izao ... . Izay no anisan'ny mampiavaka ny fivavahana kristianina amin'ny fivavahana jiosy: ny fivavahana jiosy dia izay mila famonjena no mila manatona ny sinagoga, fa ny an'ny kristianina kosa indray dia ilay famonjena mihitsy no mandeha hampanatonina ny olona maneran-tany.
Koa aza mba miandry hisy handondona izany vao hanolo-tanana, fa raha misy azonao atao dia mandehana ataovy ny mission. Mba mahafinaritra ireny olona ireny koa anie ny mahita anao mivantana manolotra famonjena ho azy any an-toerana e !
7. rhaj0 ( 25/03/2015 12:52)
okay.. tsara izany. Fa trandremo ho'a sao manao toa ilay congregation reliziosy t@ tsunami. Mba avotra ihany, fa avy eo lasa nianika havoana kely hoe hisaotra sy hidera, fa tsy ny tokony natao no natao, dia inona fa nipaosin'ny tsunami numero 2...
8. endriny ( 27/03/2015 04:14)
Aleo aloha tsy dia asiana fanahiana toa izany e... Isika ange tsy hoe mpanongam-panjakana na hoe mpandoro trano e, na mpandrava efa e...
9. endriny ( 02/04/2015 14:53)
Farany hay tsy misy mahafoy akory mba hamonjena ny any Atsimo... fa samy maika fotsiny hoe hananganana fiangonana any
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.426