Mba zavatra tsikaritro mikasika ny Filoha Hery Rajaonarimampianina

1. endriny ( 20/01/2015 14:01)
Asa ianareo raha mahadinika na tsia. Fa izaho aloha taloha nihevitra hoe nisotro kely angamba i Prezida vao nitsidika olona. Ohatry ny mitolezolezo izany ny ilany. Ka indraindray izy toa mila ho solafaka ihany rehefa mamindra. Ary mikipikipy lava toa tsy mahazaka hazavana ny masony. Sa olona efa voan'ny AVC ihany koa izy taloha?
répondu par endriny le 03/02/2015 15:49
2. mpisotrtoaka ( 21/01/2015 05:23)
Marina le fanamarihana ! Jereo tsara ny akoho rehefa mandeha fa ts maintsy mihetsika iny lohany iny ! Tsy sanatria mampitovy olona amin'ny biby fa ny zavamisy no resahana ! Rf miteny izy dia miambakavaka be d lasa tahaka ny pasitera afaka izany ! Ny ilany fotsiny no mihetsika e !
3. Dreamlover14 ( 21/01/2015 15:45)
Efa nifandray t@ io filoha io aho fahiny ary mety mbola ho tadidiny satria in-droa nampianariny aho tany @ sekoly nampianarany. Tsy hoe toy ny akoho ranamana fa somary be geste izy ka mitraka lava ny lohany nefa ny tany diaviny dia feno lavaka ka somary sahirana ranamana.

Moa koa fiara Renault 21 izay ny fiara fitondrany t@ izany fa izao efa mandeha 4x4 V8 dia mba miakatra toy izan koa ny standing @ loha eh. Ilay mikimpy dia normal ho an'ny olona miaritory lava satria expert comptable izy ary matetipitranga izany fiaretan-tory izany @ asany.

Ilay hoe misotro aloha tsy afaka hiteny aho satria tsy mbola ni-trinquer niaraka taminy
4. endriny ( 22/01/2015 09:15)
toa mampatahotra be mantsy fa ohatran'ny mitrotrongy izany ny Filoha indraindray koa
5. endriny ( 29/01/2015 15:23)
Ohatry ny andeha hitsabo tena any an-dafy aza ilay ranamana a...
6. endriny ( 03/02/2015 15:49)
Mino aho fa efa mba tsaratsara angamba ingahy Filoha taorian'ny fizaham-pahasalamana natao tany Frantsa...

Maninona moa raha teny amin'ny Hopitaly Manara-penitra no nitsabo tena e?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9803