MPITOVO

1. mpisotrtoaka ( 29/01/2015 07:29)
Ny olona ts manambady ve afaka omena toerana ministra na afaka miditra ao anaty raharaham-pirenena !? Ohatra filoha, PM, ministra, depiote ! Ny mera misara-bady mantsy izao ts mety satri hampitambatra nefa ve misaraka !
répondu par endriny le 03/02/2015 15:12
2. rhaj0 ( 29/01/2015 15:13)
ary ny olona mpisotro toaka ve ry mpisotrtoaka afaka amena toerana ministra koa ohatra ? :-)

Raha daina mantsy ohatra... dia ny mpidaina taloha, rahefa oainina dia mangana mihintsy, na dia fony fahatanorany azany izy no midaina
3. endriny ( 29/01/2015 15:21)
Dia ahoana raha homo ilay minisitra?

Raha ny haiko aloha dia misy sata tsy maintsy tratrarin'ny olona iray vao azo atao minisitra e. Ao anatin'izay ny fanambadiana na firy vadiny eo na firy tsy maninona.. fa io no endriky ny fahamatorana voalohan'ny ho an'ny olona... Fa ny Sekretera Jeneraly na ny tale jeneraly tsy maninona na tsy manambady aza...

Dia hoe Ahoana anefa ry Tvavy Nadine sy Tvavy Rabesahala... sns?
Ireny izany dia taratr'ilay fitondrana kitoatoa e... sy manilika ny hafa

Izay tsy mahagaga satria eto amintsika aloha izany dia misy fianakaviana efa nofanina hatramin'ny fanjanahantany hoe: Tsy maintsy misy ireto firazanan'olona ireto ny mpitondra
4. mpisotrtoaka ( 30/01/2015 05:10)
Misaotra anao endriny fa tena mahafa-po ahy ny valiny ! Ho an'i rhaj0 kosa d raha te hiaraka hisotro amiko ise d afaka omeko adresse mail d mahalala ahy tsara !
5. rhaj0 ( 30/01/2015 17:07)
Ny an'ny Zamerikana dia mandalo fakana am-bavany eo @ Senat ny ho ministra sy izay tompon'andraikim-panjakana lehibe (toa ny ben'ny CIA, na ny cour supreme ets..). Ny fanontaniana, na izay arakarako sy izay mahaliana ahy k'lou, dia ny momba izay nataon'ilay olona taloha tany sy izay position/opinion-ny tany.. dia mijery ny ahaizany mitantana ny ho andraikiny ao, sy ny mety ho influence-n'izay background-ny izay raha ny ho fanapaha-keviny rahampitso.

Fa ny mpitaty ra-kena sy ny atsy @ pelooozy kosa aloha dia matavy ny resaka raha ny fiainana sesika sy vadivady sy izay akanjo na hety volony ao e...
6. endriny ( 01/02/2015 07:44)

rhaj0:

Io aloha no tsy arako a. Fa ny fahalalako ny an'ny Amerikanina, dia misy ilay sivana voalohany izay ataon'izy samy izy iray tarika maolotra olona. Dia rehefa avy eo ilay olona atolotra tsy maintsy mahafeno ilay fepetra amin'ny ataon-dry zareo hoe top security clearence: izay fanadihadiana lalina mikasika ilay olona, ny fomba fitondran-tenany teo amin'ny fiarahamonina, ny fadisoana efa nataony na ny helony, ny fandikana lalana efa nataony... Sns ny fitondrany tokatrano sy ny zanany... Izay vao miseho eo amin'ny senat mampiseho izay tiany hatao raha izy no minisitra na sekreteram-panjakana moa izany no filazana azy...
7. mpisotrtoaka ( 02/02/2015 06:20)
Koa atao ahoana fa ry Sareraka aza nandray ny valim-babeny rehefa nisisika mafy nametraka olona tambony seza ! I Rossy tena manana dipome ambony betsaka saingy ity volony toa ts presentable miits !
8. endriny ( 02/02/2015 14:29)

mpisotrtoaka:

Koa atao ahoana fa ry Sareraka aza nandray ny valim-babeny rehefa nisisika mafy nametraka olona tambony seza ! I Rossy tena manana dipome ambony betsaka saingy ity volony toa ts presentable miits !

I Sareraka kosa aloha. Lainga lainga fa nanao be izy teo amin'ny tolona rehetra nisy teto amin'ny firenena e, saingy isaky ny vita ny tolona dia voalika mora foana izy... Saingy tamin'ny andron'i TGV izy vao mba nahazo valibabena, ka tsy omeko tsiny izy ... misy hora milaza hoe rehefa misy misy hetsika politika dia ifandrotehina ny mpanakanto...

I Rossy kosa aloha tsy nianatra ankoatry ny Bacc izany e, fa hoe nomena diplaoma tamin'ny Andron'i Tvavy Rabesahala sy Raveloson fotsiny... Fomba fanaon-dry zareo mpanao politika io e...
Miaramila misotro ronono aza miakatra Jeneraly tampoka teo
9. mpisotrtoaka ( 03/02/2015 12:35)

endriny:

Endriny a ! Ts fitia hifanditra aminao fa tena nanao droit s zavatra bdb tany Frantsa Rossy ! Ex fotsiny no teneniko fa anjarantsika no mandinika e !
10. endriny ( 03/02/2015 15:12)

mpisotrtoaka:

Endriny a ! Ts fitia hifanditra aminao fa tena nanao droit s zavatra bdb tany Frantsa Rossy ! Ex fotsiny no teneniko fa anjarantsika no mandinika e !

Dia misaotra anao nanitsy.. Ny ahy moa ilay fantatro teto Mada no tantaraiko... fa aza fady e...Tamin'izy tavela tany Frantsa nandritry ny andron'ny TIm ve io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3458