Tatandraza indray !

1. bor2lais ( 12/03/2015 14:29)
"Des émeutes ont éclatées à Mahajanga ce matin entre les fidèles d’une secte dirigée par Marc Tatandraza. Les Forces de l’ordre ont dû intervenir pour calmer las situation. Plusieurs blessés sont évacués à l’hôpital d’Androva"
Source : moov.mg
*********
Inona indray ity raharaha Tatandraza sy ny namany ity ? Efa nisy resaka momba azy mantsy teto
Sao misy afaka manome vaovao misimisy azafady !
répondu par bor2lais le 21/03/2015 11:55
2. fahamarinana ( 12/03/2015 19:35)
Izaho ary androany vao mahay ilay anarana ô! :)
3. booboo ( 12/03/2015 21:22)
( Tsy ilay rangahy io ve ilay nandoro pataloha jeans bobaka be fa hoe watsawatsan'ny devoly ireny, toa tany @ rindrin'i Fijo tatsy andrefan-trano angamba nahitako azy izay )
4. endriny ( 13/03/2015 04:06)
Ka mpisikidy lasa mpaminany hono ny anao lahy koa... Eto amintsika ange rehefa nahazo ilay anarano hoe mpitondra fiangonana dia tsy voaenjiky ny lalana e... ambony noho ny Depiote sy ny Minisitra ireny...
5. bor2lais ( 13/03/2015 10:08)
fahamarinana:

Izaho ary androany vao mahay ilay anarana ô!

Faly mahita anao eto indray Faha a ! :-)
6. rhaj0 ( 13/03/2015 16:38)
i Tatandraza ve no gourou an'i .. RBNIR sa an'i Strong3 ohatra? sa mety hoe tao no niala i Bor2lais?
mba manontanintany foana e... :-)
7. bor2lais ( 14/03/2015 12:25)
rhaj0:

sa mety hoe tao no niala i Bor2lais ?

:-)
Ity ny vaovao faramparany momba azy !
8. Strong3 ( 16/03/2015 07:38)
mdr... isé no mpamatsy vola ireny ry rhj0, handoto ny fivavahana kristiana aty antanindrazana aty , satria halan'isé ny kristiana hameno ity nosy ity , dia irahina ireny handoto rano

asa mba hoa...
9. rhaj0 ( 16/03/2015 11:10)
Tena "mino" aho fa (ny karazan') i Strong3 ihany no nihaodihaody tany @ Tatandraza tany, sa tsy izany?

Ka (ny karazan') i Strong3 dia ilay @ hoe, minou foana k'lou fa ngo dia izay tokoany ilay "tena izy".

Dia io (ny karazan') i Strong3 fa kepoka mivaralila fa tonga saina fa kay fampatoriana adrisa ity nasesika taminy.. Mbola aiza rahefa "tonga saina" fa ny B koa anie ka tena fampatoriana adrisa...

Fa dia tena tsy hita ity, fa dia tsy hay izao hoe ahoana no atao rahefa taitra avy ao @ torimaso (-ntsainy) ao zareo...
10. toriteny ( 16/03/2015 12:17)
Tena misaotra ny Tompo fa vaovao mahafaly be izany. Fa tena afa-doza i Madagasikara.
11. Strong3 ( 17/03/2015 10:27)
kkkkkkk faly ery le "tsymisyAtra" fa naloto ny kristiana, ...
tsy ahafoana ny faka efa mahazo fon'ny tany izany r'rhaj0 ah! ny tropao ihany no metyho kepoka fa ny nampahalalana ny marina tsy mba mivaralila amin'izay zavatra tao ireny :-)
12. rhaj0 ( 17/03/2015 10:45)
Izao izao ny Atheist manomboka mieritreritra mafy hoe... rahefa mifoha t@ torimason-tsainy ao ireo Kristiana an'alin-kisa ireo, dia ho ahoana?

Hitanao.. sahala @ resaka ekonomia hoe.. rahefa mifoha @ consumerisme ny sinoa 1 miliara sy ny karana 1 miliara koa, dia ho ahoana ny pollution eto @ ity tany ity ?

Fa ilay kristiana be dia be lasa misokatra saina no paozitiva (enga anie), satria lasa vao mainka mihazakaza ny fandrosoan'ny fahalalan'ny zanak'olb..

Fa fotsiny, ireo ilay marefobe voafandrika tao @ "finoana" tao no tena mazamazana ny anamafisana ny sainy..
13. Strong3 ( 17/03/2015 11:30)
mdr... raha mifoaha hono

raha miverina ho fotaka (nofo) ny kristiana dia ho ho simba ny tontolo iainana satria tsy ampy hivelaran'ny fikarohana ny tany onénan'ny olombelona...
fa misaora ilay tsimisy fa nozarainy roa ny saintsika ka ianareo tsimisiAtra fa izay mino , tsy hitanao ve fa efa paolitika avo lentan'ilay lazainareo fa tsy misy izany?
ilay lien nomeko anao iny dia hanampy anao ahatakatra fa paolitika koa ny nampinoana fa misy sy tsy misy
saingy ny fanamporofoana tao amin'ny fifantohana lalina no nahitana fa rediredy ny filazana fa tsy misy ...
misaora ilay everinareo fa tsy misy fa nataony matory ny kristiana :p ___ raha izay matory izay no fahitanareo azy ao amin'ny imaginationareo ao
14. rhaj0 ( 17/03/2015 16:00)
Ka raha tsy matory azany (ny sainareo) dia kirakirao ohatra izay hitan'ny siantista (72%-ndreo TSY mino) faramparany ato eee...
http://lmgtfy.com/?q=latest+discoveries+in+science

Ka milahatra tsara @ Baiboly daholo ve ireo? efa voazava na hitan'ny Baiboly daholo?
na (mila mahay) mamaky Baiboly dia efa mazava ho azy ireo rehetra ireo ???

Tena TSY nilana nifohazana maraina avy t@ torimaso ka io nokarohana io?
15. Strong3 ( 18/03/2015 07:05)
manana namana sinoa aho, tena tsy manana saina afa tsy miasa izy io. adin'ny efatra ihany izy no matory!
mandany andro amin'ny fanomanana ny hoaviny rahampitso izy. Feno fifantohana tanteraka izy amin'ny fikarohana ataony mba hampivohatra ny asany ka hampakatra azy amin'ny tsaratsara kokoa...
Nilazako ny amin'i Jesosy izy, Nambarany tamin'izay fa ... mety ho andrana vaovao izany miaina any anaty fijaliana izany noho izao efa hiaretako izao.
Nahoana ny fivavahana misy rehetra eto ambony tany no milaza io Afo be io?
ny siansa sy ny fikarohany dia mifarana eo amin'ny baiboly ary tsy hiohatra ny baiboly, satria mihantona eo amin'ny baiboly izao tontolo izao.
16. endriny ( 18/03/2015 08:43)

Strong3:

Nahoana ny fivavahana misy rehetra eto ambony tany no milaza io Afo be io?
ny siansa sy ny fikarohany dia mifarana eo amin'ny baiboly ary tsy hiohatra ny baiboly

Aoka re ry Strong3 a. Ny hebrew torah sy ny hebrew aza dia efa tsy mino izany afobe ao amin'ny boky artifisialintsika ao izany. Ny Hindo, ny boda, ny sampiko... Samy tsy mahalala izany afobe noforinareo ao amin'ny boky artifisialy izany daholo...
17. Strong3 ( 18/03/2015 09:09)
hahaha zany ôh... dia mahalala sy namboly fa mody adala na tara tamin'ny fahalalana tsotsotra angamba
18. rhaj0 ( 18/03/2015 10:25)
Indreto azany ry Strong3 ny karazana Afobe a...
http://fr.wikipedia.org/wiki/Enfer
Dia izao ilay tantara-tsy-azo-tantsaraina-nefa-tantaraina-ihany...
rhaj0:

non.. ahitsiko kely fa izao ilay izy... samy nilatsaka avy tany an-danitra, dia tafatsoropaka tanaty la cheminee i Strong3 sy ilay Moslimo ... dia i Strong3 latsaka tanatin'ilay vilany misy rano mangotraka.. fa ilay Moslimi dila kely, (500 taona taty aoriana i Mahomet io), dia latsaka tanaty afo(be)..

Dia mifampitazana avy @ samy misy azy izy mitsamy. Dia raikitra ny mifamantsy..

:-) ialahy ry Strong3, ato @ imagination-ko aty, ka mijafajafa ao anaty rano mangotraka fa TSY mino ny Allah-nay an... (hoz'ilay moslimo)
;-) ialahy ry moslimo, ato @ imagination-ko ato, ka mijafajafa ao anaty la cheminee fa TSY mino ny Atr'i Israelinay an ... (hoz'i Strong3)
19. endriny ( 18/03/2015 14:58)
Izay ny mahatsara ilay mitarika fiangonana ry zareo a: "Araka ny efa nolazaiko tary aloha tary, fa tsy hitako hoe: "Rehefa mpitondra fiangonana ianao dia ambony noho ny lalana misy eto amin'ny tany sy ny fanjakana satria ny lalanao dia lalan'ny lanitra.... ka tsy misy na iray aza mifehy anao eto an-tany..."

Bravo Tatandraza a....

Ataovy izay lety Rakoto f'efa anao ny lanitra a...
20. Strong3 ( 19/03/2015 05:52)
endriny:
Bravo Tatandraza a....

nga moa ra tata tsy efa tafavoaka eh! hihihi __ tsy maharabaovao injay an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2602