Soratsoratra nahavonjy fanahy
1. Tefigasy
(
19/01/2015 13:28)
Nisy raim-pianakaviana iray izay nadreha fa matin'ny accident de voiture ny zanany vavitokana. Kepoka tsy nahateny, tsy nahatomany, tsy nahahetsika izy nandritran'ny dimy minitra. Avy eo novelominy ny fiarany, tsy niteny na tamin'iza na tamin'iza izy fa dia lasa nandeha nirimorimo mafy. Telo metatra tsy hifandona amin'ity camion be iray izy no nahita soratra tamin'ilay fiara hoe "Tiantsika rehetra i Jesosy". Nohitsahiny moramora ny frein dia tafajanona ihany ny fiarany. Teo vao tonga tao an-tsainy fa efa natolony ho an'i Jesoa hatramin'ny fahazazany iny zanany iny, ka na nisaraka taminy tamin'ny fotoana tsy nampoiziny aza dia efa ao amin'i Jesoa ihany ilay zanany. Naha-avotra fanahy iray izay saika ho very ilay soratsoratra nataon'ilay tompon'ilay fiara be. Ho anao ihany koa, tsy voatery hoe mitory teny eny ambony pilopitra ihany vao atao hoe mpitory teny, fa na mandeha eny an-dalana eny aza ianao, rehefa Jesoa kristy no ao anatinao ao dia filazan-tsara mivelatra ho an'ny rehetra ianao, koa aza menatry ny filazan-tsara fa torio amin'ny fomba rehetra Jesoa, na dia hatramin'ny bitika izay tsy hampoizinao akory aza. Nanomboka teo dia lasa mpanoratsoratra tenin'Andriamanitra mahafinaritra amin'ny toerana maro ity rangahy iray ity. Ary ianao mba ahoana !
répondu par rhaj0 le 12/02/2015 12:05
2. rhaj0
(
19/01/2015 14:02)
Ny tandrefana aty izao dia mba manao koa publicite momba ny (tsy) finoany eraky ny bus. Jereo anie ohatra ny eto e...
https://www.youtube.com/watch?v=P9OF81iJqIk
fa tena piti-boanjo ny an-dreo miolotra @ ny an'ny kristiana...
Fa nahafinaritra ahy ilay rangahy @ youtube ambony io, misokatra @ dialogue social...
https://www.youtube.com/watch?v=P9OF81iJqIk
fa tena piti-boanjo ny an-dreo miolotra @ ny an'ny kristiana...
Fa nahafinaritra ahy ilay rangahy @ youtube ambony io, misokatra @ dialogue social...
3. gasy1zay
(
19/01/2015 14:37)
rhaj0:

Tsy haiko ianao rhaj0 na mipetraka ao Montréal na tsia fa toa tena ao @ io fiangonana St- Jean naseho t@ interview io hono no miangona ny fiangonana FJKM gasy ao Montréal, ireo gasy anisany mijoro fa misy Andriamanitra.
Raha ny fahitako azy dia ny olona te hanao ny sitrapony, indrindra fa raha tsy mifanaraka @ sitrapon'Andriamanitra izany sitrapony izany dia manantena sy maniry fatratra mba tsy hisy Andriamanitra @ izay tsy misy ny "culpabilité" ary tsy misy tahotra ny amin'ny ampitso sy ny fitsarana farany.
Raha hiverenana ny lohahevitra dia mety diso fanoratra angamba ilay izy fa tokony hoe : tia antsika Jesoa Kristy fa tsy hoe tiantsika na dia tiantsika ary izy. Marina ny anao ry Tefigasy fa voalaza tokoa fa ataon'Andriamanitra miaramiasa ny zavadrehetra hahasoa ny olony.
4. Tefigasy
(
19/01/2015 14:50)
gasy1zay:
Raha hiverenana ny lohahevitra dia mety diso fanoratra angamba ilay izy fa tokony hoe : tia antsika Jesoa Kristy fa tsy hoe tiantsika na dia tiantsika ary izy. Marina ny anao ry Tefigasy fa voalaza tokoa fa ataon'Andriamanitra miaramiasa ny zavadrehetra hahasoa ny olony.
Raha ny voambolana malagasy dia io anao io no marina, toa ny hoe tia anao, tia anareo, ..., saingy niniako tsy nahitsy ilay soratra tamin'ilay fiara satria mety hamaky eto ihany koa ilay tompon'io fiara io sy ilay olona sendra azy. Fiara iray lehibe matetika mianatsimo izy io, dia kopakopa-tanana ho an'ilay ray aman-dreny tafaresaka tamiko tamin'io
5. rhaj0
(
19/01/2015 15:04)
gasy1zay:
Raha ny fahitako azy dia ny olona te hanao ny sitrapony (..) dia manantena sy maniry fatratra mba tsy hisy Andriamanitra
TSY "fanantenana sy faniriana' izany velively ny an'ny athee re ry Gasy1zay a... TSY "subjective" sahala @ "finoana" ny azy rahefa miresaka... fa "objective" sy "siantifika'...
Ny fahitako azy, dia ny olona "mino", kanefa "te hanao ny sitrapony", no "manantena sy maniry fatratra" zavatra tsihaitsihay... roritin'ny lozika sy saina-mandinika @ maha-olb atsia, nefa roritin'ilay tsindrin'ny "finoana" (manaiky-tsy-mila-fandinihana) atsoa...
(z'afady @ Tefigasy raha HS fa manaja mamaly an'i Gasy1zay fotisny..)
6. gasy1zay
(
19/01/2015 15:17)

Izay ny fahatsapako azy fa tsy voatery mitovy hevitra amiko anie rhaj0 e! aleo ajanona fa lasa HS isika an!
7. rhaj0
(
19/01/2015 15:42)
gasy1zay:
Izay ny fahatsapako azy fa tsy voatery mitovy hevitra amiko anie rhaj0 e! aleo ajanona fa lasa HS isika an!
Tsy voatery mitovy hevitra tokoany, fa fotsiny, rahefa "hafa" ilay fiheveranao (na fi-juger-nao) ny olon-kafa (ohatra ny athee), "hafa" fa TSY araky ny zava-misy obzektiva eo, dia voatery manamarika aho.
Ilay izy mantsy, raha ny hitako, dia tena mikombona ao @ ilay rafi-pi(s)ainana "mino" nareo, ary tena hotry ny tsy mi-click mihintsy hoe, misy anie ny rafi-pi(s)ainana "tsy-mino", izay samy hafa tokoany @ ny anao ao... Ny "tsy-mpino" dia mahazo (mi-compr) ny an'ny "mpino" (satria matetika mety "mpino" ihany izy taloha), fa ny "mpino" dia matetika loatra dia tena ... aoka re...
(z'afady re ry Tefigasy fa tena HS, fa dia tsy hanampy intsony aho e...)
8. Strong3
(
12/02/2015 11:23)
enjehin'ny eritreriny ny "Tsy-mpino" ka manototra ny finoan'ny "Mpino" __ satria misalasala izy fa sao misy ihany ilay hinoan'ny Mpino :p
9. rhaj0
(
12/02/2015 12:05)
Eny azany fa ny tsy-mpino indray no "misalasala' e... ny tsy-mpino mantsy taloha nampinoana, dia nefa nisokatra ny sainy, dia lasa 'tsy-nino", dia .... misalasala indray izany hono e...
nefa ny "mpino" tsy nahalala afa-ts'izay nampinoana azy tao, fa rahefa domina kely hoe, ahoana tsara hoe izany lojikanao izany, dia ... mampalelo...
nefa ny "mpino" tsy nahalala afa-ts'izay nampinoana azy tao, fa rahefa domina kely hoe, ahoana tsara hoe izany lojikanao izany, dia ... mampalelo...