Indrisy ry Madagasikara sy ny Malagasy 23 tapitrisa ao aminy !
Misy fahitalavitra mampianatra ny kolotsaina japôney sy Sinoa ho an'ny zaza malagasy nefa ny an'ny eto an-toerana aza tsy fantany ! Inona no tena adidin'ny TV ho an'ny fireneny sy ny tanindrazany ! Tsy hanabe ny azy ve izay vao ny an'ny hafa e ?
Aza malahelo ry mpisotrotaka fa tsy zava-baovao izany! Efa hatry ny ela aho no nahita horonantsary frantsay na amin'ny teny frantsay eo amin'ny fahitalavitra malagasy. Koa hampiova inona raha zava-tsinoa sy japoney indray no ampianarana ny ankizy?
Tsy tamin'ny fahitalavitra mihitsy no nianarako ny tenin-drazako na ny fomban-drazako.
Manao ambaninjavatra ny teny malagasy aza ny tranonkala malagasy amin'ny Aterineto ka inona loatra no azo antenaina?